Dans la mme rubrique

Fahasalamana, Politika, Toekarena Ho sarotra ny fanapahana !

04/04/2020

Hanao kabary amin’ny vahoaka Malagasy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina rahampitso alahady 4 aprily, momba ny fanapahan-kevitra lehibe taorian’ny fihibohana 15 andro.

Fahasalamana, Politika, Toekarena Ho sarotra ny fanapahana !

Hamaky ny tohiny...

Loholon` i Madagasikara Miantso fihaonana amin` ny Filoham-pirenena

04/04/2020

Ireo loholona, amin` ny alalan` ny filohany Rivo Rakotovao, dia niantso fihaonana amin` ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina.

Loholon` i Madagasikara Miantso fihaonana amin` ny Filoham-pirenena

Hamaky ny tohiny...

Ny Rado Rafalimanana Nidoboka eny Antanimora

03/04/2020

Nisy ny fisamborana an’Atoa Ny Rado Rafalimanana kandida ho filoham-pirenena teo aloha afak’omaly.

Ny Rado Rafalimanana Nidoboka eny Antanimora

Hamaky ny tohiny...

Antoko HVM Ataovy mangarahara ny fitantanana

03/04/2020

Miatrika fotoan-tsraotra ny firenena ankehitriny. Manoloana izany, ny antoko Hery Vaovaon I Madagasikara (HVM) dia hitondra izay voatsirambin` ny tanana ho fanampiana ny mpiray tanindrazana manoloana ity ady iombonana ity.

Antoko HVM Ataovy mangarahara ny fitantanana

Hamaky ny tohiny...

Ny Rado Rafalimanana Nobedain’ny zandary teny Ivato

02/04/2020

Nisy ny fisamborana an’Atoa Ny Rado Rafalimanana kandida ho filoham-pirenena teo aloha omaly. Tonga teny amin'ny CCI Ivato izy omaly maraina, nitondra ny zaodahiny avy any an-dafy atao fitiliana mikasika ny Covid-19 teny an-toerana.

Ny Rado Rafalimanana Nobedain’ny zandary teny Ivato

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina “Tena sarotra ny manapa-kevitra…”

02/04/2020

Nametraka ny lamina rehetra saingy tsy vitan’ny mpitondra irery. Ny 12 andro manaraka dia tanjona ny hoe mba ho betsaka indray ny olona sitrana.

Andry Rajoelina “Tena sarotra ny manapa-kevitra…”

Hamaky ny tohiny...

K3 F Miantso ireo mpanao politika tsy hanararaotra ny “coronavirus”

02/04/2020

Nitondra hafatra ho an’ny tompon’andraikitra eto amin’ny firenena sy ho an’ny olom-pirenena sy ny vahoaka ny Komitin'ny Fahamarinana sy Fandriampahalemana ary Fiadanana (K3F) manoloana izao loza mihatra

K3 F Miantso ireo mpanao politika tsy hanararaotra ny “coronavirus”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Olana sy krizy Izao no tena ilàna ny fampihavanam-pirenena

18/03/2020

Mazava ny fanambarana ofisialy nataon’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina omaly sy ny toromarika nomeny ny governemanta ho fisakanana ny mety hidiran’ny Coronavirus eto Madagasikara sy ny fandrindrana ny fiainana ara-tsosialy sy ara-toekaren’ny firenena ihany koa.

 

 

Tsy i Madagasikara irery fa efa firenena maro no nanapa-kevitra hampiato ao anatin’ny 1 volana (30 andro) ireo sidina ifandraisany amin’izao tontolo izao.Nampitandrina ireo mpanely tsaho koa ny filoha ary nanentana ny rehetra mba hanaraka hatrany ny toromarika sy ny fandaminana.Efa tena ady no atrehan’izao tontolo izao, tsy hoe ady amam-basy sy tafondro fa ady amina areti-mandoza izay nanova tanteraka ny fiainan’ny zanak’olombelona tao anatin’ny iray volana monja : satria voatohintohna ny fahafahana mifamezivezy malalaka, mivory, manao fety, miasa, mianatra, miantsena..tena niova ny fiainana andavanandro.Niantso ny rehetra ho tony ary hanandratra vavaka omaly ny fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara ; tsy misy maniry ratsy ho an’ny firenena eto fa samy te hahazo ny soa.Fotoana angamba izao hanaporofoana fa iray ny Malagasy ary mahay miara-miaina na dia eo aza ny firehana ara-kevitra sy ny loko politika samy hafa.Efa herinandro latsaka kely izay no nandroso soso-kevitra ny amin’ny hanafoanana ireo sidina avy any ivelany miditra eto Madagasikara ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ; maro ireo mpanao politika nisintona lakolosy sy nanaitra ny fanjakana hoe : sao dia tokony atao hentitra kokoa ny fepetra raisina fa ho zava-doza raha tafiditra eto ny Coronavirus.Maro no resy lahatra fa karazana fambara izao handinihan’ny tsirairay tena ary hamerenana indray ny firaisam-pirenena..tsy misy firenena mandroso ao anatin’ny fifandrafiana tokoa mantsy.Natomboka saingy tsy mbola vita ny fampihavanam-pirenena eto Madagasikara, sao dia mba amin’izao ady atrehana amin’ny Coronavirus izao no fotoana mety hanaingana indray azy io, ho fandresena lehibe ho an’i Andry Rajoelina ny fananany finiavana sy fahasahiana ara-politika hanohy io fampihavanam-pirenena io raha ny fahitan’ny mpandinika politika azy.Izy rahateo dia anisan’ireo efa tafiditra ao amin’ny tantara politika eto sy ny tantaram-pirenena ka tsy afaka ny hoe hanilika ny rihitra any amin’ny hafa foana rehefa misy tsy fahombiazana fa tokony hanana toetrana mpitarika mahavita mampiombona ny Malagasy rehetra ; izay no maha filoha Ray amandrenin’ny Malagasy azy.

 

RTT 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana