Dans la męme rubrique

Fahasalamana, Politika, Toekarena Ho sarotra ny fanapahana !

04/04/2020

Hanao kabary amin’ny vahoaka Malagasy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina rahampitso alahady 4 aprily, momba ny fanapahan-kevitra lehibe taorian’ny fihibohana 15 andro.

Fahasalamana, Politika, Toekarena Ho sarotra ny fanapahana !

Hamaky ny tohiny...

Loholon` i Madagasikara Miantso fihaonana amin` ny Filoham-pirenena

04/04/2020

Ireo loholona, amin` ny alalan` ny filohany Rivo Rakotovao, dia niantso fihaonana amin` ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina.

Loholon` i Madagasikara Miantso fihaonana amin` ny Filoham-pirenena

Hamaky ny tohiny...

Ny Rado Rafalimanana Nidoboka eny Antanimora

03/04/2020

Nisy ny fisamborana an’Atoa Ny Rado Rafalimanana kandida ho filoham-pirenena teo aloha afak’omaly.

Ny Rado Rafalimanana Nidoboka eny Antanimora

Hamaky ny tohiny...

Antoko HVM Ataovy mangarahara ny fitantanana

03/04/2020

Miatrika fotoan-tsraotra ny firenena ankehitriny. Manoloana izany, ny antoko Hery Vaovaon I Madagasikara (HVM) dia hitondra izay voatsirambin` ny tanana ho fanampiana ny mpiray tanindrazana manoloana ity ady iombonana ity.

Antoko HVM Ataovy mangarahara ny fitantanana

Hamaky ny tohiny...

Ny Rado Rafalimanana Nobedain’ny zandary teny Ivato

02/04/2020

Nisy ny fisamborana an’Atoa Ny Rado Rafalimanana kandida ho filoham-pirenena teo aloha omaly. Tonga teny amin'ny CCI Ivato izy omaly maraina, nitondra ny zaodahiny avy any an-dafy atao fitiliana mikasika ny Covid-19 teny an-toerana.

Ny Rado Rafalimanana Nobedain’ny zandary teny Ivato

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina “Tena sarotra ny manapa-kevitra…”

02/04/2020

Nametraka ny lamina rehetra saingy tsy vitan’ny mpitondra irery. Ny 12 andro manaraka dia tanjona ny hoe mba ho betsaka indray ny olona sitrana.

Andry Rajoelina “Tena sarotra ny manapa-kevitra…”

Hamaky ny tohiny...

K3 F Miantso ireo mpanao politika tsy hanararaotra ny “coronavirus”

02/04/2020

Nitondra hafatra ho an’ny tompon’andraikitra eto amin’ny firenena sy ho an’ny olom-pirenena sy ny vahoaka ny Komitin'ny Fahamarinana sy Fandriampahalemana ary Fiadanana (K3F) manoloana izao loza mihatra

K3 F Miantso ireo mpanao politika tsy hanararaotra ny “coronavirus”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Arizaka Rabekoto Raoul Tany Mayotte no nahitana azy farany

18/03/2020

Niakatra fitsarana omaly ireo lehilahy efatra voapanga nanampy ny filohan` ny federasiona Malagasy (FMF) ny baolina kitra, Arizaka Rabekoto Raoul, izay nandositra tany Mayotte ny volana febroary lasa teo.

 

 

 

Ny iray amin` izy ireo dia vinanto lahy ary teo amin’ity nosy voalaza teo ity koa, raha ny fanazavan’ny mpisolovava no voambara ho nahitan’io vinanton’io ity filohan’ny FMF ity farany. Ny iray hafa dia mpampanofa fiarakodia nitondra azy. Ary ny roa ambiny dia voalaza fa nitondra ny sambo haingam-pandeha. Taorian` ny fihainoan` ny mpitsara an` ireo voapanga sy ny mpiaro azy dia nilaza ny mpitsara fa ny 24 martsa no hivoaka ny didy. Nilaza ho afa-po tamin` ny fandehan-draharaha ny Maitre Willy Razafinjatovo na Maitre Olala satria nalalaka, nadio ary tsy nisy fanelingelenana. Ireo olona nadinina rahateo aza afaka nanazava tsara izay zavatra nisy. Ekena fa ny vinanto dia zanaka akaiky kanefa voalaza amin` ny fehezan-dalàna famaizana andininy faha 61, andalana faha 3, fa tsy azo enjehina ny zanaka na hatramin` ny ambaratonga faha-4 (4è degré). Ny vinanto rahateo dia mbola “1er degré”. Tsy azo atao izany na atao hoe “excuse absolutoire”, hoy ny Maitre Olala, raha nanampy ny rafozany ka nahafantatra fa efa  nisy ny IST na tsia dia efa arovan` ny lalàna foana izy. Marihina fa tsy mbola niditra am-ponja izy ireo saingy notazomina tany Ambanja kosa fa voalaza fa “atteinte à la sureté de l`Etat » izany kanefa “complicité d`evasion” no niampangana azy. Midika izany fa kitotoa ny fanenjehana, hoy hatrany ny mpisolovava. Etsy ankilany, milaza tsy nahalala sy tsy nahita ny filohan`ny FMF ireo mpitondra vedety.  Fangatahana ny fampitsaharana ny fanenjehana no nataon` ny fiarovana, raha ny fanazavan` ny Maitre Olala hatrany.

 

Marigny A. sy J. Mirija

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana