Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fitrandrahana ao Ambatovy Hiala an-daharana ny Sherrit…

16/03/2020

Nambaran’ny fampahalalam-baovao vahiny iray, fa hangoron’entana hiala ao Ambatovy ny orinasa Kanadianina Sherrit,

 

 

izay manana ny 12% amin’ny petra-bola amin’ny fitrandrahana nikela sy kobalta ao amin’ity orinasa goavana ity, raha fanapahan-kevitra noraisina satria tsy mahasehaka ny vola natontona ny famokarana nikela sy kobalta, raha ny fanazavan’ny Talen’ny fifandraisana amin’ny mpampiasa vola sy ny serasera Joe Racanelli. Mahatratra 33.733 taonina anefa ny nikela efa voakirakira ary 2900 taonina ny kobalta tao Ambatovy ny taona 2019. Ny fatiantoky ny orinasa noho ny antony maro, toy ny fitotonganan’ny vidin’ny nikela no antony. Ny famarotana ny anjara petra-bola sy asany na ny “action” ao anatin’Ambatovy no heverin’ny Sherrit fa vahaolana. Kendrena ho vita hatramin’ny 30 aprily ny fifanarahana mikasika an’izay, ka ny fahavitan’io fialany io dia hampihena ny trosan’ny Sherrit manodidina ny 450 tapitrisa Euros. Isan’ny miantoka ny fitazonana ny sandam-bola sy ny toekarena eto Madagasikara ny orinasa lehibe tahaka an’Ambatovy. Anisan’ireo orinasa tsy miankina hahitana mpiasa betsaka indrindra eto Madagasikara i Ambatovy. Tafiakatra hatramin’ny 9900 ny asa mivantana haterany, ka 3600 mpiasa an’Ambatovy ary 6300 ny mpiantoka asa. 93% dia Malagasy avokoa. Hisy ny varavarana misokatra hatao etsy amin’ny Gara Soarano ny 26 martsa-04 aprily izao hampafahantarana bebe kokoa an’Ambatovy

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana