Dans la mme rubrique

Mponin’Antananarivo Misy eny amoron-dalana no mihiboka…

04/04/2020

Sady mahatsikaiky sy mahonena no mampanahy ihany koa ny zava-mitranga ao anatin’izao atao hoe fihibohana amin’ny ampahany na “confinement partiel”

Mponin’Antananarivo Misy eny amoron-dalana no mihiboka…

Hamaky ny tohiny...

Mampiasa hafetsena ny mpivarotra Miaka-bidy ny entana vao dify ireo mpanara-maso

04/04/2020

Tena marobe ireo olona manararaotra izao hamehana ara-pahasalamana eto amin’ny firenena izao.

Mampiasa hafetsena ny mpivarotra Miaka-bidy ny entana vao dify ireo mpanara-maso

Hamaky ny tohiny...

Vary mora Tsy mety voalamina fa an-kisisika foana

04/04/2020

Noho ny fidangan’ny vidim-bary eny an-tsena dia lasa manenjika ireo vary mora tonga eny amin’ny Fokontany avokoa ny ankamaroan’ny olona.

Vary mora Tsy mety voalamina fa an-kisisika foana

Hamaky ny tohiny...

Fikambanan’ny Banky Mitsinjo hatrany ireo mpanjifa

04/04/2020

Namoaka fanambarana ireo fikambanan’ny Banky mivondrona ao anatin’ny APB (Association Professionnelle des Banques)

Fikambanan’ny Banky Mitsinjo hatrany ireo mpanjifa

Hamaky ny tohiny...

Hamehana ara-pahasalamana Naangona vola 452.050 tapitrisa Ar ny Bngrc

04/04/2020

Betsaka ireo olona tonga manolotra izay foiny hanampiana ny mpiara-belona marefo na marary eto amin’ny firenena amin’izao fotoana hiparitahan’ny tsimok’aretina coronavirus eto amintsika izao.

Hamehana ara-pahasalamana Naangona vola 452.050 tapitrisa Ar ny Bngrc

Hamaky ny tohiny...

Laharana maintso 812 Andraisana ny fitarainan’ny mpanjifa

04/04/2020

Misy ny ivontoerana Connecteo izay natokan’ny Ministeran’ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asa tanana (MICA) handraisana ny laharana maintso 812 iantsoan’ny mpanjifa.

Laharana maintso 812 Andraisana ny fitarainan’ny mpanjifa

Hamaky ny tohiny...

ORINASA AFAKA HABA Miha vitsy ireo mpiasa mbola miasa

03/04/2020

Tsy manana fiara fitaterana ny ankamaroan’ireo orinasa afaka haba eto amintsika. Mandeha taxi-be avokoa ny mpiasa ao aminy izay tena nahatsiaro

ORINASA AFAKA HABA Miha vitsy ireo mpiasa mbola miasa

Hamaky ny tohiny...


Sosialy

Andro ratsy Voa mafy indray ny any Analanjirofo

16/03/2020

Omaly tamin’ny 3 ora tolakandro dia tany amin’ny 194 km Antsinanana somary Atsimon’Antalaha no nisy ny foiben’ilay rivodoza HEROLD, izay ao anatin’ny sokajy “forte tempête tropicale”.

 

102 Km/ora ny rivotra miaraka aminy izay arahina tafiotra 145 Km/ora. Manomboka misitaka tsikelikely ny morontsiraka Masoala i HEROLD. Efa hita fa mihena ny rotsakorana any amin’ny faritra Sava sy Analanjirofo ka noho izany dia mampihatra ny fepetra mahakasika ny filazana miloko manga ny Distrikan’Antalaha sy ny faritra Analanjirofo. Ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’ny Antsiranana sy Brickaville dia iangaviana hatrany mba tsy hiandriaka, hoy ny fampahafantarana. Niakatra ny rano tany amin’iny ilany antsinanan’ny Nosy iny. Tondraka ny ankamaroan’ny tanàna ao amin’ny distrikan’I Maroantsetra na efa somary nidina 15 hatramin’ny 10cm ny rano omaly tolakandro, ka somary sarotra ny nandresy ny vahoaka hiala ny tranony mba hamonjy ny toerana azo ialofana. Ny Ben'ny Tananan’ Anjanazana moa dia nitatitra sy nanentana ny vahoaka mba hitandrina, saingy 12 mahery kely no nanaiky namonjy ny sekoly tao Anteviala mba hialoka. Nanentana ry zareo mba ho mailo amin’ny mety ho fiakaran'ny rano ny ekipa satria mbola mitohy ny orana. Omaly anefa, dia fa tena niakatra be kokoa ny rano. Nidina nijery ny zava-nisy tany Ambodivoanio Kaominina Ambanivohitra Anjanazana, Distrikan’i Maroantsetra ny ekipan'ny manam-pahefana avy amin’ny CDGRC sy ny OMC ny sabotsy tolakandro. Nitarika ny delegasionina ny Lehiben'ny Distrika izay notronin'ny Ben'ny Tanànan’i Maroantsetra Renivohitra, ny Zandarimariam-pirenena, Polisim-pirenena, ny avy amin’ny fahasalamana, ny avy amin’ny fambolena, ary ny OSCs vitsivitsy. Tsy manana ny hoenti-mihetsika ny CDGRC fa fifanampiana no nahafahana nanao ny hetsika, raha ny fampitam-baovao.

 

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana