Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fiara Sprinter tsy nasiana « frein à main » 1 maty teo noho eo, 1 naratra

16/03/2020

Zazalahy iray maty teo noho eo, iray hafa naratra sy nentina haingana namonjy hopitaly ny andron’ny sabotsy maraina lasa teo teny Ambohitrarahaba,

 

 

 tamin’in fidinana mihazo ny Sekoly Paon d’or iny. Fiara marika Sprinter iray no namoa-doza, izay sokajiana ho noho ny tsy fitandremana. Nijanona teo amin’ny fidinana io fiara io, ka tsy nasiana “frein à main”, raha ny fanazavana. Nivoaka anefa ny mpamily hanala entana, ka nikorisa ny fiara, hany ka voafaoka ireo zaza roalahy teo aloha tsy nanam-po na inona na inona. Vetivety dia tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana, hany ka voasoroka ny fitsaram-bahoaka, na dia maro aza no efa nanomboka niaka-pofona, raha ny vaovao voaray mahakasika ity toe-javatra nampalahelo ity. Mirary fiononana ho an’ny fianankavian’ny namoy ny ainy. Ankoatra io, dia fiara sprinter iray mampitohy Antananarivo-Toliara ihany koa no nivadika tany amin’ny lalam-pirenena faha-7, sahabo ho 30 km tsy hidirana an’i Fianarantsoa ny sabotsy teo ihany, vokatry ny erik’andro. Teny am-piaingana teny amin’ny toby fiantsonana Fasankarana izy io dia efa voalaza fa nisy olana. Nitsikasina teo antsisin-dalana, izay soa ihany fa tsy nisy aina nafoy. Ireo naratra kosa nalefa tsaboina ao amin’ny hopitaliben’i Fianarantsoa.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana