Dans la męme rubrique

Volabe azon'i Madagasikara Misy resaka maro tsy mbola mazava

17/04/2020

Efa tsara aloha ilay nampahafantatra ny vola fanampiana azo mba hiatrehana ny covid 19.

Volabe azon'i Madagasikara Misy resaka maro tsy mbola mazava

Hamaky ny tohiny...

Hopitalim-panjakana ao Moramanga Nahazo fiara sy fitaovam-pitsaboana avy amin’Ambatovy

11/03/2020

Laharampahamehana voalohany ho an’Ambatovy ny fahasalamana sy ny fikojakojana ary ny fitandroana ny aroloza ka taratra ao anatin’ireo hetsika maro samihafa efa notanterahina ho fampandrosoana ireo faritra iasan’ny orinasa izany.

Hopitalim-panjakana ao Moramanga Nahazo fiara sy fitaovam-pitsaboana avy amin’Ambatovy

Hamaky ny tohiny...

TOLIARA Hahazo asa fivelomana maharitra ny vehivavy

09/03/2020

Tokony hiezaka hilofo amin’ny fianarana hatrany ny tovovavy fa tsy maimaika hiditra ao anaty tokantrano,

TOLIARA Hahazo asa fivelomana maharitra ny vehivavy

Hamaky ny tohiny...

Mpisehatra amin’ny harena ankibon’ny tany Niara-nientana namboly hazo

09/03/2020

Nanatontosa fambolen-kazo tao amin'ny kaominina ambanivohitra Ampitatafika, distrikan'Antanifotsy ireo mpandraharaha eo amin'ny

Mpisehatra amin’ny harena ankibon’ny tany Niara-nientana namboly hazo

Hamaky ny tohiny...

Fisondrotam-bidim-piainana Efa tena tsy zakan’ny mpanjifa intsony

06/03/2020

Nihamafy ny fidanganam-bidim-piainana ny taona 2020 ka tokony hampiharina haingana ny lalàna fiarovana ny mpanjifa, hoy ny filoha mpiaro ny zon’ny mpanjifa, Ralita. Ilaina,

Fisondrotam-bidim-piainana Efa tena tsy zakan’ny mpanjifa intsony

Hamaky ny tohiny...

Mpampiasa ny volam-panjakana Olana ny fahasarotan’ny lalàna

05/03/2020

Nifarana omaly ny atrikasa fanavaozana ny paikady amin’ny fitantanana ny volam-panjakana.

Mpampiasa ny volam-panjakana Olana ny fahasarotan’ny lalàna

Hamaky ny tohiny...

Fahantran’ny ankizy malagasy Refesina amin’ny teknika vaovao MODA

05/03/2020

Mikarakara atrikasa mandritra ny 2 andro ny Vondrona Iraisam-pirenena miaro ny ankizy sy ny zony (UNICEF) miaraka amin’ny INSTAT.

Fahantran’ny ankizy malagasy Refesina amin’ny teknika vaovao MODA

Hamaky ny tohiny...


Dossier

Tontolo Iainana Sendaotra ny minisitra Vahinala Raharinirina tany Toamasina

16/03/2020

Tamin’ny fitsidihan-dRtoa Vahinala Baomiavotse Raharinirina, Ministry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, ny orinasa HITA (Huilerie de Tamatave) no nanamarihany fa mbola misy ny ezaka ilaina hanajan'ity orinasa ity lamina takiana satria misy fofona hafahafa mivoaka ivelany,

 

 

 

 toa manepotra ny tanan'i Toamasina. Fidinana tampoka tsy nampandrenasana izy ity, taorin'ny fampahatsiahivina nataon'ny foibem-pitondram-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (DREDD) Atsinanana tamin’ny 2018. Tamin’ny famaranana ny fitsidihana, dia tezitra sy sendaotra ny minisitra raha nahita ny menaka maloto avy amin'ny faikan’akoranafo mivarina mandoto ny lakandranon’ny Pangalanes. "Tsy maintsy manao fanadiovana ireo orinasa tompon'antoka amin'izao toe-javatra izao", hoy Rtoa minisitra teo imason'ny Tale Jeneralin'ny HITA sy mpiara-misa aminy sy mpanao gazety maromaro. Nifampitafa sy nifampiresaka mivantana tamin’ny mponin’i Toamasina ny Minisitry tamin` io andro io. Tonga nanatrika izany tao amin’ny Lapan’ny Tanànan’i Toamasina ireo solontenan’ny mpitondra fanjakana ao an-toerana, ny fiarahamonim-pirenena, ny tanora izay maniry handray anjara amin’ny fikajiana ny tontolo iainana. Ny momba ny fandrosoana lovain-jafy no nifampiresahana, isan’izany ny tontolo iainana, ny fomba fanombanana ny fiantraikan’ny tetikasa iray eo amin’ny tontolo iainana, ny rano, ny fizahan-tany, ny toekarena manga, ny toekarena maitso.

 

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana