Dans la męme rubrique

BAR sy toeram-pisotroana Maro no mbola misokatra

03/04/2020

Mbola tsy voafehy ny fivarotana toaka eto Antananarivo satria tena maro no mbola misokatra ary maro be ihany koa ireo mpanjifa.

BAR sy toeram-pisotroana Maro no mbola misokatra

Hamaky ny tohiny...

Kaompaniam-piantohana Hahazaka ireo fatiantoka marobe ve ?

03/04/2020

Ny sehatra fiantohana dia afaka itarafana ny fandrosoan’ny toekarenan’ny firenena iray.

Kaompaniam-piantohana Hahazaka ireo fatiantoka marobe ve ?

Hamaky ny tohiny...

Fidiram-bola amin’ny fandaniana ara-tsosialy Nahena ny hetra alaina aminy

02/04/2020

Ho fampiharana ny fehezan-dalàna mifehy ny hetra sy ho fanatanterahana ny fanambarana mahakasika ny fahamehana ara-pahasalamana napetraka tamin’ny

Fidiram-bola amin’ny fandaniana ara-tsosialy Nahena ny hetra alaina aminy

Hamaky ny tohiny...

Sehatra tsy miankina Hampikatso tanteraka ny toekarena ny fitotonganan’ny asa

31/03/2020

Efa nisy ihany ny fitarainan’ireo fikambanan’ny Orinasa Afaka haba mahakasika ny fepetra misy ankehitriny dia ny fahamehana ara-pahasalamana.

Sehatra tsy miankina Hampikatso tanteraka ny toekarena ny fitotonganan’ny asa

Hamaky ny tohiny...

Fihariana anaty valan’aretina Misy ny maty antoka, ao koa ireo mahazo tombony

26/03/2020

Maro be ireo sehatra mahita faisana amin’ity aretina Coronavirus ity. Anisan’ny loha laharana amin’izany ireo mpisehatra rehetra amin’ny fizahantany.

Fihariana anaty valan’aretina Misy ny maty antoka, ao koa ireo mahazo tombony

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus Mafy ny krizy ara-toekarena aterany

26/03/2020

Saika ny krizy entin’ny aretina coronavirus avokoa ny firenena manerana ziao tontolo izao eny fan a ireo tsy ahitana ny valan’aretina aza nohon’ny fijanonan’ny fifanakalozana ara-barotra.

Coronavirus Mafy ny krizy ara-toekarena aterany

Hamaky ny tohiny...

Banky Foiben’i Madagasikara Mitohy ny asa aman’andraikitra

25/03/2020

Nanao fanambarana ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) fa mitohy hatrany ny asa aman’andraikiny na dia eo aza ny fisian’ny valan’aretina Coronavirus. Afaka mbola mamatsy vola hatrany izy ireo ho fampandrosoana ara-toekarena ary nanamafy ny tsy maintsy hiara-miasa amin’ireo mpisehatra amin’ny banky.

Banky Foiben’i Madagasikara Mitohy ny asa aman’andraikitra

Hamaky ny tohiny...


Toekarena

Coronavirus Miha miparitaka aty Afrika ihany koa

16/03/2020

200 ankehitriny ny olona voamarina fa voan’ny Coronavirus aty Afrika ary 6 no . Taorian’i Kenya sy Ethiopie sy i Rwanda no firenena farany hatry ny omaly alahady fantatra fa misy olona tratry ny otrikaretina Covid 19;

 

 

 

 ny 8 martsa no tonga tany Rwanda  tamina fiaramanidina avy any Bombay – Inde ny olona iray ary voamarina fa mitondra ny Coronavirus.Nofoanana avokoa ny hetsika mamory olona any amina firenena Afrikanina maro noho ity aretina ity mba hisorohana ny mety ho fiparitahany.Efa nandray fepetra fampiatoana ny fandraisana sidina avy any amin’ireo firenena eoropeanina sy aziatika misy ny Coronavirus ireo firenena Afrikanina ireo, saingy ny olana dia mety tsy mivantana avy any amin’ireo firenena ireo ilay olona mitondra ny otrikaretina fa mandeha fiaramanidina, na sambo na fiara ka mankany amina firenen-kafa aloha, tahaka ny hoe Inde na Maorisy..ka avy ao indray izy no mandray fiaramanidina mankany amina firenen-kafa…Eo no mila mailo ireo polisin’ny sisin-tany amin’ny fijerena tsara izay rehetra voasoratra ao amin’ny pasipaoriny satria tokony ho hita ao avokoa ireo firenena nolalovany.Fantatra fa efa hentitra amin’io fanarahamaso sy fitsirihana tsara ny pasipaoro io ny polisin’ny sisin-tany eto Madagasikara ary tsy tokony ho varimbariana mihitsy.Nametraka fepetra henjana ireo firenena eoropeanina toa an’I Frantsa, Italie, Espagne vantany vao nahafantatra tamin’ny volana febroary fa efa henjana ny fiantraikan’ny Coronavirus any Chine.Tafiditra tany amin’izy ireo ihany anefa ilay aretina ary tena nihazakazaka ny fiparitahany tao anatin’ny herinandro monja.Noho izany tena mila mailo isika eto Madagasikara ary mila hamafisina ny fampitam-baovao sy serasera hampahafantarana amin’ny olona rehetra monina eto Madagasikara fa tena misy ny Coronavirus, haingana ny fiparitahany ary tahaka izao sy izao no fihetsika sy fitandremana tokony atao.Fanentanana amin’ny haino amman-jery sy ny gazety, ny peta-drindrina isam-pokontany, amin’ny toerana ifamezivezen’ny olona, any amin’ny toeram-piasana sy ny fianarana isan-karazany, eny hatrany am-piangonana aza.Izany hoe izay toerana rehetra ifamezivezena. Ary raha ilaina dia  tsy tokony hisorona ny fitondram-panjakana  fa atao hentitra kokoa ny fepetra raisina.

 

RTT

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana