Dans la męme rubrique

Fahasalamana, Politika, Toekarena Ho sarotra ny fanapahana !

04/04/2020

Hanao kabary amin’ny vahoaka Malagasy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina rahampitso alahady 4 aprily, momba ny fanapahan-kevitra lehibe taorian’ny fihibohana 15 andro.

Fahasalamana, Politika, Toekarena Ho sarotra ny fanapahana !

Hamaky ny tohiny...

Loholon` i Madagasikara Miantso fihaonana amin` ny Filoham-pirenena

04/04/2020

Ireo loholona, amin` ny alalan` ny filohany Rivo Rakotovao, dia niantso fihaonana amin` ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina.

Loholon` i Madagasikara Miantso fihaonana amin` ny Filoham-pirenena

Hamaky ny tohiny...

Ny Rado Rafalimanana Nidoboka eny Antanimora

03/04/2020

Nisy ny fisamborana an’Atoa Ny Rado Rafalimanana kandida ho filoham-pirenena teo aloha afak’omaly.

Ny Rado Rafalimanana Nidoboka eny Antanimora

Hamaky ny tohiny...

Antoko HVM Ataovy mangarahara ny fitantanana

03/04/2020

Miatrika fotoan-tsraotra ny firenena ankehitriny. Manoloana izany, ny antoko Hery Vaovaon I Madagasikara (HVM) dia hitondra izay voatsirambin` ny tanana ho fanampiana ny mpiray tanindrazana manoloana ity ady iombonana ity.

Antoko HVM Ataovy mangarahara ny fitantanana

Hamaky ny tohiny...

Ny Rado Rafalimanana Nobedain’ny zandary teny Ivato

02/04/2020

Nisy ny fisamborana an’Atoa Ny Rado Rafalimanana kandida ho filoham-pirenena teo aloha omaly. Tonga teny amin'ny CCI Ivato izy omaly maraina, nitondra ny zaodahiny avy any an-dafy atao fitiliana mikasika ny Covid-19 teny an-toerana.

Ny Rado Rafalimanana Nobedain’ny zandary teny Ivato

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina “Tena sarotra ny manapa-kevitra…”

02/04/2020

Nametraka ny lamina rehetra saingy tsy vitan’ny mpitondra irery. Ny 12 andro manaraka dia tanjona ny hoe mba ho betsaka indray ny olona sitrana.

Andry Rajoelina “Tena sarotra ny manapa-kevitra…”

Hamaky ny tohiny...

K3 F Miantso ireo mpanao politika tsy hanararaotra ny “coronavirus”

02/04/2020

Nitondra hafatra ho an’ny tompon’andraikitra eto amin’ny firenena sy ho an’ny olom-pirenena sy ny vahoaka ny Komitin'ny Fahamarinana sy Fandriampahalemana ary Fiadanana (K3F) manoloana izao loza mihatra

K3 F Miantso ireo mpanao politika tsy hanararaotra ny “coronavirus”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Antenimierandoholona Andrimpanjakanan` ny fanoherana?

16/03/2020

Inona tokoa moa no tena anton` ireny fitsiriahana fitaovam-piadiana teny amin` ny Antenimierandoholona ireny?

 

 

 

Na dia dingana tsy maintsy arahina aza ireny hoy ny fampitam-baovao navoakan` ny ministeran` ny fiarovam-pirenena, mbola tsy mazava ity raharaha ity. Inona no tena ambadik’izany? Tsy fantatra aloha fa ankoatra ny olana ara-bola sedrain` ny fanjakana, dia  mety manahy ny mpitondra amin’izao fotoana fa sao hisy tranganà fanakorontanana ato ho ato ary manahy hatrany fanonganam-panjakana. Efa vaky rahateo ny ady eo amin`ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimierandoholona. Nilaza Tsimbazaza fa tsy namerina ara-potoana ireo volavolan-dalàna ny tetsy Anosikely. “Nefa misy ny indro kely: anisan` ny mampikatso ny volavolan-dalàna na tolo-dalàna eny anivon` ny parlemanta amin` izoa fotoana izao ny tsy fanajàna ny fivezivezen` ny volavolan-dalàna na tolo-dalàna eny amin` ny Antenimierandoholona. Saika mihitsoka eny amin` ny Antenimieranadohholona ny fandaniana izay avy eny anivon` ny Antenimieram-pirenena”. Ampahan` ny lahatenin` i Christine Razanamahasoa, filohan` ny Antenimieram-pirenena, nandritra ny fanokafana ny fivoriana tsy ara-potoana ny 4 martsa lasa teo. Noho izany, mitodika any amin` ny Antenimierandoholona ny vody basy satria ny filohany dia ao anatin` ny fanoherana izay miara-dia amin` ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM). Na dia misy aza izay fanakorontanana izay mianjady amin`ny fitondrana dia mbola tsy voaporofo ny tanjan` ny TIM sy HVM hatreto.

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana