Dans la męme rubrique

Mitaky fahamatorana

06/04/2020

Raha misy ny lesona iray tena lehibe tokony ho tsoahan’ny tsirairay, amin’izao fandalovan’ny Coronavirus izao na olom-pirenena io na mpitondra fanjakana dia ny fandaminana.

Mitaky fahamatorana

Hamaky ny tohiny...

Marimpana hafahafa

04/04/2020

Naman’ny atao hoe tontosa izany aloha izay ny andiany voalohany tamin’ny fisedran’i Madagasikara ny fihibohana an-trano hiarovan-tena amin’ny

Marimpana hafahafa

Hamaky ny tohiny...

Mampiroaroa saina

03/04/2020

Adihevitra hatrany am-piandohana ny momba ny fifehezana ny fidiran’ny valanaretina coronavirus, ka nivoahan’ny resaka fanakatonana sisin-tany na fampitsaharana ny sidina avy any Eoropa.

Mampiroaroa saina

Hamaky ny tohiny...

Aiza ny fihainoana ny hafa?

02/04/2020

Na dia miezaka ny mampitony sy mampiseho amin’ny vahoaka malagasy fa mahafehy an’ity fahavalom-pirenena iombonantsika ankehitriny ity aza ny

Aiza ny fihainoana ny hafa?

Hamaky ny tohiny...

Resy ny valalabemandry

01/04/2020

Roa herinandro latsaka kely izay no nihatra teto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ny hamehana ara-pahasalamana.

Resy ny valalabemandry

Hamaky ny tohiny...

An-tendro-molotra fotsiny ?

30/03/2020

Tsy andron’ny fifanomezan-tsiny intsony izao, hoy ny filoham-pirenena tamin’ny andro voalohany nanambarany fa tafiditra eto ity areti-mandripaka.

An-tendro-molotra fotsiny ?

Hamaky ny tohiny...

Ady mafy

28/03/2020

Aza heverina ho toy ny anaty fety na kermesy sy andro tsy iasana fa handraisan-karama isika, hoy ny minisitry ny atitany izay omaly.

Ady mafy

Hamaky ny tohiny...


Edito

Tantara mitohy

16/03/2020

Mihodinkodina amina lafin-javatra roa ny raharaham-pirenena, dia ny resaka olana tamin’ny fifidianana sy ny areti-mandripaka coronavirus.

 

 

 Nifantoka fatratra tamin’ity farany ny resaky ny filoha ny faran’ny herinandro teo, ary nisafidy ny tsy hiresaka ny lafiny politika. Tamin’ny ankampobeny, dia namaly ny fangatahan’ny besinimaro, indrindra fa ny mpisehatra amin’ny tambajotran-tserasera izay nahazo vavabe tamin’ny minisitra iray sy tompon’andraikitra ara-tserasera ambony iray. Toa nifandipatra tanteraka ny fanazavan’ny Filoha sy ny azy ireo, izay nisolo tena ny fanjakana. Asa nampijabahana ve izy ireo sa ny fifandraisana sy fandrindrana asa ao anaty fanjakana mihitsy no mikorontana? Tsy vao izao ny tranga toy izao fa efa matetitetika. Na izany aza, isan’ny fanapahan-kevitra nahazoan’ny filoha ankehitriny doka iny. Na izany aza mbola maro ny ahiahy. Tena manana fahafaha-manao fitiliana izany ve isika? Tena ampy ve ny serasera sy ny fampahafantarana ny vahoaka? Etsy ankilany, adinodino ny resaka karapanondro sy lisi-pifidianana miverin-droa, hany ka mihetsika sy miezaka mamoha an’io ny mpanohitra. Manao serasera mafy dia mafy, ary tena manenjana. Inona no hiafarany ? Hatraiza no ho fetran’ny fitakiana ? Any amin’ireo lafin-javatra ireo hatrany no hifantohan’ny sain’ny mpitondra sy ny mpanohitra. Fa mba ahoana ity resaka fidangan’ny vidim-piainana ity? Hatrany amin’ny sompitr’i Madagasikara aza efa manomboka midangana ny vidim-bary. Ny any atsinanana sy avaratry ny Nosy ihany koa io tra-doza noho ny andro ratsy indray. Ahoana indray ny fiatrehana an’ireny? Ho voavaha sy ho voafehy ve ireo olana mianjady? Toa tsy misy asa fampandrosoana vanona eto, fa toa mifantoka amin’ny vahaolana petatoko hatrany. Ny olana politika mbola vary mangatsiaka tsy miala ny fandravonana azy. Tantara mitohy!

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana