Dans la mme rubrique

Fahasalamana, Politika, Toekarena Ho sarotra ny fanapahana !

04/04/2020

Hanao kabary amin’ny vahoaka Malagasy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina rahampitso alahady 4 aprily, momba ny fanapahan-kevitra lehibe taorian’ny fihibohana 15 andro.

Fahasalamana, Politika, Toekarena Ho sarotra ny fanapahana !

Hamaky ny tohiny...

Loholon` i Madagasikara Miantso fihaonana amin` ny Filoham-pirenena

04/04/2020

Ireo loholona, amin` ny alalan` ny filohany Rivo Rakotovao, dia niantso fihaonana amin` ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina.

Loholon` i Madagasikara Miantso fihaonana amin` ny Filoham-pirenena

Hamaky ny tohiny...

Ny Rado Rafalimanana Nidoboka eny Antanimora

03/04/2020

Nisy ny fisamborana an’Atoa Ny Rado Rafalimanana kandida ho filoham-pirenena teo aloha afak’omaly.

Ny Rado Rafalimanana Nidoboka eny Antanimora

Hamaky ny tohiny...

Antoko HVM Ataovy mangarahara ny fitantanana

03/04/2020

Miatrika fotoan-tsraotra ny firenena ankehitriny. Manoloana izany, ny antoko Hery Vaovaon I Madagasikara (HVM) dia hitondra izay voatsirambin` ny tanana ho fanampiana ny mpiray tanindrazana manoloana ity ady iombonana ity.

Antoko HVM Ataovy mangarahara ny fitantanana

Hamaky ny tohiny...

Ny Rado Rafalimanana Nobedain’ny zandary teny Ivato

02/04/2020

Nisy ny fisamborana an’Atoa Ny Rado Rafalimanana kandida ho filoham-pirenena teo aloha omaly. Tonga teny amin'ny CCI Ivato izy omaly maraina, nitondra ny zaodahiny avy any an-dafy atao fitiliana mikasika ny Covid-19 teny an-toerana.

Ny Rado Rafalimanana Nobedain’ny zandary teny Ivato

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina “Tena sarotra ny manapa-kevitra…”

02/04/2020

Nametraka ny lamina rehetra saingy tsy vitan’ny mpitondra irery. Ny 12 andro manaraka dia tanjona ny hoe mba ho betsaka indray ny olona sitrana.

Andry Rajoelina “Tena sarotra ny manapa-kevitra…”

Hamaky ny tohiny...

K3 F Miantso ireo mpanao politika tsy hanararaotra ny “coronavirus”

02/04/2020

Nitondra hafatra ho an’ny tompon’andraikitra eto amin’ny firenena sy ho an’ny olom-pirenena sy ny vahoaka ny Komitin'ny Fahamarinana sy Fandriampahalemana ary Fiadanana (K3F) manoloana izao loza mihatra

K3 F Miantso ireo mpanao politika tsy hanararaotra ny “coronavirus”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Jimmy Randriantsoa “Mila fifanomezan-tànana ny fampandrosoana”

16/03/2020

Tontosa ny faran’ny herinandro teo tao amin’ny Planète M Alasora ny lanonana fisaorana sy fankasitrahana ny mpikatroka TIM sy ny vahoaka nampandany ny ben’ny tanàna Jimmy Randriantsoa teny amin’ny Kaominina Alasora.

 

 

Tafiditra ao anatin’ny fanomezana aina vao na “ Rédynamisation” ny TIM io, izay notronin’ny tompon’andraikitry ny seraseran’ny Antoko dia ny depiote Fidèle Razapiera, ary teo ihany koa ny depiote Gerry Andriambolaina izay mpiahy ny faritra Avaradrano misy ny kaominina Alasora rahateo. Nanamafy hatrany ireo fanamby 10 natao tamin'ny vahoaka ny ben’ny tanàna Jimmy Randriantsoa, toy ny famerenana amin’ny laoniny ny fandriampahalemana, ny toho-drano hampiakarana ny lentan’ny fambolena sy ny fiompiana; ny fampidirana rano fisotro madio sy ny fifehezana ny lafin’ny fahadiovana sy ny fidiovana; ny fanomezan-danja ny tanora sy ny fanatanjahantena ary ny fialam-boly; ny fanatsarana ny fampianarana amin’ny alalan’ny famatsiana “cantine scolaire” ireo sekoly mbola tsy manana izany, ny famahana ny olan’ny fitaterana sy ny lalana,… Nangataka fiaraha-miasa hatrany amin’ny rehetra ny ben’ny tanàna satria asa vadi-drano ny fampandrosoana ka tsy ho vita raha tsy ifanakonana. Tsy hanavahana loko politika ny fampandrosoana satria tanàna iaraha-manana Alasora.  “Hiasa isika, tena hiasa hahatonga an'Alasora ho tanàna iombonana maha te honina”, hoy i Jimmy Randriantsoa.

 

 

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana