Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Kaominin’i Ranomafana Mila avotana ny ala

11/03/2020

Tao amin’ny fokontanin’Ampasimpotsy no nankalazana ny andron’ny vehivavy na 8 martsa tao amin’ny kaominin’I Ranomafana, distrikan’I Brickaville.

 

 

Maro no fandaharam-potoana ary isan’ny nisongadina tamin’izany ny fambolen-kazo tamina veleran-tany mirefy 7ha. Manodidina ny 1500 isa kosa ny zanakazo voavoly, raha ny tatitry ny ben’ny tanana ao an-toerana, Barthelemy Samuel Ravelonasy. Ankoatr’izay dia nisy koa ny hetsika maro toy ny lalao baolina kitra ho an’ny vehivavy, ny vako-drazana niarahan’ireo vehivavy tao amin’ny fokontany miisa 9 mandrafitra ny kaominina, ny fiaraha-misakafo… Sambany no nisy fivoahana nisintaka lavitry ny renivohitry ny kaominina toy izao, ho an’ireo vehivavy, hoy hatrany ny ben’ny tanana. 8 km miala ny renivohitra moa no nivoahana. Antony dia satria tanjona ny hamerina an’I Madagasikara ho tontolo maitso, hoy izy, satria efa tapitra ny ala atsinanana na dia noheverina tsy ho tapitra intsony aza. An’arivony ireo vehivavy nandray anjara ary latsakembok’izy ireo no nahafahany nividy ireo fanamiana nitovy nanaovany. Ny fitaterana sy sakafo, izany hoe omby iray sy vary na toha-dRazana no tena niantohan’ny kaominina, hoy hatrany ny fanazavana. Tsy maintsy miahy ny sosialim-bahoaka ny kaominina. Isan’izany ny fanamboaran-dalana sy sekoly. Efa manano-sarotra anefa ankehitriny ny mahita hazo hanamboarana izany. Toy izany koa ny fahasahiranana amin’ny fitadiavan-kazo hanorenan’ireo mponina ny fonenany, hoy hatrany ny fanazavany. Izany no mahatonga anay tsy mitsahatra mamboly hazo. Mifanaraka amin’ny kaominina mihitsy ireo mponina fa ho fananan’ireo mponina mihitsy ireo hazo volena ao amin’ny taniny rehefa lehibe, hoy izy, raha nanamafy io filana ny fanavotana ny ala ao ranomafana io.

J. Mirija

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana