Dans la męme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanĂ na.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fandrobana teny Ilanivato Lehilahy iray maty, zaza roa voatifitra

11/03/2020

Nisehoana fanafihana andro mazava be teny amin-dry masera etsy Ilanivato Anosipatrana omaly manodidina ny tamin’ny 7ora sy sasany maraina.

 

 

 

Teo akaikin’ny vavahadin’ny sekolin-dry masera, no niseho ny fanafihana ka  Raim-pianakaviana, mpanao « cash point » handeha hanatitra ny zanany hianatra sady hiasa maraina no notifin’ireo olon-dratsy tsy nisaron-tava miisa  telo nitondra moto scooter. Voa vokatr’izany ity farany, bala niainga teo amin’ny sandriny, niazo ny fony no antony nahafaty azy. Nolalovan’ny bala koa teo amin’ny takolak’ilay zaza, zanak’ilay voatafika izay mpianatry ny kôlejy « La Réussite », izay mbola tsaboina eny amin’ny hopitaly. Lasan’ireo nahavanon-doza nandritra izany ny finday miisa efatra sy kahie tao anaty sakôsy, raha lasan’ireo olona tsy fantatra izay nibatabata ny razana, hoy ny fianakavian’ny maty ny lela-bola 8 tapitrisa Ar tao anatin’ny sac banane, teny am-balahan’Itompokolahy. Niparitaka noho ny tahotra ny mpandalo sy ireo mpanatitra mpianatra amin’ny sekoly manodidina. Henjana ny loharanom-baovaon’ireo olon-dratsy ankoatra ny fitaovam-piadiana hary fomba. Andro mazava be ny fanafihana ary tena sahy ireo jiolahy izay fantatra fa niaraka tamin’ny PA. Izay manelingelina tonga dia norarafany tifitra, hany ka miforitra ny olona, ary malalaka ny làlana fitsoahana. Mpianatry ry masera antsoina hoe : Henintsoa ihany koa moa no voatifitra teo amin’ny tongony ary mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hôpitaly HJRA hatramin’ny omaly.

Tsy maintsy asiana laharana ny scooter

Tonga teny Ilanivato ny mpitandro filaminana omaly manoloana io tranga io, saingy efa tsy hita popoka fa efa nadio ny rano nitan’ireo jiolahy. Araka ny baiko nomen’ny Praiminisitra kosa dia tsy maintsy hasiana laharana avokoa manomboka omaly ireo “moto scooter” satria ireny matetika no entin'ny jiolahy eto an-drenivohitra manao asa ratsy. Tena nirarakopana ny fanafihana mitam-piadiana, ka saiky ireny fitaovana ireny hatrany no nampiasain’ireo jiolahy tamin’ny fitsoahana. Tsiahivina moa fa bevohokabe efa miandry andro tokony ho teraka tamin’ny herinandro ny vadin’Itompokolahy.

Toky R sy Pati

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana