Dans la mme rubrique

Ketrika.com Efa manao « livraison » manakaiky hatrany ny mpanjifa

31/03/2020

www.ketrika. com fantatry ny besinimaro amin’ny anarana hoe « ketrika » dia tsy mena mitaha amin’ny hafa tokoa, raha ny eo amin’ny sehatry ny varotra an tserasera na ny « vente en ligne » no resahana.

Ketrika.com Efa manao « livraison » manakaiky hatrany ny mpanjifa

Hamaky ny tohiny...

Fitokonana sy fitakiana Mafana ny toe-draharaha any amin’ny faritany

31/03/2020

Nilahatra nitety tanàna ary avy eo nitokona nanoloana ny lapan'ny tanànan'i Toamasina avokoa omaly maraina ireo mpitondra tuk tuk any an-toerana.

Fitokonana sy fitakiana Mafana ny toe-draharaha any amin’ny faritany

Hamaky ny tohiny...

Haino aman-jery Manabe fa tsy mampiala voly fotsiny

31/03/2020

Amin` izao fihibohana izao dia ny haino aman-jery, indrindra ny televiziona, no sakaizan` ny isan-tokantrano.

Haino aman-jery Manabe fa tsy mampiala voly fotsiny

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina « Salama tsara aho… »

30/03/2020

Azo tsaboina tsara ny Coronavirus ka tsy tokony hampatahotra, fa ny fiparitahany be no manahirana, hoy ny Filoha Andry Rajoelina ny sabotsy teo.

Andry Rajoelina « Salama tsara aho… »

Hamaky ny tohiny...

Plan d’urgence sociale Mpamily sy resevera 1000 nahazo fanampiana

30/03/2020

Nanomboka ny sabotsy teo ny fizarana ny fanampiana ho an’ireo mpamily fiara karetsaka sy taxi-be ary ireo mpanampy azy eto amintsika tafiditra ao anatin’ilay plan d’urgence sociale,

Plan d’urgence sociale Mpamily sy resevera 1000 nahazo fanampiana

Hamaky ny tohiny...

Fahatsiarovana ny 29 martsa Hetsika tamim-pahanginana no natao

30/03/2020

Noho ny fepetra noraisina amin’ny tsy fahafaha-mivoaka, dia tsy nisy ny famoriam-bahoaka amin’ny fahatsiarovana ny 29 martsa.

Fahatsiarovana ny 29 martsa Hetsika tamim-pahanginana no natao

Hamaky ny tohiny...

Haino aman-jerin’i Onitiana Realy Nahazo taratasy fampitandremana

30/03/2020

Nanaovan'ny ministeran'ny serasera sy ny kolotsaina tarihin-dRamatoa Lalatiana Andriatongarivo fampitandremana na “Lettre de mise en demeure” ny haino

Haino aman-jerin’i Onitiana Realy Nahazo taratasy fampitandremana

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Tale jeneralin’ny Kraoma S.A “Lalaovin’ny mpanao politika ny tolona sendikaly”

11/03/2020

Nomarihin’ny tale jeneralin’ny orinasa Kraoma S.A, Nirina Rakotomanantsoa, tetsy Ampefiloha omaly fa ny karaman’ny mpiasa no olan’ny orinasa ankehitriny. Rariny, hoy izy, ny fitakian’ny mpiasa tao Brieville, momba izany.

 

 

 

Mafy izany tsy mandray karama 2 volana  izany. Hatreo dia tranga mahazatra izany, hoy hatrany ny tenany. Manomboka hafahafa kosa rehefa mivaona amin’izay fitakiana izay. Isan’izany, ohatra, ny fanontaniana hoe naninona no nisy ny fatiantoka hatramin’izay. Ny tena loza indrindra dia tsy asiana resaka mihitsy ny nahatonga ny Kraomita Malagasy ho toy izao. Tsy misy izay tsy mahalala anefa na ny any ivelany aza fa trosa 101 miliara ariary no nolovainay teto ary fatiantoka 39 miliara ariary. Novonoina ity orinasa ity, hoy izy, fa tsy misy miteny. Mody avadika endrika ilay tolona sendikaly hoe tsipaipaika hiakarana eto Antananarivo. Tonga teto omaly (TTF: afak’omaly) tsinona izy ireo, hoy izy. Firy anefa moa no tsipaipaika vitan’ny mpivarotra anana? Misy hery ao ambadika ao ary tsy vao omaly fa efa nanomboka tamin’ny febroary no tsy nitsahatra io fitakiana io. Lalaovin’ny mpanao politika ny tolona sendikaly. Lazaina fa tsy te hanala ny tale jeneraly na handoto ny kraoma kanefa miteny zavatra miiba momba ilay orinasa, hoy hatrany izy. Orinasa tsy miankina na “société anonyme” naorina ho orinasam-panjakana, izany hoe, nanjary “société d’Etat” ny orinasa Kraoma. Fantatra fa an’ny fanjakana ny harena ambanin’ny tany ary io harena ambanin’ny tany io no hampiasainay, izany hoe, trandrahana sy varotana. Fampandrosoana an’I Madagasikara izao no himasoana ary ny orinasa toy itony dia apetrakay mihitsy fa firenena kely, hoy ny tenany. Kraoma sy volamena no harena an-kibon’ny tany napetraka ho tantanin’ny kraomita Malagasy. Ao anatin’ireo ihany koa no tsy maintsy hijerena ny vahaolana. Mbola manapa-kevitra ny filan-kevim-pitantanana amin’izao fotoana izao saingy ho tazonina tsiambaratelo aloha izay. Ny hany azo ambara, hoy izy, dia tena misy ny vahaolana ary ho fantatra ato ho ato. Manoloana ny tsy fandraisan-karaman’ireo mpiasa kosa dia nisy ny ezaka nataon’ny minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika nidina tany Brieville nitondra vary 1 kitapo ho an’ny mpiasa tsirairay sy menaka ho fiarovana na “filet de sécurité” ho an’ireo mpiasa aloha.  

J. Mirija

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana