Dans la mme rubrique

Olana atrehan’ny firenena Izao no tena ilàna ireo mpanefoefo sy matanjaka

31/03/2020

Tena mafy amin’ny Malagasy ny fepetra raisina mba tsy hiparitahan’ny valan’aretina coronavirus.

Olana atrehan’ny firenena Izao no tena ilàna ireo mpanefoefo sy matanjaka

Hamaky ny tohiny...

Rina Ranaivo-Harisoa Ratsy mpanolotsaina ny filoha

30/03/2020

Mitondra ny fahitàny ny fivoaran` ny toe-draharaha eto amintsika ny mpahay lalàna no sady mpamakafaka politika, Rina Ranaivo-Harisoa, amin` izao fiatrehana ny COVID-19 izao.

Rina Ranaivo-Harisoa Ratsy mpanolotsaina ny filoha

Hamaky ny tohiny...

Rivo Rakotovao « Aleo isika vahoaka hanaiky ny fepetra rehetra”

28/03/2020

Nitondra hafatra ho an` ny vahoaka Malagasy ny filohan` ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao, manoloana ny fiatrehana ny areti- mandoza entin’ny Covid-19.

Rivo Rakotovao « Aleo isika vahoaka hanaiky ny fepetra rehetra”

Hamaky ny tohiny...

Filohan’ny Za’gasy Nisy nanafika tao Toliara

28/03/2020

Nanao antsoavo amin’ireo tompon’andraikim-panjakana ao Toliara ny filohan’ny fikambanana Za’gasy sahy mandroso, Jean Navandahy Ratiharison,

Filohan’ny Za’gasy Nisy nanafika tao Toliara

Hamaky ny tohiny...

Vokatra tsy tafavoaka Lasa feno mpivarotra amoron-dalana eny Ambatomirahavavy

28/03/2020

Satria tsy misy ny fitaterana toy ny Taksiborosy dia maro amin’ireo tantsaha mpamokatra mpampiaka-bokatra eto Antananarivo monina eny amin’iny

Vokatra tsy tafavoaka Lasa feno mpivarotra amoron-dalana eny Ambatomirahavavy

Hamaky ny tohiny...

Fanjakana sy Sehatra tsy miankina Nifanaraka fa tsy hisy fandroahana mpiasa

26/03/2020

Tsy maintsy hisy fiantraikany maro amin’ireo sehatra ara-toekarena eto amin’ny firenena ny fanapahan-kevitra noraisina indrindra ny amin’ny tsy fivoahana ny trano intsony.

Fanjakana sy Sehatra tsy miankina Nifanaraka fa tsy hisy fandroahana mpiasa

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina “10 andro sisa ny ady…”

26/03/2020

Toa mampihorohoro sy mampatahotra ny olona maneran-tany ny Coronavirus. Raha mikasika an’i Madagasikara manokana, dia vaovao mahafaly fa ny olona

Andry Rajoelina “10 andro sisa ny ady…”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Dr Randriamiarisoa Joseph “Fanjakana malemy amin’ny lafiny maro no misy eto”

11/03/2020

Tsy azo inoana ny ahatanteraka ny Drafitra PEM (Plan Emergence de Madagascar) sy ny IEM hoy ny Dr Randriamiarisoa Joseph mpikambana ao amin’ny Antoko Politika UNDD.

 

 

 

Tsy misy hevitra ijoroana sy mari-pototra akory ny mpitondra ankehitriny hoy ny tenany. Tsy ho vanona izany ny toekarena raha tsy tsara fototra ny Fanjakana mijoro. Tsy ahitana izany mihitsy mantsy ny fanjakana misy amin’izao fotoana izao hoy hatrany ny tenany. Na ny fandaminana atao eto aza tsy misy fotony ary kitoatoa avokoa na ireo heverina ho fototry ny toekarena tahaka ny fanabeazana sy ny fahasalamana. Ankoatr’izay dia tsy mahay mijery ny laharam-pahamehana ny mpitondra. Raha tsy hiteny fotsiny ireo tsy mahay mamaky teny sy manoratra ary ireo tsy mianatra marobe eto Madagasikara izay tokony hatao vain-dohan-draharaha ny fampidirana azy ireny an-tsekoly sy ny fanamboarana EPP. Tahaka izany ihany koa ny sehatra fahasalamana izay mitotongana hatrany ary tsy misy fivoarana mihitsy. Mampahalemy ny fanjakana ihany koa ny fahavitsian’ireo mpiasam-panjakana manao ny andraikitra hoy Dr Joseph. Raha ny eto amin’ny firenena dia fonksionera 8 no miandraikitra olona miisa 1000. Any amin’ny tany mandroso anefa dia miisa 90 farafahakeliny ny mpiasam-panjakana  miandraikitra olona 1000 izany.

Ilaina ny fanaovana Audit ny CENI

Betsaka loatra ny kitoatoa sy ny tsy fahaiza-manao nisy teo anivon’ny CENI ary mampametra-panontaniana mihitsy ny amin’ny fomba fiasa natao tao. Ny fifidianana no fototry ny demokrasia sy ny fanjakana nefa tsy nandeha tamin’izay laoniny. Izany rehetra izany no efa mahatonga ny mpifidy ho kamo. Nanambara araka izany ity mpikambana ao amin’ny UNDD ity fa tokony atao ny Audit tamin’ny asa nataon’ny CENI na tamin’ny fomba fiasa ankapobeny na ny ara-bola satria tsy nahavita ny asany io vaomiera io. Amin’izao ihany koa dia tsapa fa tsy mari-pototra ary tsy mety ny fototra nametrahana ny CENI ka tsy azo atokisana io voamiera io. Vokatr’izany dia tsy azo atokisana ny voka-pifidianana rehetra nataony. Diso hatrany am-boalohany mihitsy tamin’ny famoronana ny CENI ary izany no ilàna ny fihavanam-pirenena izay takian’ny UNDD hatramin’izay mba tsy hiverina intsony ny krizy tahaka izao.

Tsirinasolo

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana