Dans la mme rubrique

Olana atrehan’ny firenena Izao no tena ilàna ireo mpanefoefo sy matanjaka

31/03/2020

Tena mafy amin’ny Malagasy ny fepetra raisina mba tsy hiparitahan’ny valan’aretina coronavirus.

Olana atrehan’ny firenena Izao no tena ilàna ireo mpanefoefo sy matanjaka

Hamaky ny tohiny...

Rina Ranaivo-Harisoa Ratsy mpanolotsaina ny filoha

30/03/2020

Mitondra ny fahitàny ny fivoaran` ny toe-draharaha eto amintsika ny mpahay lalàna no sady mpamakafaka politika, Rina Ranaivo-Harisoa, amin` izao fiatrehana ny COVID-19 izao.

Rina Ranaivo-Harisoa Ratsy mpanolotsaina ny filoha

Hamaky ny tohiny...

Rivo Rakotovao « Aleo isika vahoaka hanaiky ny fepetra rehetra”

28/03/2020

Nitondra hafatra ho an` ny vahoaka Malagasy ny filohan` ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao, manoloana ny fiatrehana ny areti- mandoza entin’ny Covid-19.

Rivo Rakotovao « Aleo isika vahoaka hanaiky ny fepetra rehetra”

Hamaky ny tohiny...

Filohan’ny Za’gasy Nisy nanafika tao Toliara

28/03/2020

Nanao antsoavo amin’ireo tompon’andraikim-panjakana ao Toliara ny filohan’ny fikambanana Za’gasy sahy mandroso, Jean Navandahy Ratiharison,

Filohan’ny Za’gasy Nisy nanafika tao Toliara

Hamaky ny tohiny...

Vokatra tsy tafavoaka Lasa feno mpivarotra amoron-dalana eny Ambatomirahavavy

28/03/2020

Satria tsy misy ny fitaterana toy ny Taksiborosy dia maro amin’ireo tantsaha mpamokatra mpampiaka-bokatra eto Antananarivo monina eny amin’iny

Vokatra tsy tafavoaka Lasa feno mpivarotra amoron-dalana eny Ambatomirahavavy

Hamaky ny tohiny...

Fanjakana sy Sehatra tsy miankina Nifanaraka fa tsy hisy fandroahana mpiasa

26/03/2020

Tsy maintsy hisy fiantraikany maro amin’ireo sehatra ara-toekarena eto amin’ny firenena ny fanapahan-kevitra noraisina indrindra ny amin’ny tsy fivoahana ny trano intsony.

Fanjakana sy Sehatra tsy miankina Nifanaraka fa tsy hisy fandroahana mpiasa

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina “10 andro sisa ny ady…”

26/03/2020

Toa mampihorohoro sy mampatahotra ny olona maneran-tany ny Coronavirus. Raha mikasika an’i Madagasikara manokana, dia vaovao mahafaly fa ny olona

Andry Rajoelina “10 andro sisa ny ady…”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Marc Ravalomanana “Sakano aloha ireo sidina avy any Eoropa”

11/03/2020

Nitondra fanairana manoloana ny fihanaky ny valan’aretina Coronavirus mamely izao tontolo izao ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana.

 

 

 

Tokony manaraka tsara ny vaovao iraisam-pirenena isika, fa ho tara eto raha hiolonolona fotsiny. Tena andraikitra lehiben’ny mpitondra ny miaro ny Malagasy. Ny olona rehetra efa samy mifehy ny firenena, mba tsy hihanaka ao amin’ny fireneny io aretina io. Tena zava-doza satria ny firenena matanjaka tahaka ny Amerikanina aza voany. Isika anefa sady tsy ampy vola no tsy ampy fitaovana no tsy ampy mpitsabo. Isika anefa mbola mamela ihany ireo sidina avy any ivelany mankaty. Gaga aho mahita izany. Iza no milaza amintsika fa tsy tafiditra eto. Ahoana no hilazana fa tsisy ny avy any Italie miditra eto, ireo sidina avy any Eoropa mbola miditra eto. Mila miaro ny vahoaka sy ny fananany. Eto aho dia miteny amin’ny maha raiamandreny sy tompon’andraikitra satria mbola tsy nitranga tamin’izay io aretin-doza io, hoy i Marc Ravalomanana. Tsy misy azo atao, mbola tsisy fanefitra, ka dia miantso ny tompon’andraikitra ao amin’ny fahasalamana mba hanao izay azo hatao mba handresy lahatra ireo kaompania mba tsy hampidirina eto intsony, indrindra fa ny avy any Eoropa. Ampahafantaro ny olona, fa aza afenimpenina, hoy izy. Raha ny vaovao azo omaly, dia hanome 3,7 tapitrisa dolara ny Banky iraisam-pirenena hanampiana ny ezaka hisorohana ny Coronavirus tsy hiditra eto Madagasikara.

Firenena 102 no efa tratra

4011 no efa maty, 111 000 ny trangan’aretina voamarina, 102 ny firenena efa ahitana azy. Maherin’ny 80 800 ny sehon’aretina voamarina, ary tafiakatra 3 122 ny maty any Chine. Hatrany amin’ny 70% mahery na izany aza ny tahan’ireo voa tafavoaka velona nandresy ny aretina any amin’ity firenena nipoiran’ny Coronavirus ity. Tafiakatra 463 ny maty any Italie, ary 9172 ny trangan’aretina voamarina. 237 ny maty tany Iran, ary 7161 no voa. 54 hatramain’izao ny maty any Korea Atsimo, ary 7478 no voa ; 28 ny isan’ny namoy ny ainy any Espagne, ary olona 1204 no voa; 25 ny maty ho an’i Frantsa ary 1412 ny trangan’aretina voamarina, 1 kosa ho an’i Allemangne, ary 1100 ny tranga voamarina, raha toa ka 708 ny tranga voamarina ho an’i Etazonia ary efa tafiakatra 27 no namoy ny ainy. Fahafatesana voalohany taty Afrika kosa ilay tany Egipta, izay mpizaha tany Alemà iray no namoy ny ainy.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana