Dans la mme rubrique

Ekipan'ny tottenham Manao fanazara-tena amin'ny video

03/04/2020

Na eo aza ny fihibohana amina firenena maro maneran-tany tsy hahafahana miasa

Ekipan'ny tottenham Manao fanazara-tena amin'ny video

Hamaky ny tohiny...

PSG France Nandray fepetra amin'ireo mpilalao tanora

03/04/2020

Nandray fepetra matotra amin'ireo mpilalao tanora ao aminy noho ny fiantraikan'ilay coronavirus any aminy ny ekipa mpanao baolina malaza PSG any Frantsa.

PSG France Nandray fepetra amin'ireo mpilalao tanora

Hamaky ny tohiny...

Papa Diouf – Olympique de Marseille Lavon'ny coronavirus

02/04/2020

Lavon'ny coronavirus teo amin'ny faha-68 taonany tamin'ny talata 31 martsa 2020 lasa teo tany Dakar Sénégal ilay filohan'ny klioba OM

Papa Diouf – Olympique de Marseille Lavon'ny coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Bundesliga Alemana Nanampy ara-bola an'ireo ekipa madinika ireo klioba vaventy miisa 4

02/04/2020

Raha miatrika fahasahiranana ara-bola goavana avokoa ny ankamaroan'ireo klioba fanta-daza any Eoropa any ankehitriny ka

Bundesliga Alemana Nanampy ara-bola an'ireo ekipa madinika ireo klioba vaventy miisa 4

Hamaky ny tohiny...

Basket-ball - fivorian'ny BC FIBA Maro ireo fanapahan-kevitra nivoaka

01/04/2020

Fanapahan-kevitra vitsivitsy no noraisin'ny birao foiben'ny FIBA nivory tamin'ny alalan'ny videoconference niainga avy any amin'ny foiben'ny "Maison du Basketball Patrick Baumann" foiben'ny FIBA maneran-tany tamin'ny faha-26 sy 27 martsa lasa teo.

Basket-ball - fivorian'ny BC FIBA Maro ireo fanapahan-kevitra nivoaka

Hamaky ny tohiny...

NICOLAS DUPUIS Mianatra voambolana malagasy 10 isan'andro

31/03/2020

Famakiam-boky sy fianarana manokana ny teny Malagasy no anisany andanian'ilay mpanazatra ny BAREA, Nicolas Dupuis, andro amin'ny fiatrehana ny fihibohana an-trano na "confinement" ankehitriny.

NICOLAS DUPUIS Mianatra voambolana malagasy 10 isan'andro

Hamaky ny tohiny...

Fanamiana vaovaon’ny Barea Tsy mifanara-tsaina sahady ireo komity

31/03/2020

Variana amin’ny fiparitahan’ny Coronavirus izao tontolo izao sy isika malagasy fa ny eo anivon’ny federasionina malagasin’ny baolina kitra koa amin’izao fotoana izao dia efa tonga amin’ilay hira hoe “mandeha ny mandeha”

Fanamiana vaovaon’ny Barea Tsy mifanara-tsaina sahady ireo komity

Hamaky ny tohiny...


Sport

Maison des jeunes Ankilifaly Toliara Nohavaozina sy nomena endrika vaovao

10/03/2020

Notokanana tamin’ny 7 martsa 2020 teo ny asa fanavaozana natao tao amin’ny « Maison de jeunes Ankilifaly »

 

Toliara vokatry ny fifandrimbonan’ny fikambanana FITIA naorin-dRtoa Mialy Rajoelina vadin’ny filoham-pirenena Malagasy sy ny MJS tarihan’ny minisitra Tinoka Roberto ary ny UNFRA MADAGASCAR tarihan’ny solontena maharitra eto amintsika, Atoa  Constant Serge BOUNDA. Nisy ny hafatra manokana nataon-dRtoa Mialy Rajoelina ho an’ny tanora Malagasy tamin’izany dia ny hoe : « Tanora vavy sy lahy samy hanana ny maha izy azy any aoriana any sy tsy hiroso amin'ny fanambadiana aloha loatra no tanjona nanaovana an'izao rehetra izao».
«Maison des jeunes» manara-penitra sy mamaly ny filàn'ireo tanora ary mifanaraka amin'ny vanin'andro ankehitriny ity nohavaozina ao Ankilifaly Toliara ity.
Ahitana efitra vaovao izay toerana fianarana zaitra sy taovolo hanamarihana ny maha zava-dehibe ny fanampiana ny vehivavy mba ho afaka hioitra amin'ny fiainana ao amin’ity toerana ity.
Nohavaozina ihany koa ny kianja filalaovam-baolina basikety izay lasa ho «Terrain mixte» ho azon'ny taranja maro hampiasaina. Ahitana ny  C@net na «Centre d’accès à l’internet» miaraka amin’ny fitaovana hari-fomba manana hafainganana « 4G »vokatry ny fiaraha-miasa ny fikambanana Fitia sy ny Orange ary Huawei koa ny toerana ihany koa ao aminy.

Tsy nohadinoin-dRamatoa Mialy Rajoelina ihany koa ireo fikambanam-behivavy any an-toerana  ka notolorany milina fanjairana niisa 20 fa nifanandrify tamin’ny andron’ny 8 martsa 2020 rahateo ny fitokanana.

 

 

Ntsoavina Evariste

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana