Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

EPP Anketa Toliara Ankizy 6 amin’ny 1.134 manana fahasembanana

10/03/2020

Anisan’ny manahirana indrindra an’ireo ray aman-dreny manan-janaka manana fahasembanana ny mahita sekoly hianaran-janany. Misy ihany anefa ireo sekoly ambaratonga fototra miankina amin’ny fanjakana no manaiky handray azy ireny.

 

Ao amin’ny EPP Anketa Toliara I izao dia mpianatra miisa 6 amin’ireo 1.134 beazina ao no manana fahasembanana. Tany am-boalohany, araka ny fanazavan-dRtoa Rasoarilalao Clarisse Auguste, talen’ity EPP ity, dia nisy tamin’ireo mpiara-mianatra no nanilika ary nisy ihany koa ireo ray aman-dreny no tsy nanaiky ny hampianarana ny zanany miaraka amin’ny ankizy sembana. Vokatr’izay dia nisy ny fanentanana natao, ka nilamina ihany izany taty aoriana. Sekoly anisan’ny notsidihan’ny mpikambana ao anatin’ny “Autisme Madagascar”, tamin’iny herinandro lasa iny ny EPP Anketa. Natombok’izy ireo tao Antsirabe aloha ny dia, ka nisy ny fizahana (pré-bilan), natao tamin’ny ankizy miisa 17, ny sabotsy 29 febroary. Ny 7 amin’ireo no heverina fa ôtista. Nitohy tany Toliara ny asan’ny fikambanana “Autisme Madagascar”, ka ny talata 3 martsa dia nitsidika ny Centre Mahalomba ao Toliara Centre izy ireo, ivontoerana mandray an’ireo zaza manana olana, toy ny ôtista sy ny “trisomique”. Ivontoerana vao nisokatra tamin’ity taona ity moa izy io ary ankizy 15 isa no raisina an-tanana ao amin’izao fotoana izao. Ny alarobia 4 martsa kosa no nanatanteraka fanofanana mpampianatra sy ray aman-dreny tao amin’ny EPP Anketa ny “Autisme Madagascar”. Olona miisa 50 no nisitraka an’izany. Marihina fa tafiditra ao anatin’ilay hetsika antsoina hoe : “Opération Blue”, tohanan’ny Groupe Filatex izao dia nianatsimo notontosain’ny fikambanana “Autisme Madagascar” izao.

 

 Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana