Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

IKALAMAVONY Omena tohana ny vehivavy, ho avy tsy ho ela ny jiro

10/03/2020

Betsaka ireo vehivavy sy renim-pianakaviana mila fanampiana any amin’ny distrikan’Ikalamavony.

 

Miparitaka anefa izy ireny fa tsy mivondrona anaty fikambanana, antony nanentanan-dRtoa Raharimampionona, solombavambahoaka voafidy any an-toerana azy ireo mba hivondrona anaty fikambanana hahafahana manampy azy ireny. Anisan’ireny ny fanomezana fiofanana, ny fitadiavana famatsiam-bola hahafahan’izy ireny mivelatra hanatsarany ny fidiram-bolany ao an-tokantranony. Fantatra izany nandritra ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny vehivavy izay natao tany an-toerana afak’omaly alahady. Famohamandry no nisantarana izany ka nozaraina lambahoany miisa 3.000 ireo mpandray anjara mba hosalorany amin’ny fotoana mahamety azy. Hisy moa ny hetsika izay kasaina hatao any an-toerana ny faran'ny volana jolay ho avy izao  izay hampitondraina ny anarana hoe  : SAOBOKATSA  entina manandratra sy mamerina ny hasin'ny disitrikan'Ikalamavony  eo amin'ny lafiny kolontsaina, toekarena, fanatanjahantena ary ara-barotra. Mandritra ny 5 andro no heverina fa hanatanterahana izany dia ny 28 jolay ka hatramin’ny 2 aogositra ho avy izao. Mikasika ny jiro manazava  ny tanàna izay mampitaraina ny mponina moa dia fantatra fa efa niresaka tamin’ny JIRAMA sy ny minisitry ny angovo ity solombavambahoaka ity ary ho avy hidina ifotony ireto farany hijery ny zava-misy.

 

Pati

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana