Dans la mme rubrique

Ketrika.com Fihenam-bidy goavana hatramin’ny 50%

10/04/2020

Nanomboka ny 09 aprily ny “vente flash” miavaka izay atolotry ny www.ketrika.com ho an’íreo mpanjifa .

Ketrika.com Fihenam-bidy goavana hatramin’ny 50%

Hamaky ny tohiny...

Orinasa Mpampindram-bola madinika Izay vola tena sahaza no homena ny mpanjifa

10/04/2020

Nanentana ny mpanjifany ireo Orinasa mpampindram-bola madinika (IMF) ny mba haka vola amin’izay tena sahaza fa tsy hanao mihoatra ho fifampitsinjovana.

Orinasa Mpampindram-bola madinika Izay vola tena sahaza no homena ny mpanjifa

Hamaky ny tohiny...

Olana ara-toekarena Nanome toky fanjakana fa hanohana ny sehatra tsy miankina

09/04/2020

Hiara-hiasa akaiky ary hifanampy sy hifameno ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana hanavotana ny toekarena izay mitotongana hatrany noho ny fisian’ny valanaretina Corona virus.

Olana ara-toekarena Nanome toky fanjakana fa hanohana ny sehatra tsy miankina

Hamaky ny tohiny...

Fepetra ara-toekarena Miandry ny tena fampiharana azy ireo mpandraharaha

08/04/2020

Maro ireo mpandraharaha eto amin` ny firenena no miandry tohana avy amin` ny governemanta manoloana ny fiparitahan` ny aretina Covid-19.

Fepetra ara-toekarena Miandry ny tena fampiharana azy ireo mpandraharaha

Hamaky ny tohiny...

Call Center Miditra anaty krizy ihany koa

08/04/2020

Saika miroso tsikelikely anaty krizy avokoa ireo orinasa misy ankehitriny. Amin’izao fotoana izao dia efa tsy maintsy nirosoana ny fanenana mpiasa amin’ireo orinasa Call Center sasany.

Call Center Miditra anaty krizy ihany koa

Hamaky ny tohiny...

Fanarenana ny toekarena Afaka 2 na 3 taona vao tokony handoa hetra ny Orinasa Malagasy

07/04/2020

Mila fepetra mafy sy matotra avy amin’ny fanjakana ny fanarenana ny toekarena indrindra aorian’ny mety ho fifehezana ny valan’aretina coronavirus.

Fanarenana ny toekarena Afaka 2 na 3 taona vao tokony handoa hetra ny Orinasa Malagasy

Hamaky ny tohiny...

Tahirim-bola Iraisam-pirenena Hanafoana ny trosa amin’ireo firenena afrikana tena marefo

07/04/2020

3,8% ny fitomboana ara-toekarena novinavinaina ho an’i Afrika tamin’ity taona 2020 ity.

Tahirim-bola Iraisam-pirenena Hanafoana ny trosa amin’ireo firenena afrikana tena marefo

Hamaky ny tohiny...


Toekarena

Firenena manankarena solika Efa mitady lalam-pihariana hafa

10/03/2020

Nidina hatrany amin’ny 30% ny vidin’ny solika teo amin’ny tsena iraisam-pienena omaly , raha 50 dolara ny 1 barila tamin’ny volana febroary dia tafiditra

 

hatrany amin’ny ny 30,88 dolara izany omaly.Anton’io moa ny fihenan’ny fanjifana noho ny aretina Coronavirus .Etsy ankilan’izay dia   manomboka mitady seham-pihariana hafa amin’izao fotoana izao ireo firenena manankarena solika. Ity farany izay sokajiana ho harena tsy afaka havaozina sy manam-pahataperana ny solikaary fotoana kely sy voafetra ihany  ny ananan’izao tontolo izao azy. Mahakasika izany indrindra dia efa mandray fepetra ny any Koweit sy Arabie Saoudite. Manomboka  mijery  zavatra hafa hampandrosoana ny toekareny izy ireo ary manao ezaka mafy amin’ny fiampitana haingana amin’ny angovo azo avaozina. I Dubai moa dia iaraha-mahalala fa nilofo mafy tamin’ny sehatra fizahan-tany ary tafavoaka mihitsy satria niteraka harena be ho azy indray  io sehatra io. rah any eto Madagasikara dia efa mampikolay hatrany ny maro hatreto ny didin-tsolika satria tsy misy mihitsy ny fifaninanana amin’ireo mpamatsy ny solika izay mifanaraka mivarotra mitovy sy lafo hatrany. Efa misy ny fanentanana ny amin’ny tokony hampiroboroboana sy hitodiana amin’ireo angovo azo avaozina sy tsy mety tapitra tahaka ny masoandro, ny riovotra ary ny rano izay ananan’ny firenena Malagasy. Hatreto anefa dia vitsy hatrany ny miroso sy resy lahatra ny amin’ny fampiasana ny angovo azo avaozina. Ankoatr’izay dia tokony hiezaka mitrandraka sehatra hafa mba ho tombony ho amin’ny firenena i Madagasikara tahaka ireo firenena manankarena solika izay mahafantatra fa ho lany sy mety ritra izany atsy ho atsy. Mila mandray lesona i Madagasikara ny amin’ny sehatra fambolena izay ilofosana mafy nefa hatreto tsy mahatafavoaka. 

 

Tsirinasolo

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana