Dans la mme rubrique

Ketrika.com Fihenam-bidy goavana hatramin’ny 50%

10/04/2020

Nanomboka ny 09 aprily ny “vente flash” miavaka izay atolotry ny www.ketrika.com ho an’íreo mpanjifa .

Ketrika.com Fihenam-bidy goavana hatramin’ny 50%

Hamaky ny tohiny...

Orinasa Mpampindram-bola madinika Izay vola tena sahaza no homena ny mpanjifa

10/04/2020

Nanentana ny mpanjifany ireo Orinasa mpampindram-bola madinika (IMF) ny mba haka vola amin’izay tena sahaza fa tsy hanao mihoatra ho fifampitsinjovana.

Orinasa Mpampindram-bola madinika Izay vola tena sahaza no homena ny mpanjifa

Hamaky ny tohiny...

Olana ara-toekarena Nanome toky fanjakana fa hanohana ny sehatra tsy miankina

09/04/2020

Hiara-hiasa akaiky ary hifanampy sy hifameno ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana hanavotana ny toekarena izay mitotongana hatrany noho ny fisian’ny valanaretina Corona virus.

Olana ara-toekarena Nanome toky fanjakana fa hanohana ny sehatra tsy miankina

Hamaky ny tohiny...

Fepetra ara-toekarena Miandry ny tena fampiharana azy ireo mpandraharaha

08/04/2020

Maro ireo mpandraharaha eto amin` ny firenena no miandry tohana avy amin` ny governemanta manoloana ny fiparitahan` ny aretina Covid-19.

Fepetra ara-toekarena Miandry ny tena fampiharana azy ireo mpandraharaha

Hamaky ny tohiny...

Call Center Miditra anaty krizy ihany koa

08/04/2020

Saika miroso tsikelikely anaty krizy avokoa ireo orinasa misy ankehitriny. Amin’izao fotoana izao dia efa tsy maintsy nirosoana ny fanenana mpiasa amin’ireo orinasa Call Center sasany.

Call Center Miditra anaty krizy ihany koa

Hamaky ny tohiny...

Fanarenana ny toekarena Afaka 2 na 3 taona vao tokony handoa hetra ny Orinasa Malagasy

07/04/2020

Mila fepetra mafy sy matotra avy amin’ny fanjakana ny fanarenana ny toekarena indrindra aorian’ny mety ho fifehezana ny valan’aretina coronavirus.

Fanarenana ny toekarena Afaka 2 na 3 taona vao tokony handoa hetra ny Orinasa Malagasy

Hamaky ny tohiny...

Tahirim-bola Iraisam-pirenena Hanafoana ny trosa amin’ireo firenena afrikana tena marefo

07/04/2020

3,8% ny fitomboana ara-toekarena novinavinaina ho an’i Afrika tamin’ity taona 2020 ity.

Tahirim-bola Iraisam-pirenena Hanafoana ny trosa amin’ireo firenena afrikana tena marefo

Hamaky ny tohiny...


Toekarena

Aretina Coronavirus Manomboka miantraika amin’ny toekaren’i Afrika

10/03/2020

Na dia mbola vitsy aza ny olona voakasiky ny aretina Coronavirus aty Afrika dia efa misy akony ratsy amin’ny toekarena amin’ireo firenena afrikana maro ny vokatry ny valanaretina.

 

 

Ny fifanakalozana ara-barotra  amin'ny Azia dia efa manomboka mihisatra tanteraka. Raha ny any Afrika Atsimo ohatra dia hihemotra hatrany ny fandefasana ireo vokatra fambolena fanondrana mahazatra araka ny nambaran’ireo matihanina amin’io sehatra io. Ny ampahefatry ny fanondranana ny vokatra mahakasika ny fambolena ataon’i Afrika Atsimo anefa dia raisin’ny any Azia avokoa. Etsy an-daniny, efa nihena hatrany amin’ny 35% ny famarotana ny diamondra ataon’ny orinasa De Beers izay sinoa ny ankamaroan’ny mpanjifa. Raha ny any Cameroun indray dia manomboka miakatra ny vidin’ny trondro satria noraràna ny fanafarana sy ny fidiran’ny trondro avy any Sina noho ny tahotra ny aretina. Eo ihany koa ny kojakoja ilaina amin’ny moto sy ny moto mihitsy izay tsy tonga any Cameroun intsony noho ny fikatonan’ny orinasa maro any Sina. Raha mbola mitohy ny fanapahana ny fifandraisana amin’i Sina dia tombanana hahatratra hatrany amin’ny 400 tapitrisa dolara eo ny fantiantoky ny kaompaniam-pitateram-piaramanidina afrikanina. Anisan’ny voakasika ihany koa ny toekaren’i Gabon sy Congo amin’ireo fepetra mafy tsy maintsy noraisina ny amin’ny fitaterana an-dranomasina. Eo ihany koa ny fanafoanana ilay hetsika lehibe CEO Forum tokony hatao any Abidjan manomboka anio saingy nahemotra amin’ny fotoana tsy fantatra noho ny Coronavirus. Mahakasika an’i Nizeria indray dia efa feno fanahiana ny amin’ny ho mety fitotongan’ny vidina solika izy ireo satria tamin’ny herinandro lasa teo dia efa nihena hatrany amin’ny 15% ny vola niditra. Na i Madagasikara aza dia efa hita ho voakasika ihany koa satria maro be ireo mpandraharaha tokony hivezivezy mankany Sina kanefa tsy lasa  ary efa velon-taraina ny amin’ny fatiantoka aterak’ity aretina Coronavirus ity  .

Tsirinasolo

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana