Dans la męme rubrique

Rina Ranaivo-Harisoa Ratsy mpanolotsaina ny filoha

30/03/2020

Mitondra ny fahitĂ ny ny fivoaran` ny toe-draharaha eto amintsika ny mpahay lalĂ na no sady mpamakafaka politika, Rina Ranaivo-Harisoa, amin` izao fiatrehana ny COVID-19 izao.

Rina Ranaivo-Harisoa Ratsy mpanolotsaina ny filoha

Hamaky ny tohiny...

Rivo Rakotovao « Aleo isika vahoaka hanaiky ny fepetra rehetra”

28/03/2020

Nitondra hafatra ho an` ny vahoaka Malagasy ny filohan` ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao, manoloana ny fiatrehana ny areti- mandoza entin’ny Covid-19.

Rivo Rakotovao « Aleo isika vahoaka hanaiky ny fepetra rehetra”

Hamaky ny tohiny...

Filohan’ny Za’gasy Nisy nanafika tao Toliara

28/03/2020

Nanao antsoavo amin’ireo tompon’andraikim-panjakana ao Toliara ny filohan’ny fikambanana Za’gasy sahy mandroso, Jean Navandahy Ratiharison,

Filohan’ny Za’gasy Nisy nanafika tao Toliara

Hamaky ny tohiny...

Vokatra tsy tafavoaka Lasa feno mpivarotra amoron-dalana eny Ambatomirahavavy

28/03/2020

Satria tsy misy ny fitaterana toy ny Taksiborosy dia maro amin’ireo tantsaha mpamokatra mpampiaka-bokatra eto Antananarivo monina eny amin’iny

Vokatra tsy tafavoaka Lasa feno mpivarotra amoron-dalana eny Ambatomirahavavy

Hamaky ny tohiny...

Fanjakana sy Sehatra tsy miankina Nifanaraka fa tsy hisy fandroahana mpiasa

26/03/2020

Tsy maintsy hisy fiantraikany maro amin’ireo sehatra ara-toekarena eto amin’ny firenena ny fanapahan-kevitra noraisina indrindra ny amin’ny tsy fivoahana ny trano intsony.

Fanjakana sy Sehatra tsy miankina Nifanaraka fa tsy hisy fandroahana mpiasa

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina “10 andro sisa ny ady…”

26/03/2020

Toa mampihorohoro sy mampatahotra ny olona maneran-tany ny Coronavirus. Raha mikasika an’i Madagasikara manokana, dia vaovao mahafaly fa ny olona

Andry Rajoelina “10 andro sisa ny ady…”

Hamaky ny tohiny...

Hanitra Razafimanantsoa “Tsy hanavahana ny fepetra raisina”

24/03/2020

“3 no narary ny zoma , 12 "cas confirmés" sahady ny alahady. Ireo aloha no azon' ny Filoha notenenina”hoy ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa. Mipetraka kosa ny fanontaniana, hoy izy:

Hanitra Razafimanantsoa “Tsy hanavahana ny fepetra raisina”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Niasa tamina antontan-kevitra diso Tsy ho afa-bela ihany koa ny HCC

10/03/2020

Na inona na inona resaka sy tatitra nataon'ny CENI dia tsy mba nanao fandinihana sy fikarohana lalina mihitsy ve ny HCC amin'ny maha mpitsara azy fa dia mionona amin'ny fandraisana taratasy nomena azy ?

 

 

 Ny lisi-pifidianana aza feno tsy fetezana kanefa nifaka tamin’izay ny fanapahan-kevitry ny HCC. Raha vao tahirin-kevitra na “document de base” niasana avy any amin’ny CENI dia efa tsy azo antoka, raha halalinina ny zava-nisy. Ny filoha lefitry ny CENI no nesorina mba ho famonoana afo na “fusible” eo anatrehan’ny fiakaran’ny maripana politika. Samy nandentika azy ny rehetra ao anaty fanjakana. Tonga hatramin’ny hoe : tsy tenin’ny CENI ireny nambarany ireny fa tenina olona iray ao anatiny. Ny Filoha lefitry ny CENI anefa hatrizay no sahy sedra sy nijoro niaro io rafitra io, fa tsy nisitritsitrika tahaka ireo mpikambana hafa. Tsy nisy sahy nijoro hatrizay fa amin’ny anaran’ny teniny manokana no nitenenan’io Filoha lefitra io, fa niseho iny resaka “doublons” namatotra ny rehetra iny vao nanala tena ny rehetra. Tsy misy porofo mazava hoentin’ny fanjakana sy ny CENI maneho fa tena madio sy mangarahara ny fikirakirana ny fifidianana teto. Ny fivoizana fanakorontanana no ezahina hasisika. Maninona ny CENI no tsy sahy hatramin’izao nanao ny fampitahana ireo lisitry ny mpifidy voasonia ? Nahoana no tsy miteny tsy mivolana ny HCC taorian’ny ampamoaka ? Tsy hanana fahamarinan-toerana ara-politika intsony ny fitondram-panjakana Rajoelina. Sarotra ny manarina an’io. Somary mangingina ny raharaha, saingy misoko miadana ny toe-javatra mampalemy hatrany ny fanjakana. Tonga hatrany amin’ny sehatra iraisam-pirenena izay mijery antsika akaiky ny raharaha. Ho kofona tanteraka ny fitondrana, izay toa miezaka manangam-bovona anefa. Ho vitan’ny HCC izay nametraka azy teo ve ny hiaro hatramin’ny farany ny fahefam-panjakana mitsingilahila ?

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana