Dans la mme rubrique

Komity loharano Lasa mampisavorovoro fokontany

10/04/2020

Sosotra sy tezitra ireo mponina teny Masinandriana Avaradrano satria nambaran’izy ireo fa kiantrano an-trano izay tsy izy ny fananganana ny komity

Komity loharano Lasa mampisavorovoro fokontany

Hamaky ny tohiny...

Fiara mifono vy sy basy Izay ve no vahaolana mety indrindra ?

10/04/2020

Hita fa tsy misangy tokoa ny fanjakana ka namoaka ireo fiara mifono vy amin’izao hamehana ara-pahasalamana eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’I Madagasikara izao.

Fiara mifono vy sy basy Izay ve no vahaolana mety indrindra ?

Hamaky ny tohiny...

Hetsika Rohy “Tsy ekena ny fanagadrana mpanao gazety »

09/04/2020

Ny Hetsiky ny Firaisamonim-pirenena ROHY dia maneho etoana ny tsy fankasitrahany manoloana ny fitazonana amponja an-dRamatoa Rahelisoa Arphine,

Hetsika Rohy “Tsy ekena ny fanagadrana mpanao gazety »

Hamaky ny tohiny...

Mpanao gazety Arphine Helisoa Naverin’ny fitsarana any am-ponja

09/04/2020

Taorian’ny fampakarana ny raharaha sy ny fangatahana famotsorana vonjimaika ny mpanao gazety,

Mpanao gazety Arphine Helisoa Naverin’ny fitsarana any am-ponja

Hamaky ny tohiny...

Naina Andriantsitohaina “Mila olom-baovao ny firenena…”

08/04/2020

Araka ny voalazan’ny Filohan’ny Repoblika, dia hapetraka ny komity « Loharano » eny anivon’ny Fokontany sy ny « secteurs ».

Naina Andriantsitohaina “Mila olom-baovao ny firenena…”

Hamaky ny tohiny...

Antoko Natiora “Nijoro ho Raiamandreny ny filoha Ravalomanana.”

08/04/2020

Ireny fijoroan’ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, ireny no atao hoe fijoroana Raiamandreny, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora, Mihari-Ni-Rencho, raha naneho ny heviny mikasika ny fivahinianan’ity filoham-pirenena teo aloha tamina fahitalavitra tsy miankina iray.

Antoko Natiora “Nijoro ho Raiamandreny ny filoha Ravalomanana.”

Hamaky ny tohiny...

Mbola Rajaonah Natoka-monina tanteraka …

07/04/2020

Re fa novaina ny toerana izay ipetrahan’i Mbola Rajaonah ao amin’ny fonjan’i Tsiafahy.

Mbola Rajaonah Natoka-monina tanteraka …

Hamaky ny tohiny...


Politique

« Doublons » sy CIN sandoka Fa azo atao tsara ve izany ny mandika lalàna e ?

10/03/2020

Naneho ny heviny mahakasika ny fanambarana nataon’ny CENI i Fernand Cello, kandidà ben’ny tanàna farany teo.

 Efa fanaon’ny mpanao politika hatramin’izay io resaka “doublons” sy kara-panondro (CIN) sandoka io ary saika ahitana tahak’izao avokoa any amin’ny faritra rehetra eto Madagasikara. Ny taona 2015 no nahatratra CIN sandoka 500 mahery ny kaomisaria Ranohira ,izay nataon’ny lehiben’ny fokontany sy kandida hilatsaka hofidina tao Ilakaka. Ankehitriny,  lasa ben’ny tanàna lefitra ireo lehiben’ny fokontany ireo ary nezahina nasitrika io raharaha io. Nametraka fitoriana teny amin’ny fampanoavana saingy tsy nisy tohiny kanefa dia nisy porofo avokoa ireo kara-panondro sandoka. Nandefa vadintany izahay tamin’izany ,ary niaiky ireo olona ireo fa tsy azy io kara-panondro io fa sandoka kasaina hampiasaina amin’ny fifidianana, hoy hatrany i Fernand Cello. Nandritra ny fifidianana kaominaly farany teo indray dia mbola niparitaka ny CIN sandoka ,ary manana porofo be dia be ihany koa ny kandidà rehetra nilatsaka hofidina tao Ilakaka. Nilaza ny OMC fa handray fepetra hentitra,saingy nanjavona sy nangina tanteraka ny raharaha. Fehiny, hoy ity mpanao gazety ity, raha mbola fifidianana karakarain’ny CENI eto Madagasikara dia tsy hanjary,ary raha tsy misy fandraisan’ny olom-pirenena andraikitra dieny izao , ny eo ihany no ho eo ka ho potika ny hoavin’ny taranaka any aoriana. Azo atao tsara izany ny mandika lalàna raha ireo zavatra avoakako eto ireo, hoy ny fanazavana.

 

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana