Dans la męme rubrique

Komity loharano Lasa mampisavorovoro fokontany

10/04/2020

Sosotra sy tezitra ireo mponina teny Masinandriana Avaradrano satria nambaran’izy ireo fa kiantrano an-trano izay tsy izy ny fananganana ny komity

Komity loharano Lasa mampisavorovoro fokontany

Hamaky ny tohiny...

Fiara mifono vy sy basy Izay ve no vahaolana mety indrindra ?

10/04/2020

Hita fa tsy misangy tokoa ny fanjakana ka namoaka ireo fiara mifono vy amin’izao hamehana ara-pahasalamana eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’I Madagasikara izao.

Fiara mifono vy sy basy Izay ve no vahaolana mety indrindra ?

Hamaky ny tohiny...

Hetsika Rohy “Tsy ekena ny fanagadrana mpanao gazety »

09/04/2020

Ny Hetsiky ny Firaisamonim-pirenena ROHY dia maneho etoana ny tsy fankasitrahany manoloana ny fitazonana amponja an-dRamatoa Rahelisoa Arphine,

Hetsika Rohy “Tsy ekena ny fanagadrana mpanao gazety »

Hamaky ny tohiny...

Mpanao gazety Arphine Helisoa Naverin’ny fitsarana any am-ponja

09/04/2020

Taorian’ny fampakarana ny raharaha sy ny fangatahana famotsorana vonjimaika ny mpanao gazety,

Mpanao gazety Arphine Helisoa Naverin’ny fitsarana any am-ponja

Hamaky ny tohiny...

Naina Andriantsitohaina “Mila olom-baovao ny firenena…”

08/04/2020

Araka ny voalazan’ny Filohan’ny Repoblika, dia hapetraka ny komity « Loharano » eny anivon’ny Fokontany sy ny « secteurs ».

Naina Andriantsitohaina “Mila olom-baovao ny firenena…”

Hamaky ny tohiny...

Antoko Natiora “Nijoro ho Raiamandreny ny filoha Ravalomanana.”

08/04/2020

Ireny fijoroan’ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, ireny no atao hoe fijoroana Raiamandreny, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora, Mihari-Ni-Rencho, raha naneho ny heviny mikasika ny fivahinianan’ity filoham-pirenena teo aloha tamina fahitalavitra tsy miankina iray.

Antoko Natiora “Nijoro ho Raiamandreny ny filoha Ravalomanana.”

Hamaky ny tohiny...

Mbola Rajaonah Natoka-monina tanteraka …

07/04/2020

Re fa novaina ny toerana izay ipetrahan’i Mbola Rajaonah ao amin’ny fonjan’i Tsiafahy.

Mbola Rajaonah Natoka-monina tanteraka …

Hamaky ny tohiny...


Politique

Antenimierandoholona Hanaovana adihevitra lalina ireo didy hitsivolana

10/03/2020

Efa tonga eny amin`ny Antenimierandoholona ireo didy hitsivolana taorian`ny nandanian`ny Antenimieram-pirenena izany.

 

 

Tsy hitovy ny fomba fiasan’ny roa tonta fa hanao adihevitra lalina ireo didy hitsivolana. Tsy nanisy adihevitra amin`ny vontoatiny ny depiote noho ireo hitsivolana efa nahazo ny fankatoavan`ny HCC ary efa navoaka rahateo ireo didy, araka ny lahatenin`ny filohany, Chrisitine Razanamahasoa, nandritra ny fanokafana ny fivoriana tsy ara-potoana ny 4 martsa lasa teo. Fomba arahina amin`ny fankatoavana no hataon`ny depiote amin`izao fivoriana tsy ara-potoana izao. Tsiahivina fa iray andro no nandaniana lalàna sivy tao Tsimbazaza. Nanamafy ny filohan`ny sena Rivo Rakotovao fa  manaja ny fenitra repoblikanina amin`ny fampandehanana anatiny ny asan`ny loholona . Misy, hoy izy, senatera sasany miteny fa dingan-dava fotsiny ny ao amin`ny sénat fa ny HVM no ao. Diso izany ka aleo aloha miala vao miteny fa hihomezan`ny olona fotsiny. Nambarany hatrany fa manahirana ny zava-misy ankehitriny mahakasika ireo hitsivolana satria misy natambatra. Ny hitsivolana and. Voalohany, ohatra, dia misy ny lalàna mifehy ny harena ankibon`ny tany sy ny tontolon`ny sarimihetsika kanefa zavatra tsy hifandraisany mihitsy. Mampametra-panontaniana ihany hoe hay ve nandray hitsivolana amin`ny lalàna mifehy ny harena ankibon`ny tany noraisin`ny filoham-pirenena ? Noho izany, tsy maintsy hirosoana ny fanadihadiana lalina, hoy hatrany ny fanazavana. Omaly moa ny fandinihana ireo lahadinika hodinihina sy holaniana amin’izao fivoriana tsy ara-potoana izao.

 

Marigny A.

  

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana