Dans la mme rubrique

KMF-CNOE “Fiara-mientana no ahombiazana!”

28/03/2020

Namoaka fanambarana ny KMF/CNOE-Fanabeazana Olompirenena manoloana ny aretin-mandoza “coronavirus” izao. Voalohany,mbola manamafy hatrany

KMF-CNOE “Fiara-mientana no ahombiazana!”

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny atitany Niantso fahamatorana ho an’ireo sehatra tsy miankina

27/03/2020

Aoka isika mba ho matotra, hoy ny minisitry ny atitany, Tianarivelo Razafimahefa, omaly mantsy ireo sehatra tsy miankina mbola voatery manohy ny fampiodinana

Minisitry ny atitany Niantso fahamatorana ho an’ireo sehatra tsy miankina

Hamaky ny tohiny...

Fahafahan’ny mpanao gazety mivezivezy Nifampiresaka tamin’ny minisitera ny OJM

27/03/2020

Malalaka manomboka izao ny mpanao gazety amin’ny fikaroham-baovao, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny sekretera jeneralin’ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara (OJM),

Fahafahan’ny mpanao gazety mivezivezy Nifampiresaka tamin’ny minisitera ny OJM

Hamaky ny tohiny...

Paikady sy serasera Misy fomba fiasa tokony amboarina ihany

27/03/2020

Niteraka resabe sahady omaly ny mikasika ny fanomezana 5 tapitrisa ariary izay manome vaovao na mahatratra ilay vehivavy nolazaina fa nanely tsaho raha nilaza fa efa maherin’ny 200 isa no voan’ny Coronavirus eto Madagasikara.

Paikady sy serasera Misy fomba fiasa tokony amboarina ihany

Hamaky ny tohiny...

Vahoaka malagasy Mitady ho mandrimandry manana aretina sahady

27/03/2020

Andro fahaefatra amin’ny fihibohana, andro iray taorian’ny nilazan’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, fa tsy nahitana tranga vaovao intsony taorian’ireo olona nitondra ny otrikaretina

Vahoaka malagasy Mitady ho mandrimandry manana aretina sahady

Hamaky ny tohiny...

Halatra finday sy vola Nidoboka eny Antanimora ilay jiolahy tsy ampy taona

26/03/2020

Nalefa eny Antanimora Lehilahy iray 17 taona no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny Boriborintany faha-07 etsy 67Ha noho ny resaka fanendahana.

Halatra finday sy vola Nidoboka eny Antanimora ilay jiolahy tsy ampy taona

Hamaky ny tohiny...

Kaominina ivato Zaraina cache bouche sy gel maimaim-poana ny vahoaka

26/03/2020

Zaraina cache bouche sy gel maimaim-poana fanadiovana tanana tsy mandany rano reo vahoaka ao amin'ny kaominina Ivato.

Kaominina ivato Zaraina cache bouche sy gel maimaim-poana ny vahoaka

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Noho ny Coronavirus Voasakana ny sambo lehibe Costa Mediterranea

09/03/2020

Ny volana oktobra 2019 ny sambo Costa Mediteranea no efa tonga taty amin’ny Ranomasimbe Indianina, ary efa nitsidika an’i Madagasikara dia tao Toamasina, Nosy Be, Antsiranana.

 

 

 Nisy olana anefa ny tokony hiantsonany tao ny faran’ny herinandro teo noho ny ahiahy Coronavirus. Tsy ho tonga ao Toamasina ihany koa izy anio alatsinainy 9 martsa rehefa avy nolavin'ny manampahefana tao Nosy be ny zoma lasa teo ka nandray fanapahan-kevitra ny hitodi-doha avy hatrany any amin’ny nosy Seychelles ny tompon'andraikitry ny sambo. Mitondra mpizahatany 2000 mahery, ka nanomboka ny oktobra 2019, dia nitety ireo Nosy aty amin’ny ranomasimbe Indianina ka nivezivezy  tany La Réunion, Maurice, Seychelles ary Madagasikara. Raha ny fanazavana dia ao amin’ny Nosy La Réunion sy Nosy Maurice no fandraisany sy fampidinany ny mpizahatany ka misy ireo tonga amin’ny fiaramanidina avy any amin’ny misy azy, tahaka ny any Eoropa. Maro koa ireo teratany Réunionais sy Mauriciens. Hentitra dia hentitra ny fandraisana ny olona eo am-piondranana sy ny fepetra eo amin’ny fidinany amin’ny seranan-tsambo rehetra, ary amin’ireo Nosy izay tsidihana hatreto dia tsy misy trangana coronavirus na iray aza. Tsy noraisina mihitsy ireo teratany avy amin’ny Firenena izay ahitana ny firongatry ny aretina, raha ny fanazavana. Na izany aza, mailo sy mihorohoro ny rehetra eo anatrehan’ny Coronavirus, ka niafara tamin’ny fanakanana ity sambo ity. 9 amin’ny toerana 10 hotsidihiny no vita.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana