Dans la mme rubrique

Espana sy Etazonia Mitombo be ireo tsy an’asa

03/04/2020

Nitombo 300 000 ny isan’ireo tsy an’asa any Espana ary amin’izao fotoana izao dia miisa 6 600 000 izay manome 10% amin’ny vahoaka amerikana no tsy miasa.

Espana sy Etazonia Mitombo be ireo tsy an’asa

Hamaky ny tohiny...

Philippine Tifirina ho faty izay tsy manaja ny fihibohana

03/04/2020

Maherin’ny 50 000 ny maty maneran-tany, ary ary efa maherin’ny 1 tapitrisa ny olona voamarina fa tratry ny Covid 19, ka ny 500 000 amin’ireo dia any Eoropa avokoa. Mbola ho sarotra ny ady, raha jerena amin’ny fitomboan’ny olona maty, indrindra ireo any amin’ireo ivon’ny aretina amin’izao fotoana izao. Voasokajy ho krizy mafy indrindra teto ambonin’ny tany taorian’ny ady lehibe faharoa no lalovan’izao tontolo izao ankehitriny.

Philippine Tifirina ho faty izay tsy manaja ny fihibohana

Hamaky ny tohiny...

NEW YORK Lasa fandraisana marary ny complexe us open

01/04/2020

Mba hanampiana ny hopitaly any New York amin’ny fikarakarana ireo olona voan'ny coronavirus dia navadika vonjimaika handraisana an'ireo marary hafa ny "Complexe Us Open" any an-toerana.

NEW YORK Lasa fandraisana marary ny complexe us open

Hamaky ny tohiny...

Rwanda Aterina isan-tokatrano ny vatsy tsinjo

30/03/2020

Mbola manaporofo hatrany ny maha mpitarika (leader) azy ny filoham-pirenena any Rwanda, Paul Kagame.

Rwanda Aterina isan-tokatrano ny vatsy tsinjo

Hamaky ny tohiny...

Tanàna any Sina Afaka hifamezivezena amin` izay afa-tsy Wuhan sy Hubei

27/03/2020

Na dia nihena aza ny herin` ny aretina “coronavirus » any Sina, dia miahiahy indray ireo manampahefana sinoa amin' ny fahatongavan' ireo zotra an`habakabaka avy any ivelany.

Tanàna any Sina Afaka hifamezivezena amin` izay afa-tsy Wuhan sy Hubei

Hamaky ny tohiny...

CORONAVIRUS MANERAN-TANY 2700 MAHERY NO MATY TAO ANATIN’NY 72 ORA

23/03/2020

Niakatra izay tsy izy ny maty tao anatin’ny 72ora. Raha 11 147 izany maneran-tany ny zoma teo tamin’ny 10 ora alina, dia 14 376 kosa izany omaly alahady tamin’ny 11ora alina, izany hoe nisy olona maty vaovao 2729.

CORONAVIRUS MANERAN-TANY 2700 MAHERY NO MATY TAO ANATIN’NY 72 ORA

Hamaky ny tohiny...

CORONAVIRUS Mitombo isa hatrany ireo marary maneran-tany

19/03/2020

Eoropa:mihazakazaka ny fiparitahan’ny aretina Efa mihoatra ny 200 000 nanomboka omaly tolakandro ny olombelona voan’ny Coronvirus amina firenena 156 maneran-tany; 214 010 no voambara fa tratran’ity valan’aretina ity arak any tarehimarika nivoaka omaly 18 martsa tamin’ny 10 ora sy sasany alina, ora eto

CORONAVIRUS Mitombo isa hatrany ireo marary maneran-tany

Hamaky ny tohiny...


Any Ivelany

Frantsa Nakatona ireo toerana mahavory olona

06/03/2020

Raha ny tatitra voaray dia niampy 42 indray ireo no maty vokatry ny aretina “coronavirus”.

 Fantatra fa miisa 52 ireo firenena efa niparitahan` ity aretina ity maneran` izao tontolo izao. Vao maika mifendraka amin`ny faritra maro ny COVID-19 hany ka voatery tsy maintsy manamafy ny ady atao ireo tompon’andraikitra. Ankoatra an`i  Sina dia i Korea Atsimo sy Italia ary Frantsa no tena ahitàna trangan`aretina. Amin`izao fotoana dia maherin`ny 50 tapitrisa no voatery natoka-monina tanteraka ka manaraka fitsaboana manokana. Ho an`i korea atsimo izay betsaka ny tahan`ny olona voan ny aretina dia miampy 500 indray ireo olona voamarina ao aminy mitondra ny tsimokaretina. Ao Frantsa dia miisa 13 ireo tranga voamarina ary roa no fantatra efa matiny. Ny teo anivon`ny minisiteran`ny fahasalamam-bahoaka frantsay dia tsy maintsy nakatona ireo ivontoerana rehetra mahavory olona betsaka sy mampisarika mpizahatany maro, hoy ny minisitra Jerome Salomon, toy ny “musée du Louvre” izay mahasarika mpitsidika 9,6 tapitrisa isan-taona.

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana