Dans la mme rubrique

Zokiolona Manahy ny amin’ny vola fisotroan-drononony

10/04/2020

Manahy mafy ny amin’ny vola fisotroan-drononony ireo zokiolona eto amintsika.

Zokiolona Manahy ny amin’ny vola fisotroan-drononony

Hamaky ny tohiny...

Fanolanana zana-bady Raikely 2 nidoboka eny Antanimora

10/04/2020

Lehilahy roa samy nanolana ny zana-badiny avy no nosamborin'ny Polisy misahana ny zaza tsy ampy taona etsy Tsaralalana ny alarobia sy zoma lasa teo.

Fanolanana zana-bady Raikely 2 nidoboka eny Antanimora

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Antananarivo renivohitra Hanomboka ny asa fanamboaran-dalana

09/04/2020

Araka ny fampanantenana nataon'ny filoha Andry Rajoelina dia hisy ny asa fanamboaran-dalana hatao amin'izao fotoanan'ny fihibohana tsy hahafahan'ny fiara mifamezivezy izao.

Kaominina Antananarivo renivohitra Hanomboka ny asa fanamboaran-dalana

Hamaky ny tohiny...

Fahasosorana anaty fiarahamonina Miroborobo firehitra toy ny afon-jozoro

09/04/2020

Faritra maro no mbola tsy misitraka ny fanomezana atolotry ny fanjakana na ilay teo aloha na ny rafitra loharano ankehitriny.

Fahasosorana anaty fiarahamonina Miroborobo firehitra toy ny afon-jozoro

Hamaky ny tohiny...

Analamanga, Antsinanana, Matsiatra Ambony Hisy fanisam-bahoaka, homena tohana manokana

09/04/2020

Ny zava-dehibe hataontsika, izay nahazoana famatsiam-bola avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena dia ny resaka “digitalisation” eny amin’ny fokontany, hoy ny Filoha.

Analamanga, Antsinanana, Matsiatra Ambony Hisy fanisam-bahoaka, homena tohana manokana

Hamaky ny tohiny...

Vaky vava ingahy Filoha Tena sarotra alamina ny Malagasy

09/04/2020

Ny isan’ny olona mitondra ny tsimokaretina ankehitriny dia 93. Ny mahafaly dia ny hoe na mitombo aza ny voa, dia 11 no sitrana.

Vaky vava ingahy Filoha Tena sarotra alamina ny Malagasy

Hamaky ny tohiny...

Olona manana fahasembanana Hozaraina vatsy ihany koa

09/04/2020

Tsy dia voaresaka loatra ireo olona manana fahasembanana ao anatin'izao hamehana ara-pahasalamana izao, ankoatra ireo zokiolona.

Olona manana fahasembanana Hozaraina vatsy ihany koa

Hamaky ny tohiny...


Sosialy

Fakana an-keriny zazalahy Tsy azon’ireo mpanao ratsy ilay vola 10 tapitrisa Ar

06/03/2020

Tena zava-nisy marina raha araka ny fanazavan’ny dadan’i Cedric tamin’ny gazety Jejoo omaly ilay fakana an-keriny nihatra tamin’ity zanany vao folo taona monja ny marainan’ny alatsinainy 2 martsa teo.

 

 

Araka ny fanazavany, efa teo akaikin’ny sekoly nianarany  teny Soavimbahoaka   i Cedric no nisy naka  an-keriny. Tsy nahatsiaro tena intsony izy taorian’izay ary tsy nahita akory izay lalana nitondran’ireo mpanao ratsy azy… Avy hatrany dia nanaparitaka ny vaovao tao anaty tambajotran-tserasera ireo ray aman-dreniny taorian’ny nahafantarana fa tsy hita ilay menaky ny ainy. Tokony ho tamin’ny 9 ora alina anefa tamin’io alatsinainy io ihany dia nisy nandefa hafatra an-telefaonina ny rainy fa any amin’izy ireo i Cedric kely ary mila vola 10 tapitrisa Ar izy ireo mba hamotsorany ity farany. Ny alarobia 3 martsa teo tamin’ny 9 ora maraina no fotoana nomen’ireo mpanao ratsy ny ray aman-drenin’i Cedric . Isaorana an’Andriamanitra anefa, hoy ny rainy fa olona  tsara sitrapo  no nampandre  anay tamin’io alarobia maraina io fa navotsotr’ireo mpaka an-keriny ary eny Anosy ilay zaza. Tsy lasan’ireo mpanao ratsy ilay vola 10 tapitrisa Ar. Nisy olona niantso hafa indray izahay avy eo nitaky valin-kasasarana izay heverin’izy ireo ho olon-kafa mihitsy.  Tsiahivina moa fa voatery nentina tany amin’ny psychiatre mihitsy i Cedric  ary efa milamina ny fahasalamany amin’ny ankapobeny. Mbola  ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka kosa ny mpitandro ny filaminana ankehitriny ka misy ireo tsiambaratelo tsy maintsy tazonina.

 

Pati

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana