Dans la mme rubrique

Zokiolona Manahy ny amin’ny vola fisotroan-drononony

10/04/2020

Manahy mafy ny amin’ny vola fisotroan-drononony ireo zokiolona eto amintsika.

Zokiolona Manahy ny amin’ny vola fisotroan-drononony

Hamaky ny tohiny...

Fanolanana zana-bady Raikely 2 nidoboka eny Antanimora

10/04/2020

Lehilahy roa samy nanolana ny zana-badiny avy no nosamborin'ny Polisy misahana ny zaza tsy ampy taona etsy Tsaralalana ny alarobia sy zoma lasa teo.

Fanolanana zana-bady Raikely 2 nidoboka eny Antanimora

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Antananarivo renivohitra Hanomboka ny asa fanamboaran-dalana

09/04/2020

Araka ny fampanantenana nataon'ny filoha Andry Rajoelina dia hisy ny asa fanamboaran-dalana hatao amin'izao fotoanan'ny fihibohana tsy hahafahan'ny fiara mifamezivezy izao.

Kaominina Antananarivo renivohitra Hanomboka ny asa fanamboaran-dalana

Hamaky ny tohiny...

Fahasosorana anaty fiarahamonina Miroborobo firehitra toy ny afon-jozoro

09/04/2020

Faritra maro no mbola tsy misitraka ny fanomezana atolotry ny fanjakana na ilay teo aloha na ny rafitra loharano ankehitriny.

Fahasosorana anaty fiarahamonina Miroborobo firehitra toy ny afon-jozoro

Hamaky ny tohiny...

Analamanga, Antsinanana, Matsiatra Ambony Hisy fanisam-bahoaka, homena tohana manokana

09/04/2020

Ny zava-dehibe hataontsika, izay nahazoana famatsiam-bola avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena dia ny resaka “digitalisation” eny amin’ny fokontany, hoy ny Filoha.

Analamanga, Antsinanana, Matsiatra Ambony Hisy fanisam-bahoaka, homena tohana manokana

Hamaky ny tohiny...

Vaky vava ingahy Filoha Tena sarotra alamina ny Malagasy

09/04/2020

Ny isan’ny olona mitondra ny tsimokaretina ankehitriny dia 93. Ny mahafaly dia ny hoe na mitombo aza ny voa, dia 11 no sitrana.

Vaky vava ingahy Filoha Tena sarotra alamina ny Malagasy

Hamaky ny tohiny...

Olona manana fahasembanana Hozaraina vatsy ihany koa

09/04/2020

Tsy dia voaresaka loatra ireo olona manana fahasembanana ao anatin'izao hamehana ara-pahasalamana izao, ankoatra ireo zokiolona.

Olona manana fahasembanana Hozaraina vatsy ihany koa

Hamaky ny tohiny...


Sosialy

TAKARIVAN'IARIVO Natao hamerenana ny lazan’Iarivo

06/03/2020

Averina ao am-pon’ny rehetra indray ny fitiavana an’Iarivo tanànantsika. Amin’ny alalan’ilay hetsika takarivan’Iarivo no

 

hanatanterahana izany izay hosantarina manomboka anio zoma hariva eny amin’ny avenue Analakely ao anatin’ilay teny filamatra hoe : andao ho eny amin’ny avenue e !. Ny kaominina Antananarivo Renivohitra no hikarakarana izany ka ho an’ny anio zoma dia hanomboka amin’ny 7 ora hariva ka hatramin’ny 1 ora maraina ny hetsika. Hanomboka amin’ny 5 hariva kosa  izany rahampitso sabotsy hifarana amin’ny 1 ora maraina ihany. Homena tombony amin’izany avokoa ireo mpanakanto, mpivarotra hani-masaka, ny mpanendy masikita, ny mpikarakara kilalao maro isan-karazany… ka sady afaka hampidi-bola izy ireny no hahazo fahafinaretana ihany koa ireo mpinamana, mpifankatia, fianakaviana ho avy eny an-toerana. Hisy ny  lalana akatona mandritra izany hahafahan’ireo  mandeha an-tongotra miriaria. Hisy ihany koa ny toerana voatokana ho an'ny fiantsonan’ny fiara raha tsy latsa-danja amin’ireo ny fitandroana  ny fandriampahalemana, ny toerana fivoahana sy fidiovana izany harahi-maso tanteraka. Tanjona amin’izany ny hanampiana ny mpiray tanindrazana  handraharaha  amim-pilaminana, ankoatra ny fampahalalana  izay hay sy kanto rehetra miafina  any amin’ny tsirairay any. Marihina moa fa afaka mihira ireo manan-talenta ho amin’izany. Afaka mitondra gitara, angorodao… Ao amin’ny kaominina Antananarivo moa no hatao ny fisoratana anarana ho an’ireo izay liana.

 

Pati

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana