Dans la mme rubrique

Komity loharano Lasa mampisavorovoro fokontany

10/04/2020

Sosotra sy tezitra ireo mponina teny Masinandriana Avaradrano satria nambaran’izy ireo fa kiantrano an-trano izay tsy izy ny fananganana ny komity

Komity loharano Lasa mampisavorovoro fokontany

Hamaky ny tohiny...

Fiara mifono vy sy basy Izay ve no vahaolana mety indrindra ?

10/04/2020

Hita fa tsy misangy tokoa ny fanjakana ka namoaka ireo fiara mifono vy amin’izao hamehana ara-pahasalamana eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’I Madagasikara izao.

Fiara mifono vy sy basy Izay ve no vahaolana mety indrindra ?

Hamaky ny tohiny...

Hetsika Rohy “Tsy ekena ny fanagadrana mpanao gazety »

09/04/2020

Ny Hetsiky ny Firaisamonim-pirenena ROHY dia maneho etoana ny tsy fankasitrahany manoloana ny fitazonana amponja an-dRamatoa Rahelisoa Arphine,

Hetsika Rohy “Tsy ekena ny fanagadrana mpanao gazety »

Hamaky ny tohiny...

Mpanao gazety Arphine Helisoa Naverin’ny fitsarana any am-ponja

09/04/2020

Taorian’ny fampakarana ny raharaha sy ny fangatahana famotsorana vonjimaika ny mpanao gazety,

Mpanao gazety Arphine Helisoa Naverin’ny fitsarana any am-ponja

Hamaky ny tohiny...

Naina Andriantsitohaina “Mila olom-baovao ny firenena…”

08/04/2020

Araka ny voalazan’ny Filohan’ny Repoblika, dia hapetraka ny komity « Loharano » eny anivon’ny Fokontany sy ny « secteurs ».

Naina Andriantsitohaina “Mila olom-baovao ny firenena…”

Hamaky ny tohiny...

Antoko Natiora “Nijoro ho Raiamandreny ny filoha Ravalomanana.”

08/04/2020

Ireny fijoroan’ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, ireny no atao hoe fijoroana Raiamandreny, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora, Mihari-Ni-Rencho, raha naneho ny heviny mikasika ny fivahinianan’ity filoham-pirenena teo aloha tamina fahitalavitra tsy miankina iray.

Antoko Natiora “Nijoro ho Raiamandreny ny filoha Ravalomanana.”

Hamaky ny tohiny...

Mbola Rajaonah Natoka-monina tanteraka …

07/04/2020

Re fa novaina ny toerana izay ipetrahan’i Mbola Rajaonah ao amin’ny fonjan’i Tsiafahy.

Mbola Rajaonah Natoka-monina tanteraka …

Hamaky ny tohiny...


Politique

Imbiki Herilaza “Tsy azo foanana izany ny fifidianana”

06/03/2020

Taorian`ireny fanambarana sesilany niainga tamin`ny tatitra navoakan`ny CENI ny herinandro lasa teo dia voakasika tamin`izany ny fifidianana filoham-pirenena.

 

 

Iza no tompon’andraikitra ? Inona no mety ho fiantraikany amin`ny fiainam-pirenena ? Nitondra ny heviny ny sekretera jeneralin`ny minisiteran`ny fitsarana, Imbiki Herilaza,  taminà onjam-peo iray ka nilazany fa raha lisitra nanaovana fifidianana 2018 dia tamin`ny faran`ny desambra 2017 ka nifarana tamin`ny mey 2018 ny fanavaozana ny lisitra. Iaraha-mahafantatra fa ny fitondram-panjakana teo aloha ary nisy fifangaroan’andraikitra teo amin`ny praiminisitra sy ny minisitry ny atitany tamin`izany. Raha nisy ninia nanao izany na nanao fahadisoana dia  talohan`ny fandraisan`ny fitondram-panjakana ny fitantanana ny taona 2019 na ny fandraisan`ny praiminisitra ny governemanta tamin`ny fiaraha-mitantana ny volana jona 2018, hoy izy. Nahoana no tsy nahafahana nahita ireo laharana mitovy ireo nandritra ny fifidianana ? Naninona rehefa nitsirika ny OIF dia nilaza fotsiny izy fa 4000 mahery kely no nahitana tsy fahatomombanana tao anaty lisitra kanefa azo hidirana soa aman-tsara ny fifidianana, hoy hatrany Imbiki Herilaza. Nisy ireo antoko politika nitaky ny fanafoanana ny fifidianana teto Madagasikara. Nanambara ity mpahay lalàna ity fa ny lalàmpanorenana sy ny lalàna lah. 2018-008 mahakasika ny fifidianana dia amin`ny ankapobeny ary ny didy hitsivolana mahakasika ny HCC tamin`ny taona 2021 dia  mazava tsara. Efa nandeha ny fe-potoana rehetra nomena tamin`ireo olona omen`ny lalàna fa afaka mitory ny tsy fahatomombanana ny fifidianana dia nanao izany teo amin`ny HCC. Namoaka ny didy tsy azo hivalozana izay mitondra ny vokatra ofisialin`ny voka-pifidianana filoham-pirenena. Raha ny lalàmpanorenana dia tsy azo foanana ny fifidianana fa efa mipetraka ny olona lanim-bahoaka ny filoham-pirenena, hoy hatrany ny fanazavana.

 

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana