Dans la mme rubrique

UNICEF Hiantoka ny famerenana an-tsekoly ny mpianatra

02/04/2020

80%n` ireo sekoly maneran-tany dia nanakatona varavarana avokoa noho ny “coronavirus” ka mikorontana, araka izany, ny sehatry ny fanabezana.

UNICEF Hiantoka ny famerenana an-tsekoly ny mpianatra

Hamaky ny tohiny...

Mpianatra mijanona ao an-trano Nanome torohevitra ny minisitra

25/03/2020

Maro ny zavatra azo atao mandritr’izao fotoana tsy hisian’ny fampianarana any an-tsekoly izao, hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena, Rijasoa Andriamanana Josoa. Isan’izany ny famakiam-boky toy ny tantara sy angano, ny lalao isan-karazany, fijerena fahitalavitra, fijerena sarimihetsika na horonan-tsary.

Mpianatra mijanona ao an-trano Nanome torohevitra ny minisitra

Hamaky ny tohiny...

Elidio Randrianjafy « Aoka tsy ho tratry ny vela-pandrika politika ny mpampianatra ! »

04/03/2020

Tsy misy maharatsy ny fitakiana nataon’ny mpampianatra namana, hoy ny mpanolotsaina teknika eo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena,

Elidio Randrianjafy « Aoka tsy ho tratry ny vela-pandrika politika ny mpampianatra ! »

Hamaky ny tohiny...

Fanabeazam-pirenena Hohatsaraina ny fampianarana manoratra teny Malagasy

27/02/2020

Faritra miisa 11 manerana an’i Madagasikara no misitraka ny tetikasa ho fampisakafoanana ireo ankizy mpianatra eny an-tsekoly amin’ny

Fanabeazam-pirenena Hohatsaraina ny fampianarana manoratra teny Malagasy

Hamaky ny tohiny...

Mpampianatra Malagasy Mila karakaraina ny lafiny maha olona

10/02/2020

Miroso amin’ny fanomezana toromarika avokoa ireo minisitra, taorian’ny fanendrena mpikambana governemanta.

Mpampianatra Malagasy Mila karakaraina ny lafiny maha olona

Hamaky ny tohiny...

Velon-taraina ny mpampianatra «Kely karama izahay kanefa miasa be »

30/01/2020

Re matetika tato ho ato, rehefa miresaka fanabeazana, fa mitotongana ny fampianarana eto Madagasikara.

Velon-taraina ny mpampianatra «Kely karama izahay kanefa miasa be »

Hamaky ny tohiny...

Fanabeazana sy fampianarana eto Madagasikara Nopotehina nanomboka ny taona 2009

17/01/2020

Tsy noterena, tsy novozonana ny fitondrana tetezamita 2009 namoaka ireo didim-panjakana miisa 3 izay nolazaina tamin’izany fotoana fa antoka ho amin’ny fampandrosoana ny

Fanabeazana sy fampianarana eto Madagasikara Nopotehina nanomboka ny taona 2009

Hamaky ny tohiny...


Fampianarana

Ministeran’ny fanabeazam-pirenena tany Boeny Tale 50 mahery no nanaraka ny minisitra

06/03/2020

Maro loatra ny fitarainana azo amin’izao fotoana izao mahakasika ny tsy fandehanan’ny asam-panjakana amin’ny tokony ho izy.

 

 

 Raha mandeha any amin’ny birao isan-karazany any isika dia mimenomenona amin’ny tsy fisian’ny fitaovana hoentina hanodinana ny asam-panjakana ireo mpiasa ireo. Tsy ny fitaovana ihany koa nefa no mampitaraina ireo mpiasa ireo fa hatramin’ny olona izay notendrena handray andraikitra ambony koa. Raha ny loharanom-baovao iray dia manao ambony ambany tanteraka ny eo anivon`ny minisiteran`ny fanabeazam-pirenena. Raha nanao iraka tany amin`ny faritra Boeny ny minisitra amin`izao ny faran`ny herinandro lasa teo dia nentiny avokoa ireo tale maherin`ny 50 eo anivon`ny minisiteran`ny fanabeazam-pirenena sy ny STAFF tsirairay. Raha ny fantatra dia 36 000 ariary isan’olona sy isan’andro no tambin-karama ankoatra ny solika rehefa manao iraka toy izao. Raha atao kajikajy tsotsotra, tale iray miampy staff telo ao anatin`ny roa andro dia mahazo tambin-karama 2 160 000 ariary. Mitentina 10 800 000 ariary izany raha kajy miaraka amin`ireo tale 50 anaty iraka iray. Raha ny loharanom-baovao hatrany dia zara vita ny asa fa nibahana ny fotoana ireo famonjena lanonana toy ny fiarahabana nahatratra ny taonan`ny faritra Sofia sy ny fametrahana samboadin`ny ben`ny tanàna ao Mahajanga. Aiza ho aiza ilay politikam-pitsitsiana izay napetraky ny fitondrana ? Tao anatin`ny fotoana nitakiana ireo tambin-karana ho an`ireo mpampianatra sy mpandraharaha rehetra eo anivon`ny MENETP. Ny vahoaka Malagasy rahateo dia efa miaina ao anaty haizim-pito nefa mbola mahavita mirevy sy mandeha mitsangatsangana ny tompon’andraiki-panjakana ambony. Tsy mahagaga raha tsy mety mandoa vola ny olona tokony handoa ny volam-panjakana ireny. Be loatra ny kiantranoantrano ataon’ny olona nomena andraikitra. Be loatra ny tsy miraharaha izay fanovana ka tsy misy asa ataony raha tsy hamingana ny filoham-pirenena.

 


Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana