Dans la mme rubrique

Komity loharano Lasa mampisavorovoro fokontany

10/04/2020

Sosotra sy tezitra ireo mponina teny Masinandriana Avaradrano satria nambaran’izy ireo fa kiantrano an-trano izay tsy izy ny fananganana ny komity

Komity loharano Lasa mampisavorovoro fokontany

Hamaky ny tohiny...

Fiara mifono vy sy basy Izay ve no vahaolana mety indrindra ?

10/04/2020

Hita fa tsy misangy tokoa ny fanjakana ka namoaka ireo fiara mifono vy amin’izao hamehana ara-pahasalamana eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’I Madagasikara izao.

Fiara mifono vy sy basy Izay ve no vahaolana mety indrindra ?

Hamaky ny tohiny...

Hetsika Rohy “Tsy ekena ny fanagadrana mpanao gazety »

09/04/2020

Ny Hetsiky ny Firaisamonim-pirenena ROHY dia maneho etoana ny tsy fankasitrahany manoloana ny fitazonana amponja an-dRamatoa Rahelisoa Arphine,

Hetsika Rohy “Tsy ekena ny fanagadrana mpanao gazety »

Hamaky ny tohiny...

Mpanao gazety Arphine Helisoa Naverin’ny fitsarana any am-ponja

09/04/2020

Taorian’ny fampakarana ny raharaha sy ny fangatahana famotsorana vonjimaika ny mpanao gazety,

Mpanao gazety Arphine Helisoa Naverin’ny fitsarana any am-ponja

Hamaky ny tohiny...

Naina Andriantsitohaina “Mila olom-baovao ny firenena…”

08/04/2020

Araka ny voalazan’ny Filohan’ny Repoblika, dia hapetraka ny komity « Loharano » eny anivon’ny Fokontany sy ny « secteurs ».

Naina Andriantsitohaina “Mila olom-baovao ny firenena…”

Hamaky ny tohiny...

Antoko Natiora “Nijoro ho Raiamandreny ny filoha Ravalomanana.”

08/04/2020

Ireny fijoroan’ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, ireny no atao hoe fijoroana Raiamandreny, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora, Mihari-Ni-Rencho, raha naneho ny heviny mikasika ny fivahinianan’ity filoham-pirenena teo aloha tamina fahitalavitra tsy miankina iray.

Antoko Natiora “Nijoro ho Raiamandreny ny filoha Ravalomanana.”

Hamaky ny tohiny...

Mbola Rajaonah Natoka-monina tanteraka …

07/04/2020

Re fa novaina ny toerana izay ipetrahan’i Mbola Rajaonah ao amin’ny fonjan’i Tsiafahy.

Mbola Rajaonah Natoka-monina tanteraka …

Hamaky ny tohiny...


Politique

Depiote Masy Goulamaly « Mila mandray andraikitra ny HCC »

06/03/2020

Ireo kaominina tany Tsihombe dia anisan`ireo nahitàna tranga hafahafa nandritra ny fifidianana kaominaly: nisy karatra mitovy

laharana saingy tsy « doublons » fa ankizy 10 sy 11 taona no nandatsam-bato. Izany dia mbola zava-doza raha oharina amin`ny fanambaran`ny CENI, hoy ny depiote voafidy tao Tsihombe, Masy Goulamaly. Efa nametraka fitoriana teo anivon`ny tribonaly misahana ny ady amin`ny fanjakana izy ireo saingy voaray fa tsy mitombina. Gaga aho fa tampotampoka misy indray ny “doublons” teo anivon`ny kara-panondrom-pirenena (CIN). Tsy fantatra ny ambadik`iny fanambarana iny, hoy izy, fa dia nailika tany amin`ny minisiteran`ny atitany (MID) indray ny zava-drehetra. Raha zohina dia ny delege sy ny distrika no manao CIN. Ny MID koa dia misy lesoka betsaka any amin`ny rantsamangaikany any ambanivohitra. Tsy voafehy ny CIN, kopia, hosoka maro, lisi-pifidianana… Noho izany, samy tokony handray ny andraikitra tandrify azy na ny CENI na ny MID ary nifampiresaka ka ifampizarana ny lesoka. Mipetraka ihany ny fanontaniana, hoy ity depiote ity: ahoana ny olom-pirenena izay nametraka fahatokisana amin`ireo olom-boafidy ireo ? Iza no miandraikitra ny fifidianana ? Mangarahara sy eken`ny rehetra ? Amiko fanakorontanana ireny fanambarana ireny fa ireo olona nitaraina no tokony ho noraisina manokana mba ahafahana manitsy.  Ny zavatra ataon`ny CENI dia miezaka ny mandà sy manadio tena fa tsy manitsy ny zavatra tsy mety izay lesoka teto amintsika. Hentitra no nilazany fa tokony hialoha ny fifidianana ireny fanambarana ireny no natao ary tsy nahavita ny asany ny mpikarakara fifidianana raha izao vao nanao fanambarana. Miandry izay fanapahan-kevitry ny HCC isika ary tokony mandray an-tanana ity raharaha ity, hoy hatrany ny fanazavany.

 

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana