Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fankalazana ny 8 martsa Mahaliana ny vehivavy ny « Rodobe ho an'ny Fahasalamana »

05/03/2020

Fotoana hanatanterahan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena mivondrona ao anatin’ny Firenena mikambana, ny tomban’ezak’ireo fandaharan’asa nivoitra avy amin’ny Fihaonambe maneran-tany

momba ny vehivavy, natao tamin’ny1995 tany Beijing, ity taona 2020 ity. Hatreto aloha dia tsikaritra fa vehivavy sy ankizivavy maro maneran-tany no tsy misitraka ny zony, indrindra eo amin’ny lafiny fahasalamana ara-pananahana. Ao anatin’izao fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy izao ary dia nisafidy ny hanome lanja bebe kokoa ny fahasalamana ara-pananahana sy ny fomba fandrindram-piterahana i Madagasikara, ao anatin’ny lohahevitra hoe : " Izaho sy ianao, isika rehetra miombon'andraikitra hisitrahan'ny vehivavy ny zony". Niainga teto Antananarivo nanomboka tamin’ny 1 martsa lasa teo, noho izany, ny Rodobe ho an'ny Fahasalamana sy ny Zon'ny vehivavy, ahitana fiarabe manome tolotra ara-pahasalamana ho vahoaka. Mizotra mianatsimo mamakivaky an’iny lalam-pirenena faha-7 iny. Marobe, hatramin’ny omaly, ireo toerana efa nijanonan’ilay fiarabe, toa an’i Vinaninkarena ao Vakinankaratra, Ivato Centre ao Amoron’i Mania… Afaka misitraka karazana tolotra ara-pahasalamana maro ny vehivavy, amin’ny toerana andalovan’ity « caravane » ity, toy ny fitiliana  tazomoka, VIH/SIDA sy ireo aretina hafa azo avy amin’ny firaisana, homamiadan’ny vozon-tranonjaza… Eo ihany koa ny vaksiny sy ny fanomezana fandrindram-piterahana. Ankoatra ireo dia misy ny fanentanana ataon’ireo mpiara-miombon’antoka rehetra, toy ny UNFPA, ny Marie Stopes, ny fikambanana Tanora Iray sy ireo minisitera voakasika, momba ny herisetra mifototra amin’ny miralenta sy ny lalàna mifandraika amin’izany. Vehivavy miisa 10.000 no heverina fa hahazo tombony amin’izao hetsika izao, hatramin’ny 8 martsa, fotoana hanatanterahana ny fankalazana ôfisialy ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy, izay hotontosaina any Toliara.

 

 

Marigny A.

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana