Dans la mme rubrique

Tontolo Iainana Sendaotra ny minisitra Vahinala Raharinirina tany Toamasina

16/03/2020

Tamin’ny fitsidihan-dRtoa Vahinala Baomiavotse Raharinirina, Ministry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, ny orinasa HITA (Huilerie de Tamatave) no nanamarihany fa mbola misy ny ezaka ilaina hanajan'ity orinasa ity lamina takiana satria misy fofona hafahafa mivoaka ivelany,

Tontolo Iainana Sendaotra ny minisitra Vahinala Raharinirina tany Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Hopitalim-panjakana ao Moramanga Nahazo fiara sy fitaovam-pitsaboana avy amin’Ambatovy

11/03/2020

Laharampahamehana voalohany ho an’Ambatovy ny fahasalamana sy ny fikojakojana ary ny fitandroana ny aroloza ka taratra ao anatin’ireo hetsika maro samihafa efa notanterahina ho fampandrosoana ireo faritra iasan’ny orinasa izany.

Hopitalim-panjakana ao Moramanga Nahazo fiara sy fitaovam-pitsaboana avy amin’Ambatovy

Hamaky ny tohiny...

TOLIARA Hahazo asa fivelomana maharitra ny vehivavy

09/03/2020

Tokony hiezaka hilofo amin’ny fianarana hatrany ny tovovavy fa tsy maimaika hiditra ao anaty tokantrano,

TOLIARA Hahazo asa fivelomana maharitra ny vehivavy

Hamaky ny tohiny...

Mpisehatra amin’ny harena ankibon’ny tany Niara-nientana namboly hazo

09/03/2020

Nanatontosa fambolen-kazo tao amin'ny kaominina ambanivohitra Ampitatafika, distrikan'Antanifotsy ireo mpandraharaha eo amin'ny

Mpisehatra amin’ny harena ankibon’ny tany Niara-nientana namboly hazo

Hamaky ny tohiny...

Fisondrotam-bidim-piainana Efa tena tsy zakan’ny mpanjifa intsony

06/03/2020

Nihamafy ny fidanganam-bidim-piainana ny taona 2020 ka tokony hampiharina haingana ny lalàna fiarovana ny mpanjifa, hoy ny filoha mpiaro ny zon’ny mpanjifa, Ralita. Ilaina,

Fisondrotam-bidim-piainana Efa tena tsy zakan’ny mpanjifa intsony

Hamaky ny tohiny...

Mpampiasa ny volam-panjakana Olana ny fahasarotan’ny lalàna

05/03/2020

Nifarana omaly ny atrikasa fanavaozana ny paikady amin’ny fitantanana ny volam-panjakana.

Mpampiasa ny volam-panjakana Olana ny fahasarotan’ny lalàna

Hamaky ny tohiny...

Japon Manamafy ny fifandraisana amin`i Madagasikara

04/03/2020

Hanohana ny fitondram-panjakana mahakasika ny fampandrosoana firenena ny governemanta japoney.

Japon Manamafy ny fifandraisana amin`i Madagasikara

Hamaky ny tohiny...


Dossier

Fahantran’ny ankizy malagasy Refesina amin’ny teknika vaovao MODA

05/03/2020

Mikarakara atrikasa mandritra ny 2 andro ny Vondrona Iraisam-pirenena miaro ny ankizy sy ny zony (UNICEF) miaraka amin’ny INSTAT.

 

 

Mikasika ny famakafakana ny fahantran’ny ankizy eto Madagasikara no antony, hiarahana miasa amin’ny minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola amin’ny alalan’ny INSTAT. Ahitana  teknisianina malagasy maro sy teknisiana avy any ivelany miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka dia ny UNICEF sy ny Banky Iraisam-pirenena izany. Tanjona ny hampahafantarana ny fomba hafa, dia ny MODA (Analyse des Chevauchements de Priavation Multiples), hanaovana ny fanadihadiana amin’ny fahantran’ny ankizy. Matetika ny lafiny ara-bola foana no jerena rehefa manao fanadihadiana mahakasika ny fahantrana kanefa maro be ireo singa hafa ahafahana mitsirika izany izay ampiasaina amin’io fomba vaovao io. Io  fandrefesana MODA io dia novolavolain’ny UNICEF ampiasaina manerana  izao tontolo izao mihitsy. Omaly no nampahafantarina an’i Madagasikara ny fisian’izany fomba vaovao izay ahafahana mamoaka tondro amin’ny fahantrana izany. Mifandraika amin’ny Tanjon’ny fampandrosoana lovain-jafy  (ODD) sy ny ady amin’ny fahantrana atao izao satria rehefa voafehy io fomba io dia mivoaka daholo ireo tondro ahafahana mandray fanapahan-kevitra hoy ny talen’ny demografia eo anivon’ny Instat, Razafimiharantsoa Tovonirina. Tamin’ny 2018 efa nisy ny fanadihadiana MICS (Multiple Indicator Cluster Surveys)  izay namoaka tondro maro mahakasika ny ankizy saingy ny MODA no fomba vaovao manaraka ny toetrandro. Misy mihitsy ireo manampahaizana manokana avy any amin’ny oniversite Oxford Angetera izay miara-miasa amin’ny INSTAT mandritra ny efa-bolana hanomanana ny tatitra mahakasika izany.

Tsirinasolo

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana