Dans la męme rubrique

Olana atrehan’ny firenena Izao no tena ilàna ireo mpanefoefo sy matanjaka

31/03/2020

Tena mafy amin’ny Malagasy ny fepetra raisina mba tsy hiparitahan’ny valan’aretina coronavirus.

Olana atrehan’ny firenena Izao no tena ilàna ireo mpanefoefo sy matanjaka

Hamaky ny tohiny...

Rina Ranaivo-Harisoa Ratsy mpanolotsaina ny filoha

30/03/2020

Mitondra ny fahitĂ ny ny fivoaran` ny toe-draharaha eto amintsika ny mpahay lalĂ na no sady mpamakafaka politika, Rina Ranaivo-Harisoa, amin` izao fiatrehana ny COVID-19 izao.

Rina Ranaivo-Harisoa Ratsy mpanolotsaina ny filoha

Hamaky ny tohiny...

Rivo Rakotovao « Aleo isika vahoaka hanaiky ny fepetra rehetra”

28/03/2020

Nitondra hafatra ho an` ny vahoaka Malagasy ny filohan` ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao, manoloana ny fiatrehana ny areti- mandoza entin’ny Covid-19.

Rivo Rakotovao « Aleo isika vahoaka hanaiky ny fepetra rehetra”

Hamaky ny tohiny...

Filohan’ny Za’gasy Nisy nanafika tao Toliara

28/03/2020

Nanao antsoavo amin’ireo tompon’andraikim-panjakana ao Toliara ny filohan’ny fikambanana Za’gasy sahy mandroso, Jean Navandahy Ratiharison,

Filohan’ny Za’gasy Nisy nanafika tao Toliara

Hamaky ny tohiny...

Vokatra tsy tafavoaka Lasa feno mpivarotra amoron-dalana eny Ambatomirahavavy

28/03/2020

Satria tsy misy ny fitaterana toy ny Taksiborosy dia maro amin’ireo tantsaha mpamokatra mpampiaka-bokatra eto Antananarivo monina eny amin’iny

Vokatra tsy tafavoaka Lasa feno mpivarotra amoron-dalana eny Ambatomirahavavy

Hamaky ny tohiny...

Fanjakana sy Sehatra tsy miankina Nifanaraka fa tsy hisy fandroahana mpiasa

26/03/2020

Tsy maintsy hisy fiantraikany maro amin’ireo sehatra ara-toekarena eto amin’ny firenena ny fanapahan-kevitra noraisina indrindra ny amin’ny tsy fivoahana ny trano intsony.

Fanjakana sy Sehatra tsy miankina Nifanaraka fa tsy hisy fandroahana mpiasa

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina “10 andro sisa ny ady…”

26/03/2020

Toa mampihorohoro sy mampatahotra ny olona maneran-tany ny Coronavirus. Raha mikasika an’i Madagasikara manokana, dia vaovao mahafaly fa ny olona

Andry Rajoelina “10 andro sisa ny ady…”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Christine Razanamahasoa Namantsipantsika ny Antenimierandoholona

05/03/2020

Nisokatra tamin`ny fomba ofisialy omaly ny fivoriana tsy ara-potoana eo amin`ny solombavambahoaka eny anivon`ny Antenimieram-pirenena.

 

 

 

Tsotra ny tanjona kendrena ao anatin`izao dia ny fanohizana ny raharaham-pirenena mba tsy hisian`ny fanakantsakanana amin`ny fampandehanan-draharaha eny anivon`ny andrimpanjakana, hoy ny filohany, Christine Razanamahasoa nandritra ny lahateniny. Adidin`ny andrim-panjakana tsirairay ny manaja lalàna velona eto amin`ny firenena. Tokony ho voalohany amin`ny fanajàna izany ny andrimpanjakana. Misy anefa ireo hery mampikatso ny asa fanaovana lalàna. Fihetsika izay mifanohitra amin`ny and. faha 96 ao amin`ny lalàmpanorenana izay mandidy ny antenimiera roa tonta hanefa ny fivezivezen`ny lalàna. Notsiahiviny fa tolo-dalàna miisa dimy no mikatso eny amin`ny sénat ary volavolan-dalana telo mbola taraiky any. Noho izany, miantso ny Antenimierandoholona ny PAN mba hanaja hatrany ny “navette”. Nahoana, hoy ihany izy, nogiazana ny lalàna mahakasika ny fanoherana kanefa io no kitro hamarana izany hoe tany mandala ny demokrasia. Ny tsirairay dia samy tompon’andraikitra amin`ny asany. Mahakasika ireo didy hitsivolana navoakan`ny filoham-pirenena indray dia fombafomba fotsiny ny zavatra hataon`ny depiote fa tsy hiadian-kevitra. Antony, tsy misy andalana na dia iray akory ao amin`ny lalàmpanorenana ny amin`ny fanerena hoe tsy maintsy mandala fankatoavana ny didy hitsivolana nataon`ny filoham-pirenena. Teboka maromaro moa no voafaritra ao anatin`ny lahadinika atrehin`ireo solombavambahoaka ao anatin` ny 12 andro.

Nalalaka ny fanaraha-maso

Niteraka resabe teny anivon`ny fiarahamonina ny tatitra navoakan`ny CENI manoloana ny fifidianana hosoka, ny fampidirana anarana maromaro tao anatin`ny lisi-pifidianana. Nisy antoko nilaza hatrany fa tokony hofoanana avokoa ireo fifidianana nifanesy nanomboka ny taona 2018. Nambarany fa izay antoko politika nilaza izany dia tsy manana fijery ao anatin`ny fahazavan-tsaina sady tsy maharaka izay pitsopitsony sy fizotran`ny fifidianana. Nilaza izy fa ny taona 2017 no nanokafana ny lisi-pifidianana izay nanatanterahina ny fifidianana filoham-pirenena 2018 ary nitohy tamin`ny fifidianana solombavambahoaka sy kaominaly. Nalalaka  ny mpanao politika nanara-maso ny fizotran`ny fifidianana na ihany koa ireo mpisehatra iraisam-pirenena ka afaka nanatanteraka izay fanaraha-mason`ny fifidianana izay. Koa raha nisy “doublon” maninona no tsy tamin` ny taona 2017 no natao ny fanambarana ? Ny azo ambara dia mafana ny toedraharaha politika amin`izao.

 

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana