Dans la mme rubrique

Olana atrehan’ny firenena Izao no tena ilàna ireo mpanefoefo sy matanjaka

31/03/2020

Tena mafy amin’ny Malagasy ny fepetra raisina mba tsy hiparitahan’ny valan’aretina coronavirus.

Olana atrehan’ny firenena Izao no tena ilàna ireo mpanefoefo sy matanjaka

Hamaky ny tohiny...

Rina Ranaivo-Harisoa Ratsy mpanolotsaina ny filoha

30/03/2020

Mitondra ny fahitàny ny fivoaran` ny toe-draharaha eto amintsika ny mpahay lalàna no sady mpamakafaka politika, Rina Ranaivo-Harisoa, amin` izao fiatrehana ny COVID-19 izao.

Rina Ranaivo-Harisoa Ratsy mpanolotsaina ny filoha

Hamaky ny tohiny...

Rivo Rakotovao « Aleo isika vahoaka hanaiky ny fepetra rehetra”

28/03/2020

Nitondra hafatra ho an` ny vahoaka Malagasy ny filohan` ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao, manoloana ny fiatrehana ny areti- mandoza entin’ny Covid-19.

Rivo Rakotovao « Aleo isika vahoaka hanaiky ny fepetra rehetra”

Hamaky ny tohiny...

Filohan’ny Za’gasy Nisy nanafika tao Toliara

28/03/2020

Nanao antsoavo amin’ireo tompon’andraikim-panjakana ao Toliara ny filohan’ny fikambanana Za’gasy sahy mandroso, Jean Navandahy Ratiharison,

Filohan’ny Za’gasy Nisy nanafika tao Toliara

Hamaky ny tohiny...

Vokatra tsy tafavoaka Lasa feno mpivarotra amoron-dalana eny Ambatomirahavavy

28/03/2020

Satria tsy misy ny fitaterana toy ny Taksiborosy dia maro amin’ireo tantsaha mpamokatra mpampiaka-bokatra eto Antananarivo monina eny amin’iny

Vokatra tsy tafavoaka Lasa feno mpivarotra amoron-dalana eny Ambatomirahavavy

Hamaky ny tohiny...

Fanjakana sy Sehatra tsy miankina Nifanaraka fa tsy hisy fandroahana mpiasa

26/03/2020

Tsy maintsy hisy fiantraikany maro amin’ireo sehatra ara-toekarena eto amin’ny firenena ny fanapahan-kevitra noraisina indrindra ny amin’ny tsy fivoahana ny trano intsony.

Fanjakana sy Sehatra tsy miankina Nifanaraka fa tsy hisy fandroahana mpiasa

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina “10 andro sisa ny ady…”

26/03/2020

Toa mampihorohoro sy mampatahotra ny olona maneran-tany ny Coronavirus. Raha mikasika an’i Madagasikara manokana, dia vaovao mahafaly fa ny olona

Andry Rajoelina “10 andro sisa ny ady…”

Hamaky ny tohiny...


Politique

CENI Tsy hametra-pialana izany izahay

05/03/2020

Nitondra fanazavana miezaka mampitony ny rehetra ny CENI tamin’ny fanambarana nataony omaly, notarihin’Atoa Hery Rakotomanana filohan’io rafitra io.

 

 

 

Tamin’ny zoma 28 febroary no namoaka antontan'isa momba ny olona manana kara-panondrom-pirenena miverin-droa na doublons miisa 1 162 512  sy anarana niverin-droa 110 629 ny CENI. Niteraka fanakianana mahery vaika izany. Manaitra tokoa ary nisy niteny hoe misy hosoka na fanodinkodinana ny lisi-pidifianana, nisy mangataka hanafoanana fifidianana.  Miantso ny olona  ho tony izy ireo. Tsy misy fahadisoan'ny CENI fa mba tsy fetezana na “anomalie” fotsiny efa fahita hatrizay, hoy ity vaomiera misahana ny fifidianana ity. Miantso ny olona ho tony ary ho avy hanamarina ny anarany ao anaty lisi-pifidianana eny amin’ny fokontany izy ireo. Tsy olona iray niverimberina im-betsaka fa olona samihafa manana kara-panondro mitovy. Tsy “doublon” koa. Tsy mahakitika velively ny fahamarinan'ny fifidianana ireny. Tsy trangan-javatra vaovao ny fisian'ny tsy fahatomombanana io fa efa nisy foana ary nitombo tsikelikely tamin’ny fanavaozana lisitra na ny “refonte” tamin'ny 2012, hoy ny ambangovangon’ny fanambarana. Tsy manana fahefana hikitika ny zava-boarafitra ao anaty lisitra ny CENI, raha tsy tonga eny amin’ny fokontany ny mpifidy manamarina ny momba azy, tsy afaka manao na inona na inona. Ny CENI tsy nanafina ny tsy fahatomombanan'ny lisi-pidifianana fa tsy mahakitika ny fahamarina'ny fifidianana izany. Rehefa vita manontolo ny fametrahana ny andrim-panjakana kanefa niverina ny fanakianana dia nisafidy fa ny fanatsarana ny lisi-pifidianana no adidy manaraka hatrehany, hoy ny fanazavana. Ny desambra hatramin’ny mey no misokatra io lisitra io, afaka manome fanamarinana ny rehetra, manatsara, fangaraharana.  Manentana ny rehetra hanatona ny fokontany  hanamarina ny momba azy ny tsirairay. Mangataka ny rehetra ny CENI ho tony. Fanatsarana ny lisitra no iarahana mitady. Tsy misy antony na kely akory aza hadisoan'ny CENI eo anatrehan'iny fa « anomalie » efa nisy hatramin'izay, ka tsy tsy hametra-pialana izany ny mpikambana raha ny fanazavan’ny filohany Hery Rakotomanana. Haharesy lahatra ny rehetra ve ny fanazavana sy ny fiarovan-tenany ? Azo antoka ve ny tsy fisiana fiantraikany tamin’ny fifidianana na ny resaka kara-panondro na ny “doublon” tamin’ny lisitra, izay nisy ny toeram-pifidianana iray ihany fa ny birao fandatsaham-bato no efira samihafa ? Inona no nahatonga ny CENI tsy nanaiky hatramin’ny farany ny hampitahana ny lisi-pifidianana voasonia (liste emargée) tamin’ny fifidianana solombavambahoaka sy ben’ny tanàna raha tena nandeha tao anaty lalao madio ny fifidianana ?

Toky R

.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana