Dans la męme rubrique

GOVERNORA

05/03/2020

Voatendry ho governoran’ny faritra Atsinanana nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly Atoa Rafidison Richard Théodore.

GOVERNORA

Hamaky ny tohiny...

LUDY SOA SY NATHAN

05/03/2020

Araka ny lahatsoratra nivoaka teto amin`ny gazety Tia Tanindrazana ny 02 martsa lasa teo, momba an`ireo tanora, LudySoa sy Nathan,

LUDY SOA SY NATHAN

Hamaky ny tohiny...

MPIANATRY NY PETIT NID TSY HITA POPOKA

03/03/2020

Tovolahy kely iray mitondra ny anarana hoe Rakotonindrina Sitraky ny Avo Toavina Cedrick no nambaran’ny fianakaviany fa tsy hita popoka.

MPIANATRY NY PETIT NID TSY HITA POPOKA

Hamaky ny tohiny...

FANAFIHANA TAXI-BROUSSE

02/03/2020

Raikitra ny fifampitifirana tetsy Mahavelona. Sady nitsoaka no nitifitra ny jiolahy izay vao avy nanao fanafihana mpandeha tamin'ny taxi-brousse.

FANAFIHANA TAXI-BROUSSE

Hamaky ny tohiny...

FANAFIHANA CASHPOINT

27/02/2020

Mitohy hatrany ny fanafihana cashpoint eto an-drenivohitra.

FANAFIHANA CASHPOINT

Hamaky ny tohiny...

VAROTRA SY FANJIFANA

24/02/2020

Nandainga avokoa ny fandajàna marobe izay nanaovana fitsirihana tampoka tao amin’ny tsena Bazary-Kely ao Toamasina.

VAROTRA SY FANJIFANA

Hamaky ny tohiny...

VAROTRA SY FANJIFANA

24/02/2020

Nandainga avokoa ny fandajàna marobe izay nanaovana fitsirihana tampoka tao amin’ny tsena Bazary-Kely ao Toamasina.

VAROTRA SY FANJIFANA

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

MBOLA AVOTRA ALOHA HATRETO

04/03/2020

Isan'ireo firenena afrikanina mbola mahavita miaro ny sisin-tany aloha hatreto i Madagasikara manoloana ny fiparitahan’ny Coronavirus.

 

Hatreto, olona 60 ireo araha-maso akaiky ao amin'ny hopitaly Anosiala ary ny tena maro amin'ireo dia ireo izay mpandeha fiaramanidina avy any Italie. Raha tsy mafy ny fepetra izay raisina any amin’ny faritany izay misy ranomasina dia ahiana ho tsy mifanandrify ny ezaka ary ho tafiditra ihany ity aretina ity.

LEHILAHY NAMONO ZAZAVAVY

Zazavavy dimy taona izay zana-badiny no novonoin’ilay rangahy ary tsy nananany antra, tetsy Ampasika. Ny anton’izany dia noho ny fifamalian’izy mivady izay mifandraika amin’ny hasarotam-piaro. Ahian-drangahy ho mampirafy azy ramatoa ary dia raikitra ny fikasihan-tànana. Nahavita nitsoaka anefa ilay ramatoa , saingy indrisy fa nifatratra tany amin’ireo zanany izay tao an-trano indray ny rihitra. Tazomina ao amin’ny BC ilay rangahy, 28 taona, nahafaty zaza.

MANAHIRANA NY PIESINA FIARA AVY ANY AZIA

Manomboka sahirana ny mpitaiza fiara avy any Azia ankehitriny noho ny tsy fisian’ny piesy. Izany dia mifandraika amin’ny fanidiana ny sisin-tany ka tsy hampidirana intsony ny sambo mitondra entana na olona avy any Chine ana Corée. Vokatr’izany dia efa manomboka lany ny piesin’ny fiara sinoa sy koerana izay tondraka anefa eto amintsika ankehitriny.

MAMONO AFO MOMBA AN’I MAHAMASINA

Miezaka mamono afo tanteraka mihitsy ny mpitondra amin'izao amin'ilay resaka fanamboarana ny Mahamasina.Tsy maintsy ho vitaina hatramin'ny volana jiona ity kianja ity hoy izy ireo Ary efa mandeha ny fanamboarana ny fototry ny tribune. tsy misy mpiasa sinoa izany koa hoafarana fa izay gasy eo ihany no hanao azy. tena mifanipaka mihitsy amin'ilay nambaran'ny ramatoa manampahaizana amin'ny serasera ao amin'ny fiadidiana ny Repoblika.

 

 

 

 

MPAMOSAVY TENY ANDOHATAPENAKA ?

Vehivavy iray no nosamborin’ny olona nofatorana teo am-body pôtô omaly, tetsy Andohatapenaka. Ny anton’izany dia nolazaina fa mpamosavy izy noho izy niboridana be. Nivoaka ny mpiambina teo amin’ny manodidina ary nifanome tànana namatotra azy. Ilay ramatoa kosa dia samy nahita azy avokoa ny mpandeha tamin’ny « digue », izy amin’io mbola mitanjaka. Navela teo ary ny fianakaviany no naka sy namaha ny fatotra.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana