Dans la męme rubrique

Rivo Rakotovao « Aleo isika vahoaka hanaiky ny fepetra rehetra”

28/03/2020

Nitondra hafatra ho an` ny vahoaka Malagasy ny filohan` ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao, manoloana ny fiatrehana ny areti- mandoza entin’ny Covid-19.

Rivo Rakotovao « Aleo isika vahoaka hanaiky ny fepetra rehetra”

Hamaky ny tohiny...

Filohan’ny Za’gasy Nisy nanafika tao Toliara

28/03/2020

Nanao antsoavo amin’ireo tompon’andraikim-panjakana ao Toliara ny filohan’ny fikambanana Za’gasy sahy mandroso, Jean Navandahy Ratiharison,

Filohan’ny Za’gasy Nisy nanafika tao Toliara

Hamaky ny tohiny...

Vokatra tsy tafavoaka Lasa feno mpivarotra amoron-dalana eny Ambatomirahavavy

28/03/2020

Satria tsy misy ny fitaterana toy ny Taksiborosy dia maro amin’ireo tantsaha mpamokatra mpampiaka-bokatra eto Antananarivo monina eny amin’iny

Vokatra tsy tafavoaka Lasa feno mpivarotra amoron-dalana eny Ambatomirahavavy

Hamaky ny tohiny...

Fanjakana sy Sehatra tsy miankina Nifanaraka fa tsy hisy fandroahana mpiasa

26/03/2020

Tsy maintsy hisy fiantraikany maro amin’ireo sehatra ara-toekarena eto amin’ny firenena ny fanapahan-kevitra noraisina indrindra ny amin’ny tsy fivoahana ny trano intsony.

Fanjakana sy Sehatra tsy miankina Nifanaraka fa tsy hisy fandroahana mpiasa

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina “10 andro sisa ny ady…”

26/03/2020

Toa mampihorohoro sy mampatahotra ny olona maneran-tany ny Coronavirus. Raha mikasika an’i Madagasikara manokana, dia vaovao mahafaly fa ny olona

Andry Rajoelina “10 andro sisa ny ady…”

Hamaky ny tohiny...

Hanitra Razafimanantsoa “Tsy hanavahana ny fepetra raisina”

24/03/2020

“3 no narary ny zoma , 12 "cas confirmés" sahady ny alahady. Ireo aloha no azon' ny Filoha notenenina”hoy ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa. Mipetraka kosa ny fanontaniana, hoy izy:

Hanitra Razafimanantsoa “Tsy hanavahana ny fepetra raisina”

Hamaky ny tohiny...

Antoko TAMAMI “Fotoana hisokafan’ny fitondrana izao!”

24/03/2020

Fotoana izao hanehoana ny firaisankinam-pirenena, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika TAMAMI.

Antoko TAMAMI “Fotoana hisokafan’ny fitondrana izao!”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fitondrana Rajoelina Miharatsy ny fandehan-javatra

04/03/2020

Misy lanjany goavana ara-politika iny raharaha lisi-pifidianana sy kara-panondrom-pirenena miverin-droa iny. Nifoha daholo ireo hery politika nahatsiaro tena ho lasibatra tamin’ny fifidianana.

 

 Ratsy toerana hatrany ny fanjakana, ary manomboka misy ny fitakiana politika amin’ny endriny maro, toy ny fanafoanana ny fifidianana rehetra. Manomboka hita taratra ny famondronan-kery. Ao anatin’ny vanim-potoana hafahafa tahaka izao, dia mbola misy tompon’andraikitra ara-panjakana toa manao teny fihantsiana. Mahalasa saina ny resaky ny Talen’ny Serasera eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika toa nihantsy ny mpanohitra, fa tsy mahafeno ny “Coliseum” raha mamory vahoaka. Tena nilaina ve ny firesahana tahaka izany amin’izao zava-misy izao ?  Tena mbola manam-potoana hitsapana ny herin’ny mpanohitra ve ny fanjakana izay mila mandamin-draharaha ao anatin’izao toe-draharaha mafampana izao ? Ny azo antoka, dia vao mainka mampalemy ny fitondram-panjakana ny zava-misy rehetra. Tsy hisy mpiara-miombon’antoka tena hahatoky ny mpitondra sy ny fahefam-panjakana eto. Ny mpanohitra etsy an-kilany miha mahazo vahana, izay efa mitondra ny raharaha any amin’ny sehatra avo, toy ny SADC, Vondrona Afrikanina, Firenena Mikambana,… Raha ny resaka fomba fitantanana ny firenena, dia tsy afa-po ny vahoaka, ary nihena haingana dia haingana ny taham-panohanan’ny olona ny filoha na ilay antsoina hoe “cote de popularité”. Miha mijotso hatrany io amin’ny ankampobeny ho an’ny olona mitondra firenena, indrindra fa tsy arakaraka ny nampanantenaina ny fandrosoana sitrahan’ny olona.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana