Dans la mme rubrique

Rivo Rakotovao « Aleo isika vahoaka hanaiky ny fepetra rehetra”

28/03/2020

Nitondra hafatra ho an` ny vahoaka Malagasy ny filohan` ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao, manoloana ny fiatrehana ny areti- mandoza entin’ny Covid-19.

Rivo Rakotovao « Aleo isika vahoaka hanaiky ny fepetra rehetra”

Hamaky ny tohiny...

Filohan’ny Za’gasy Nisy nanafika tao Toliara

28/03/2020

Nanao antsoavo amin’ireo tompon’andraikim-panjakana ao Toliara ny filohan’ny fikambanana Za’gasy sahy mandroso, Jean Navandahy Ratiharison,

Filohan’ny Za’gasy Nisy nanafika tao Toliara

Hamaky ny tohiny...

Vokatra tsy tafavoaka Lasa feno mpivarotra amoron-dalana eny Ambatomirahavavy

28/03/2020

Satria tsy misy ny fitaterana toy ny Taksiborosy dia maro amin’ireo tantsaha mpamokatra mpampiaka-bokatra eto Antananarivo monina eny amin’iny

Vokatra tsy tafavoaka Lasa feno mpivarotra amoron-dalana eny Ambatomirahavavy

Hamaky ny tohiny...

Fanjakana sy Sehatra tsy miankina Nifanaraka fa tsy hisy fandroahana mpiasa

26/03/2020

Tsy maintsy hisy fiantraikany maro amin’ireo sehatra ara-toekarena eto amin’ny firenena ny fanapahan-kevitra noraisina indrindra ny amin’ny tsy fivoahana ny trano intsony.

Fanjakana sy Sehatra tsy miankina Nifanaraka fa tsy hisy fandroahana mpiasa

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina “10 andro sisa ny ady…”

26/03/2020

Toa mampihorohoro sy mampatahotra ny olona maneran-tany ny Coronavirus. Raha mikasika an’i Madagasikara manokana, dia vaovao mahafaly fa ny olona

Andry Rajoelina “10 andro sisa ny ady…”

Hamaky ny tohiny...

Hanitra Razafimanantsoa “Tsy hanavahana ny fepetra raisina”

24/03/2020

“3 no narary ny zoma , 12 "cas confirmés" sahady ny alahady. Ireo aloha no azon' ny Filoha notenenina”hoy ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa. Mipetraka kosa ny fanontaniana, hoy izy:

Hanitra Razafimanantsoa “Tsy hanavahana ny fepetra raisina”

Hamaky ny tohiny...

Antoko TAMAMI “Fotoana hisokafan’ny fitondrana izao!”

24/03/2020

Fotoana izao hanehoana ny firaisankinam-pirenena, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika TAMAMI.

Antoko TAMAMI “Fotoana hisokafan’ny fitondrana izao!”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Rodoben’ny mpanohitra « Ravao ny CENI sy ny HCC »

04/03/2020

Namoaka fanambarana manoloana ny fanambaran’ny CENI tamin’ny herinandro izay nilaza fa misy 1.162.512 ireo olona manana kara-panondro roa samihafa omaly ny avy eo anivon’ny Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara (RMDM).

 

 

 

 Fiaikena ampahibemaso izany, hoy izy ireo fa tsy tomombana ny lisi-pifidianana nandritra ireo fifidianana nifandimby teto Madagasikara, nanomboka tamin’ny filoham-pirenena ka nitohy tamin’ny solombavambahoaka sy ben’ny tanàna. Mazava ho azy, hoy ny RMDM, fa izany olona na mpifidy  tsy ara-dalàna izany dia tena mampiova voka-pifidianana tokoa. Manamafy sy manamarina ny efa nolazainay ihany koa io saingy nodian’ny HCC sy CENI fanina tamin’ny hoe « Azo raisina fa tsy mitombina ». Tsy ara-dalàna ireo fifidianana natao teto Madagasikara nanomboka ny 2018 ary tsy manana ny atao hoe « légitimité » ireo rehetra voafidy tao anatin’izany. Nanapa-kevitra ny RMDM fa takian’izy ireo tsy misy fepetra ny fanafoanana ny fifidianana rehetra farany teo nanomboka tany amin’ny filoham-pirenena ka hatrany amin’ny ben’ny tanàna. Ilaina ny fanomanana avy hatrany amin’ny firosoana amin’ny fifidianana vaovao. Fampiatoana sy fanoloana avy hatrany ireo mpikambana ao amin’ny CENI sy HCC satria andrim-panjakana tsy azo itokisana intsony. Mangataka ny vahoaka ho sahy hijoro hametraka firenena vanona ny RMDM. Niaraka nanao fanambarana omaly ireo mpitarika tahaka an’i Marc Ravalomanana filoha nasionalin’ny TIM sy ny sekretera jeneralin’ny TIM Rina Randriamasinoro, niaraka tamin’i Riana Andriamandavy VII filoha lefitry ny antoko HVM avy amin’ny Faritanin’i Fianarantsoa, izay lasa mpitondra teny ao anatin’io vovonan’ny RMDM io. Raha tsy hita firy tao anatin’ny RMDM ny HVM, dia mazava izany izao fa tena niditra tanteraka ao anatiny satria manana toerana filoha lefitra, raha ny tapaka tany am-boalohany.

J. Mirija sy Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana