Dans la męme rubrique

GOVERNORA

05/03/2020

Voatendry ho governoran’ny faritra Atsinanana nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly Atoa Rafidison Richard Théodore.

GOVERNORA

Hamaky ny tohiny...

LUDY SOA SY NATHAN

05/03/2020

Araka ny lahatsoratra nivoaka teto amin`ny gazety Tia Tanindrazana ny 02 martsa lasa teo, momba an`ireo tanora, LudySoa sy Nathan,

LUDY SOA SY NATHAN

Hamaky ny tohiny...

MBOLA AVOTRA ALOHA HATRETO

04/03/2020

Isan'ireo firenena afrikanina mbola mahavita miaro ny sisin-tany aloha hatreto i Madagasikara manoloana ny fiparitahan’ny Coronavirus.

MBOLA AVOTRA ALOHA HATRETO

Hamaky ny tohiny...

FANAFIHANA TAXI-BROUSSE

02/03/2020

Raikitra ny fifampitifirana tetsy Mahavelona. Sady nitsoaka no nitifitra ny jiolahy izay vao avy nanao fanafihana mpandeha tamin'ny taxi-brousse.

FANAFIHANA TAXI-BROUSSE

Hamaky ny tohiny...

FANAFIHANA CASHPOINT

27/02/2020

Mitohy hatrany ny fanafihana cashpoint eto an-drenivohitra.

FANAFIHANA CASHPOINT

Hamaky ny tohiny...

VAROTRA SY FANJIFANA

24/02/2020

Nandainga avokoa ny fandajàna marobe izay nanaovana fitsirihana tampoka tao amin’ny tsena Bazary-Kely ao Toamasina.

VAROTRA SY FANJIFANA

Hamaky ny tohiny...

VAROTRA SY FANJIFANA

24/02/2020

Nandainga avokoa ny fandajàna marobe izay nanaovana fitsirihana tampoka tao amin’ny tsena Bazary-Kely ao Toamasina.

VAROTRA SY FANJIFANA

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

MPIANATRY NY PETIT NID TSY HITA POPOKA

03/03/2020

Tovolahy kely iray mitondra ny anarana hoe Rakotonindrina Sitraky ny Avo Toavina Cedrick no nambaran’ny fianakaviany fa tsy hita popoka.

 

 

Nirava tamin’ny 4 ora tolakandro izy io omaly, izay mianatra ao amin’ny sekoly Le Petit Nid Anjanahary, kanefa dia tsy nody tany an-tranony eny Nanisana.Tsy mbola fantatra mazava hoe inona marina no nitranga hatry ny halina nanoratana ny vaovao.Miantso fiaraha-miasa ny fianakaviana amin’ny fikarohana an’i Cedrick ka nametraka ny laharana an-telefaonina 033 73 221 58 sy 039 17 044 31  mba antsoin’ireo izay manam-baovao

FANAFIHAN-JIOLAHY ALASORA

Nitifitra avy hatrany ny jiolahy tetsy Alasora. Izany dia mba entina hampitahorana ny tompon-trano izay hotafihana. Nahavita niantso vonjy anefa ireo ary koa niantso ny zandary izay soa ihany fa mba sendra nanao fisafoana teny amin’ny manodidina. Raikitra ny fifanenjehana tao anatin’ny haizina fa saingy tsy tratra intsony ireo jiolahy. Dikan’izany dia ilaina miparitaka mandehandeha ny mpitandro ny filaminana rehefa alina ny andro fa tsy miandry fotsiny baiko ao amin’ny birao.

MIHANTONA NY FAMPANDROSOANA

Kepoka tanteraka ny fitondràna ary azo hitarafana izany ny fahanginany tao anatin’ny tambajotra sosialy manoloana ny vavan’ny olona izay nahatsikaritra fa tsy mandeha amin’izay tokony hoizy ny IEM. Ny antoko mpanohitra rehetra anefa dia efa naneho ny fahavononany ny hanampy an’i Rajoelina raha toa izy ka manisaka tsikelikely ireo olona izay tsy mahomby eo amin’ny manodidina azy. Hatreto anefa toa tsy vitany mihitsy izany ary matahotra tanteraka sao hifototra any aminy ny fanisahana ireo tsy mahomby. Dia lasa mihantona eo ny fampandrosoana izay kasainy.

FANAPOIZINANA ARA-TSAKAFO

Olona roapolo mahery no indray narary vokatry ny fanapoizina ara-tsakafo. Tany Fenoarivo-Atsinanana no nitrangan’izany, tao amin’ny fokontany Tanambao. Notaterina ireo narary izay nisy koa ny tonga tsikelikely. Atsantsa izay azon’ny mpandriaka no namidy tao an-toerana ary nifandrombana mihitsy azy ny asabotsy teo. Hatramin’ny omaly dia mbola marobe ny olona izay tonga tao amin’ny hopitaly ary avy hatrany dia noraisina an-tànana. Tsy misy ahiana ny ain’ireo, raha araka ny fanamarihana azo avy any an-toerana.

ANDRO RATSY

 Misy indray ny andro ratsy izay miforona ao amin’ny ranomasim-be indiana. Ahiana indray ny rotsak’orana be manomboka amin’ny alakamisy izao araka ny vinavina avy amin’ny sary navoakan’ny zanabolana eoropeanina. Ny fijerin’ny manam-pahaizana dia ahiana hitondra oram-be io tangoron-drahona izay hitarika andro ratsy io. Efa miomana ireo nosy rahavavy dia i Maurice sy La Réunion izany.

 

TE HAMETRAKA NY OLONY NY FITONDRANA

Hozongozonona tanteraka ny Holafitry ny mpanao gazety mba hanamoràna ny fametrahana olon’ny fitondràna azy. Amin’izao fotoana dia karohin’ny minisitera mpiahy ny hanovàna ny rafitra mpitantana dia ny hanasiana filoha lefitra isaky ny faritra izany. Ireo indray avy eo no hatao mifidy izay ho filoha. Terena ireo mpiasan’ny haino aman-jerim-panjakana any amin’ny faritra mba hangataka ny fanasiana ireo filoha lefitra ireo any aminy. Mihenjan-droa tanteraka ny tady eo amin’ny OJM sy ny MCC.

LANY BALA IREO MPANOHANA NY FITONDRANA ?

Fivoriam-be ny an’ny antoko mpomba ny fitondràna nanomboka ny alin’ny alahady. Izany dia taorian’ny fihenan-danja noho ny tsy fahaizan’ny olona izay nisolo tena ny fitondràna tao anaty adihevitra tamin’ny fahitalavitra rahavavy ny alin’ny alahady teo. Kepoka avokoa ary misy ny olo-be izay efa manomboka resy lahatra fa tsy misy intsony bala (hevitra) izay entina miaro izao fitondràna izao ankehitriny.

VOATIFITRA

Voatifitra any Anjozorobe ny lehilahy iray izay tànana an-kavanan’i Botomena. Io farany ilay voatery nentina nitsoaka avy any Ambilobe rehefa namono sy nanolàna vehivavy behovohoka ary avy hatrany dia naiditra eny Tsiafahy. Mainka koa ity tranga ity manamafy fa tena dahalo tanteraka i Botomena ary miparitaka manerana ny nosy ny tambajotrany. Mbola misy namany hafa izay karohina koa eto an-drenivohitra sy ny manodidina amin’izao fotoana izao.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana