Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Làlana vao vita eto Antananarivo Ratsy kalitao, feno lavaka sahady

03/03/2020

Tsy ampy herintaona akory dia manomboka simba sahady ireo làlana eto an-drenivohitra. Manomboka misy lavaka, ary miitatra haingana dia haingana ny habeny noho ny rano sy ny antony hafa.

 

 

 Miharihary ny fahasimbana kanefa tsy mbola vita fandraisana ara-teknika sy notokanana akory. Ahitana an’izany ny mihazo an’i Soanierana sy Ankadimbahoaka, raha  avy any Anosy iny. Tena ireny ve ny kalitao nifanarahana sa nisy ny tsirambina nataon’ny orinasa nahazo ny tsenam-baro-panjakana ? Raha izay dia matimatin’ny mora izany isika, ka asa mifandraika amin’ny vola naloa no sitrahana, hany ka volana vitsy monja taorian’ny fahavitany, dia efa feno lavaka ny arabe. Raha ny mifanohitra amin’izay kosa dia zon’ny fanjakana tsara ny manasazy ilay orinasa noho ny kalitao satria nisy rahateo ny fanamby natao fa maharitra 30 taona io làlana io, saingy tsy izay ny zava-misy. Volam-panjakana, hetra avy amin’ny Malagasy no nanamboarana an’ireny. Maro ireo lalana am-polony taona maro no nahavitany, saingy mbola tsara sy tsy misy fahasimbana firy kanefa ireo vao natao tsy ampy herintaona akory, dia efa manomboka ahitana fahapotehana sahady.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana