Dans la mme rubrique

Fanjifana herinaratra Mihena noho ny tsy fihodinanan’ny Indostria

01/04/2020

Taratry ny fandrosoan’ny firenena ny filàna ara angovo misy ao aminy.

Fanjifana herinaratra Mihena noho ny tsy fihodinanan’ny Indostria

Hamaky ny tohiny...

Fizarana fanampiana Tahaka ny kermesy ny teny Analakely

01/04/2020

Mbola niverina indray ny fitangoronan’olombelona maro be tetsy amin’ny lapan’ny tanana Analakely omaly,

Fizarana fanampiana Tahaka ny kermesy ny teny Analakely

Hamaky ny tohiny...

Kaominin’Antananarivo Renivohitra “Aza korontanina izahay…”

01/04/2020

Tsy mety ireny fa manakorontana ny lamina efa napetraky ny tanàna. Iangaviana ny mba tsy hisian’ny fanakorontanana, hoy ny Lefitry ny ben’ny tanànan’Antananarivo

Kaominin’Antananarivo Renivohitra “Aza korontanina izahay…”

Hamaky ny tohiny...

Mpampanofa fiara Tafiditra anaty fahasahiranana tanteraka

01/04/2020

Velon-taraina ankehitriny ireo mpampanofa fiara tahaka ny eny amin’ireny hotely lehibe mpitondra mpizahatany sy ireo tompona fiara misehatra amin’ny lanonana tahaka ny mariazy (tête de cortège,…) ireny.

Mpampanofa fiara Tafiditra anaty fahasahiranana tanteraka

Hamaky ny tohiny...

Toamasina Hitaky fanampiana ihany koa ny mpitondra Kamiao

01/04/2020

Hisy ny hetsika ho tontosain’ireo mpitondra kamiao ao Toamasina amin’ity anio ity, raha ny fampitam-baovao avy any an-toerana.

Toamasina Hitaky fanampiana ihany koa ny mpitondra Kamiao

Hamaky ny tohiny...

Vidin’entana eny an-tsena Ny vary no tena mbola lafo

01/04/2020

Raha tena nanahiran-tsaina ny maro ny fidangan’ny vidin’entana teny an-tsena ny herinandro teo noho ny fisian’ilay tsy fahafahana mivoaka nateraky ny coronavirus dia efa manomboka midina tsikelikely izany ankehitriny.

Vidin’entana eny an-tsena Ny vary no tena mbola lafo

Hamaky ny tohiny...

Fizarana fanampiana Ny zokiolona indray no nampiandrasana fotoana maharitra

01/04/2020

Tsy mety miala eny amin’ny biraom-pokontany ny ankamaroan’ireo zokiolona eto amintsika izay fantatra fa nataon’ny Filoham-pirenena laharam-pahamehana

Fizarana fanampiana Ny zokiolona indray no nampiandrasana fotoana maharitra

Hamaky ny tohiny...


Sosialy

Ankizy ratsy naoty tsy avela hanao fanadinana Hosazian’ny minisitera ireo sekoly tratra

03/03/2020

Niteraka resabe teto amintsika mihitsy ka nanosika ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena handray andraikitra, indrindra fa ho an’ireo sekoly

 

 

 

tsy miankina sasany ny fanivanana ireo ankizy mpianatra tokony  hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE na BEPC ao amin’ny taona fahadimy sy fahatelo ka nampitaraina ireo ray aman-dreny sasany. Misy amin’ireo mpianatra mantsy no tsy avelan’ilay sekoly hiatrika fanadinam-panjakana  fa manimba ny vokatra tokony ho azony sy ny lazany, hono, indrindra fa ho an’ireo ratsy naoty sy tsy mahaloa saram-pianarana ara-dalàna. Namoaka “note de service” ity minisitera iray ity fa zon’ny ankizy mpianatra ny miatrika ny fanadinam-panjakana ary tokony hosoratana anarana avokoa izy ireny ho an’ireo kandida handray anjara eto amin’ny tany sy ny firenena. Nanambara ny minisitera fa hosazian’izy ireo ny sekoly tratra manao izany. Miantso ireo tompon’andraikitry ny sekoly rehetra ny minisitera mba samy hanaraka ity naoty navoakan’izy ireo ity. Miantso ny ray aman-drenin’ny mpianatra ihany koa izy ireo mba hanatona ny sekoly raha sanatria ka manana olana ny zanany hahafahana mitady vahaolana haingana.

Pati

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana