Dans la mme rubrique

Olana atrehan’ny firenena Izao no tena ilàna ireo mpanefoefo sy matanjaka

31/03/2020

Tena mafy amin’ny Malagasy ny fepetra raisina mba tsy hiparitahan’ny valan’aretina coronavirus.

Olana atrehan’ny firenena Izao no tena ilàna ireo mpanefoefo sy matanjaka

Hamaky ny tohiny...

Rina Ranaivo-Harisoa Ratsy mpanolotsaina ny filoha

30/03/2020

Mitondra ny fahitàny ny fivoaran` ny toe-draharaha eto amintsika ny mpahay lalàna no sady mpamakafaka politika, Rina Ranaivo-Harisoa, amin` izao fiatrehana ny COVID-19 izao.

Rina Ranaivo-Harisoa Ratsy mpanolotsaina ny filoha

Hamaky ny tohiny...

Rivo Rakotovao « Aleo isika vahoaka hanaiky ny fepetra rehetra”

28/03/2020

Nitondra hafatra ho an` ny vahoaka Malagasy ny filohan` ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao, manoloana ny fiatrehana ny areti- mandoza entin’ny Covid-19.

Rivo Rakotovao « Aleo isika vahoaka hanaiky ny fepetra rehetra”

Hamaky ny tohiny...

Filohan’ny Za’gasy Nisy nanafika tao Toliara

28/03/2020

Nanao antsoavo amin’ireo tompon’andraikim-panjakana ao Toliara ny filohan’ny fikambanana Za’gasy sahy mandroso, Jean Navandahy Ratiharison,

Filohan’ny Za’gasy Nisy nanafika tao Toliara

Hamaky ny tohiny...

Vokatra tsy tafavoaka Lasa feno mpivarotra amoron-dalana eny Ambatomirahavavy

28/03/2020

Satria tsy misy ny fitaterana toy ny Taksiborosy dia maro amin’ireo tantsaha mpamokatra mpampiaka-bokatra eto Antananarivo monina eny amin’iny

Vokatra tsy tafavoaka Lasa feno mpivarotra amoron-dalana eny Ambatomirahavavy

Hamaky ny tohiny...

Fanjakana sy Sehatra tsy miankina Nifanaraka fa tsy hisy fandroahana mpiasa

26/03/2020

Tsy maintsy hisy fiantraikany maro amin’ireo sehatra ara-toekarena eto amin’ny firenena ny fanapahan-kevitra noraisina indrindra ny amin’ny tsy fivoahana ny trano intsony.

Fanjakana sy Sehatra tsy miankina Nifanaraka fa tsy hisy fandroahana mpiasa

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina “10 andro sisa ny ady…”

26/03/2020

Toa mampihorohoro sy mampatahotra ny olona maneran-tany ny Coronavirus. Raha mikasika an’i Madagasikara manokana, dia vaovao mahafaly fa ny olona

Andry Rajoelina “10 andro sisa ny ady…”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Hery sy Voahangy Tsy nisaraka izany !

03/03/2020

Nanaovana resabe hatramin’izay ny fiainana manokan’ny filoham-pirenena teo aloha Hery Rajaonarimampianina sy ny ankohonany.

 

 Fony teo amin’ny fitondrana, dia efa saika isan’andro ny firesahana ny momba azy ireo. Tafiditra tao anatin’ny resa-politika sy voatonona hatrany Rtoa Voahangy Rajaonarimampianina. Mety azo ekena ihany ny firesahana ny momba azy ireo fony teo amin’ny fitondrana amin’ny maha olom-panjakana ambony sy olo-malaza azy ireo. Vao niala teo amin’ny fitondrana kosa izy dia efa manana ny fiainany manokana tahaka ny olom-pirenena tsotra rehetra. Nisafidy ny nangina tanteraka sy tsy re feo mihitsy taorian’ny nialan’izy ireo teo amin’ny fitondrana. Nandeha ny resaka ary novoizina fatratra fa nisaraka izy mivady taorian’ny fialan’izy ireo teo amin’ny fitondrana. Voaporofo anefa amin’izao fa tsy misy an’izany velively. Navoakan’i Rija Tram mpandraharaha Malagasy iray eo amin’ny tontolon’ny sakafo malaza ao Frantsa fa niara-nisakafo saosisy Malagasy tao an-toerana Atoa Hery Rajaonarimampianina mivady, vao andro vitsy izay. Midika izany fa milamina ny fiainan’ity fianakaviana ity fa tsy arakaraka ny resaka niely hatramin’izay. Ny mpandinika sy mpanara-baovao politika ihany koa dia mahita fa tsy nisehoseho ho azy iny sary iny fa ao raha ary nahazo alalana avy tamin’izy mivady matoa afaka naseho ny daholobe. Azo heverina ve izany fa efa manomana ny fiverenany an-tanindrazana ny filoha teo aloha sy Ramatoa vadiny hiatrika ny fiainam-pirenena sy ny tontolo politika ?

MANANA NY MAHA IZY AZY

Toeram-pisakafoanana malaza sy misongadina ao Lafrantsa ny an’i Rija Tram ary tena mahasarika olona maro, Malagasy sy vahiny. Mpandraharaha liana sy nilofo tamin’ny tontolon’ny nahandro, ka nitondra ny fanevan’i Madagasikara any ampitan-dranomasina amin’ny fanomezan-danja ny nahandro Malagasy toy ny koba, mofo baolina, mofo gasy, saosisy gasy,…  Ankoatra ny maha mpahay lakozia sy nahandro tsy manam-paharoa na “traiteur hors-pair” azy, dia miavaka amin’ny resaka fanampiana amin’ny maha olona i Rija Tramm amin’ny alalan’ny tombony azony amin’ny asa sy fandraharahana. Ny taona 2008, dia nilatsaka an-tsitrapo tamin’ny fiantohana ireo delegasionina Malagasy nandray anjara tamin’ny Lalao olimpika tany Beijing Chine izy. Ny septambra 2018, dia tsaroana ny fanehoany hanampy ilay tovolahy kely antsoina hoe Mickael, izay maty novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ny ray aman-dreniny sy ny anabavikeliny.

Toky R

  

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana