Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fanaovana kolikoly Mbola lohalaharana ny fitsarana ao Toamasina

02/03/2020

Raha ny tatitry ny biraom-paritanin’ny Bianco Toamasina ny taona lasa dia mbola mitana ny laharana voalohany tamin’ireo fitoriana sy fitorohana voarainy ny sampam-pitsarana.

 

 

Miisa 151 tamin’ireo fitorohana sy fitoriana voarain’ny Bianco izany. Ao anatin’ny 05 voalohany koa ny fitsinjaram-pahefana misy ny kaominina sy ny sehatry ny fananan-tany ary ny resaka fampianarana. Nidina kosa saingy mbola ao anatin’ny laharana 10 voalohany ny mpitandro ny

filaminana, ka eo amin’ny laharana faha-06 ny zandary raha laharana faha-07 ny polisy ary any amin’ny laharana faha-09 ny fandraharahana ny fonja. An-kilan’izany, tamin’ireo

fitorohana sy fitoriana miisa 865 voarain’ny Bianco Toamasina, dia ny antontan-taratasy 129 ihany no azo nanaovana fanadihadiana ara-kolikoly tao anatiny. Antontan-taratasy niisa 54

noho izany no nahavitana fanadihadiana izay efa nalefa teny amin’ireo sampam-pitsarana misahana ny raharaha dia ny PAC Antananarivo izay nandefasana antontan-taratasy miisa 06,

sy ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina nandefasana ny antontan-taratasy miisa 20, ary ny ambiny rehetra dia teo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany misy eto Toamasina, Ambatondrazaka, Moramanga, Vatomandry, Maroantsetra, Fenoarivo Atsinanana sy ny fitsarana ambony Toamasina. Ankoatra izany dia niisa 210 ny olona nohenjehina tao anatin’ireo antontan-taratasy ireo, ka ny 82 nahazo ny didy fampisamborana, 19 nofonjaina vonjimaika raha 63 no nahazo fahafahana sy fanaraha-maso ara-pitsarana.

Raha ny teo amin’ny fanambaram-pananana izay tsy maintsy ataon’ireo mpiasam-panjakana ambony sy ireo olom-boafidy ary ireo misahatra amin’ny asa ambaran’ny lalana tsy maintsy manao izany, dia nambaran’ny Bianco tamin’ny tatitra nataony fa tsy mbola nahavita ny azy na mahafantatra aza ny tokony hanaovany izany ireo OPJ eo anivon’ny talem-paritry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra, ireo kaomisera ny sehatr’asam-panjakana toy ny eo enivon’ny talem-paritry ny varotra, lehiben’ny mpampiofana eo anivon’ny tafika Malagasy ary ireo inspektera eo anivon’ny fananan-tany sy ny fandrefesan-tany. Efa

nampahalalain’ny Bianco izy ireo ka aorian’izay raha tsy manao izany dia hivoaka ny fanenjehana sy ny sazy, hoy ny Bianco tamin’ny tatitra nataony.

 

Rakoutou

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana