Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Andraikitry ny holafitry ny mpanao gazety “Tsabahan’ny minisiteran’ny serasera”

02/03/2020

Mamarana ny fotoam-piasany amin’ity taona ity ireo mpikamban’ny birao voafidy teo anivon’ny holafitry ny mpanao gazety tao anatin’izay 5 taona izay.

 

 

Amin’ny ankapobeny dia nifantoka tamin’ny fiarovana ny fanaovan-gazety sy ireo mpanao gazety manatontosa ny andraikiny ary ny fiezahana nanadio ny tontolon’izay fanaovan-gazety izay ny praograman’ny OJM, hoy ny fanazavana. Mitohy izay asa fanadiovana izay ary dingana heverina hahatongavana amin’izany ny famoahana karatra maha matihanina vaovao. Misedra olana anefa izany ankehitriny, hoy ny filohan’ny OJM, Gerard Rakotonirina, satria ny minisitry ny serasera, izay nilaza ampahibemaso fa tsy hitsabaka amin’ny andraikitry ny OJM no mitsabaka ankehitriny ary manery ny mpanao gazety, indrindra, ireo amin’ny haino aman-jerim-panjakana. Ny holafitra nasionaly no tokony hiandraikitra io famoahana karatra io kanefa dia nafindra toerana any Maintirano ny sekretera jeneraliny. Banga, noho izany, ny toerany. Miankina amin’ny fivoahan’izay karatra izay ihany koa anefa no hahafahana manatontosa ny fifidianana izay ho mpikamban’ny OJM vaovao, raha ny fanazavana hatrany. Notontosaina ny sabotsy teo tetsy amin’ny Trass Tsiadana moa ny lanonana fifampiarahabana nahatratra ny taonan’ireo mpikamban’ny OJM sy ny fianakaviambeny.

J. Mirija

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana