Dans la mme rubrique

Ny Rado Rafalimanana Nidoboka eny Antanimora

03/04/2020

Nisy ny fisamborana an’Atoa Ny Rado Rafalimanana kandida ho filoham-pirenena teo aloha afak’omaly.

Ny Rado Rafalimanana Nidoboka eny Antanimora

Hamaky ny tohiny...

Antoko HVM Ataovy mangarahara ny fitantanana

03/04/2020

Miatrika fotoan-tsraotra ny firenena ankehitriny. Manoloana izany, ny antoko Hery Vaovaon I Madagasikara (HVM) dia hitondra izay voatsirambin` ny tanana ho fanampiana ny mpiray tanindrazana manoloana ity ady iombonana ity.

Antoko HVM Ataovy mangarahara ny fitantanana

Hamaky ny tohiny...

Ny Rado Rafalimanana Nobedain’ny zandary teny Ivato

02/04/2020

Nisy ny fisamborana an’Atoa Ny Rado Rafalimanana kandida ho filoham-pirenena teo aloha omaly. Tonga teny amin'ny CCI Ivato izy omaly maraina, nitondra ny zaodahiny avy any an-dafy atao fitiliana mikasika ny Covid-19 teny an-toerana.

Ny Rado Rafalimanana Nobedain’ny zandary teny Ivato

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina “Tena sarotra ny manapa-kevitra…”

02/04/2020

Nametraka ny lamina rehetra saingy tsy vitan’ny mpitondra irery. Ny 12 andro manaraka dia tanjona ny hoe mba ho betsaka indray ny olona sitrana.

Andry Rajoelina “Tena sarotra ny manapa-kevitra…”

Hamaky ny tohiny...

K3 F Miantso ireo mpanao politika tsy hanararaotra ny “coronavirus”

02/04/2020

Nitondra hafatra ho an’ny tompon’andraikitra eto amin’ny firenena sy ho an’ny olom-pirenena sy ny vahoaka ny Komitin'ny Fahamarinana sy Fandriampahalemana ary Fiadanana (K3F) manoloana izao loza mihatra

K3 F Miantso ireo mpanao politika tsy hanararaotra ny “coronavirus”

Hamaky ny tohiny...

Antsohihy Aro-vava miisa 2000 nozaraina tamin’iroe mpivarotra

02/04/2020

Nitondra vahaolana ho fisorohana ny fiparitahan'ny Coronavirus ao Antsohihy ka nanome aro-vava miisa 2000 ho an'ny mpivarotra any an-toerana ny depiote, Jao Jean mivady.

Antsohihy Aro-vava miisa 2000 nozaraina tamin’iroe mpivarotra

Hamaky ny tohiny...

Vondrona politika KOMBA “Fa iza marina no mibaiko ny Fokontany?” “

02/04/2020

Hita ety ifotony fa mibaiko ny fokontany avokoa na ny Kaominina (izay misy rantsana maro), na ny Distrika, na ny Mpitandro ny filaminana, na ny solombavambahoaka , na ny Fiadidiana ny Repoblika,

Vondrona politika KOMBA “Fa iza marina no mibaiko ny Fokontany?” “

Hamaky ny tohiny...


Politique

Mbola Rajaonah sy Claudine A&C Horitrain’ny fanjakana ny fananany...

02/03/2020

Nanaovan’ny mpitandro filaminana bemidina ny tranon’i Mbola Rajaonah tetsy Ambohimahitsy ny marainan’ny sabotsy teo.

 

Tamin’ny 9ora dia efa rakotra azy ireo manodidina ny tanàna, ary tamin’ny 11ora no tonga ireo delegasionina izay niditra avy hatrany ny tanàna. Tsy fantatra mazava na iza ireo delegasionina sy ny nataony tao amin’ity tranon’ny mpanolotsaina manokan’ny filoha teo aloha ity. Ny iray tamin’izy ireo dia nanao akanjo « gilet » nisy soratra « Douanes ». Efa hatry ny ela no tsy nisy tompon-trano tao. Nampiseho taratasy ara-dalàna ireo olona niditra tao, ka tsy afa-nanoatra ny mpiambina. Tsy afaka niditra kosa ny mpanao gazety, ary tsy nisy namaly ny anton’ny fisavana ireo nanao izany teny an-toerana. Tsy vao izao no nisy ny fisavana fa nialoha ny 13 febroary 2019 nisamborana azy. Ny volana septambra 2019 dia nisy ny filazana avy amin’ny minisiteran’ny vola sy ny toekarena ka nambara nanao hosoka ara-ketra na “fraude fiscale” 11,317 miliara ariary ny vondron’orinasan’i Mbola Rajaonah. Vao ny faran’ny herinandro teo ihany koa no nanaovana bemidina sy giazana ny fananan’ny A&C Hotel an’i Claudine Razaimamonjy, izay voalaza fa tsy nahaloa hetra 5 taona miaraka amina sazy sy lamandy mifandraika amin’izany ka tafiakatra 59 miliara ariary ny vola ananan’ny fanjakana aminy. Mahatratra 75 miliara ariary ny vola takiana. Tena mitombina ve io ?  Hatao lavanty amin’ny 4 martsa izao ny entana nogiazana, raha ny vaovao mivoaka. Tena resaka heloka ara-ketra tokoa ve ny fanenjehana ? Mitombina ve ireo vola be voalaza ? Sa noho ny tsy fananan’ny fanjakana vola no antony ? Ahoana ny momba ireo mpiasa ho very asa ? Hatreto dia samy any am-ponja i Mbola Rajaonah sy Claudine Razaimamonjy Malagasy mpandraharaha mpanefoefo niara-dia tamin’ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina.

Toky R sy J.Mirija

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana