Dans la mme rubrique

Ady mafy

28/03/2020

Aza heverina ho toy ny anaty fety na kermesy sy andro tsy iasana fa handraisan-karama isika, hoy ny minisitry ny atitany izay omaly.

Ady mafy

Hamaky ny tohiny...

Aza mora tezitra moa e

27/03/2020

Hita ho tezitra sy hendratrendratra be ihany ny filoham-pirenena halina raha niresaka mivantana tao amin’ny TVM ;

Aza mora tezitra moa e

Hamaky ny tohiny...

Mbola tsy afaka misioka aloha

26/03/2020

Maha velombolo ny fahenoana fa efa mizotra tsikelikely ho amin’ny fahasalamana ny ampahany betsaka amin’ireo voambara ofisialy fa tratrin’ilay aretina COVID19 hatreto.

Mbola tsy afaka misioka aloha

Hamaky ny tohiny...

Tsy tan-dalàna!

25/03/2020

Mandalo fotoan-tsarotra ny firenentsika amin'izao fotoana izao. Sambany angamba ny Malagasy, indrindra ny eto an-Renivohitra no norarana tsy hivoaka ny trano, kanefa tsy tany miady na misy krizy ara-politika goavana. Azo hitarafana ny fahazakantsika sedra sy handanjana ny fahefam-panjakana io hoe: hatraiza ny fankatoavan'ny olona manam-pahefana?

Tsy tan-dalàna!

Hamaky ny tohiny...

Hifamelona sy hifamono?

23/03/2020

Mandalo fotoan-tsarotra ny firenena. Tena mbola tsy nisy angamba ny toy izao, raha ny endriny no jerena. Sedra iraisana amin’izao tontolo izao anefa io amin’ny lafiny iray.

Hifamelona sy hifamono?

Hamaky ny tohiny...

Misangy loza, mpitari-bato vilam-bava

20/03/2020

Hendratrendra be ihany ny fanjakana Malagasy eo anatrehan’ny toe-draharaha iainan’ny firenena ankehitriny. Mampiaka-peo, mibetroka, mandrahona eo anatrehan’ny zavatra mety manohintohina azy. Isan’ny iompanan’izany ity raharaha Coronavirus ity, niantsoan’ny filoha fiombonana sy fiaraha-mientana rahateo.

Misangy loza, mpitari-bato vilam-bava

Hamaky ny tohiny...

Mandrora mitsilany

19/03/2020

Azo lazaina hoe tao anatin’ny herinandro izao dia “niaina tsotra” ny vahoaka. Saika fanambarana feno fampiombonana sy fifanentanana hatrany no matetika heno.

Mandrora mitsilany

Hamaky ny tohiny...


Edito

Tsy hisy takona izay tsy hiseho !

02/03/2020

Miverina any amin’ny resa-pifidianana indray ny tantaran’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena. Nifoha ny fota-mandry efa niniana nototofana tany aloha.

Raha nambara fa azo raisina nefa tsy mitombina ny fitoriana samihafa tamin’izany, dia toa milaza ny zava-misy ankehitriny fa mibaboka ireo tompon’andraikitra. Asa na nokobonin’ny marina na ahoana, fa nilaza tsy nanontaniana fa tena nisy ny lesoka goavana be. Ny fanontaniana mipetraka taorian’iny dia ny hoe: ahoana ny ho tohiny ? Raikitra ny fifanilihana eo amin’ireo samy tompon’antoka. Endrika iray maneho ny lesoka eo amin’ny andrim-panjakana roa samihafa, izay toa nifampiaro sy tsy nifanipaka tamin’ny fanapahan-keviny, saingy misy mibaboka ankehitriny fa tena nisy ny lesoka niniana notakonana. Izay tokoa angamba ilay hoe tsy hisy takona izay tsy hiseho. Heverina fa vao fanombohana io, fa mbola maro ny zavatra hirefotra ato ho ato. Asa aloha izay hafitsoky ny fanjakana eo anatrehan’io toe-draharaha io, fa iny fibabohana momba ny fifidianana iny dia endrika iray maneho fa mila milamina sy mitady fitoniana. Toa midika mantsy ny toe-draharaha fa tsy marin-toerana sy tena miorina anaty fasika ny fahefam-panjakana azo tamin’ny fifidianana kitoatoa sy ahiana ho feno hosoka. Ny zava-misy ankehitriny anefa dia tena mihenjana sy mamoritra ny mpitondra. Mandeha ny famelezana ireo heveriny fa mpifanandrina politika aminy. Raikitra ny fananganam-pahafavalo. Mety mihevitra ho manana hery sy fahefana, saingy mety hampipongatra sy hahatonga ny hafa hihevitra ny zava-misy, fa malemy sy azo toherina ilay fahefam-panjakana. Tsy afaka ny hirehareha firy ho manana ny fahefana nomen’ny vahoaka satria toa tahaka ny sosoa voatapo-drano taorian’iny fiaikena ny tsy nety iny.  Misy ny mpandinika maneho fa endrika maneho fiatombohan’ny fifaranan’ny fahefam-panjakana tsy marin-toerana ny endri-pamoretana sy fandrangarangana hery tahaka izao. Ny hirariana anefa dia ny hilaminan’ny firenena satria ho loza amin’atambo eto indray, raha sanatria hiditra krizy isika.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana