Dans la męme rubrique

Rivo Rakotovao « Aleo isika vahoaka hanaiky ny fepetra rehetra”

28/03/2020

Nitondra hafatra ho an` ny vahoaka Malagasy ny filohan` ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao, manoloana ny fiatrehana ny areti- mandoza entin’ny Covid-19.

Rivo Rakotovao « Aleo isika vahoaka hanaiky ny fepetra rehetra”

Hamaky ny tohiny...

Filohan’ny Za’gasy Nisy nanafika tao Toliara

28/03/2020

Nanao antsoavo amin’ireo tompon’andraikim-panjakana ao Toliara ny filohan’ny fikambanana Za’gasy sahy mandroso, Jean Navandahy Ratiharison,

Filohan’ny Za’gasy Nisy nanafika tao Toliara

Hamaky ny tohiny...

Vokatra tsy tafavoaka Lasa feno mpivarotra amoron-dalana eny Ambatomirahavavy

28/03/2020

Satria tsy misy ny fitaterana toy ny Taksiborosy dia maro amin’ireo tantsaha mpamokatra mpampiaka-bokatra eto Antananarivo monina eny amin’iny

Vokatra tsy tafavoaka Lasa feno mpivarotra amoron-dalana eny Ambatomirahavavy

Hamaky ny tohiny...

Fanjakana sy Sehatra tsy miankina Nifanaraka fa tsy hisy fandroahana mpiasa

26/03/2020

Tsy maintsy hisy fiantraikany maro amin’ireo sehatra ara-toekarena eto amin’ny firenena ny fanapahan-kevitra noraisina indrindra ny amin’ny tsy fivoahana ny trano intsony.

Fanjakana sy Sehatra tsy miankina Nifanaraka fa tsy hisy fandroahana mpiasa

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina “10 andro sisa ny ady…”

26/03/2020

Toa mampihorohoro sy mampatahotra ny olona maneran-tany ny Coronavirus. Raha mikasika an’i Madagasikara manokana, dia vaovao mahafaly fa ny olona

Andry Rajoelina “10 andro sisa ny ady…”

Hamaky ny tohiny...

Hanitra Razafimanantsoa “Tsy hanavahana ny fepetra raisina”

24/03/2020

“3 no narary ny zoma , 12 "cas confirmés" sahady ny alahady. Ireo aloha no azon' ny Filoha notenenina”hoy ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa. Mipetraka kosa ny fanontaniana, hoy izy:

Hanitra Razafimanantsoa “Tsy hanavahana ny fepetra raisina”

Hamaky ny tohiny...

Antoko TAMAMI “Fotoana hisokafan’ny fitondrana izao!”

24/03/2020

Fotoana izao hanehoana ny firaisankinam-pirenena, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika TAMAMI.

Antoko TAMAMI “Fotoana hisokafan’ny fitondrana izao!”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fifidianana filoham-pirenena Voaporofo ny halatra bevava !

02/03/2020

Araka ny vaovao nivoaka farany dia mipoitra izao ny marina izay nafenina amin`ilay filazana hoe : azo raisna fa tsy mitombina.

Nolazain`ny CENI fa diso ny vato 1 270 000, izany aza tsy mbola misy an`ireo nolazaina fa maty nitsangana, ireo olona nesorina tao anaty lisitra, ireo « bureau de vote fictif » nahatratra 7000 isa,… Ankoatra ireo dia tsy azo adinoina ireo taham-pahavitrihana nahazoana salan`isa 113%, 115%, 119 %… tamin'ireo biraom-pifidianana maro manerana ny nosy. Ny zava-nisy dia namoaka valim-pifidianana ny CENI tamin`izany. Voalaza tao amin`io tatitra io fa ny taham-pahavitrihana tamin`ny faritra maro amin`ny sisin`ny nosy amin`ireo toerana nahazoan`ny kandidà  lah. faha-13 salan`isa dia 80%. Ahitana karazana taham-pahavitrihana izay tsy mbola nisy teo amin`ny tantara. Ohatra, ny faritra Androy, Kaominina Behabobo, EPP Antanimena salle 01, dia nahitana taham-pahavitrihana 119,05%. Ireo mihoatra ny 100% dia am-polony maro. Ny faritra tany atsimon`ny nosy toa an`Androy, Anosy, Atsimo Andrefana, izay toerana mafana hanjakan`ny tsy fandriampahalemana ka tsy mampazoto hifidy anefa no nahitàna io salan’isa 100% mahery io. Ireo toerana saro-dalana no tena nisian`ny fanampiana vato tsy ara-drariny(bourrage d`urnes). Mety nisy ihany koa izany ireo lisi-pifidianana nanaovana sonia hosoka. Raha tsiahivina ny tatitra navoakan`ny CENI dia biraom-pifidianana 5 254 no namaritra ny voka-pifidianana teto amin`ny firenena satria nandresy tamin`ny isa 83,56% ny kandidà Rajoelina nandritra ny fihodinana faharoa tamin`ireo birao ireo. Raha atao kajy tsotsotra ireo antontanisa dia nahitàna ireo 600 000 elanelany. Hala-bato bevata teto amin`ny firenena raha atao bango tokana. Santionany ireo fa ny tena nampalahelo dia ny faritra Atsimo izay efa sahirana sy mijaly rano indray aza no mbola ampandoavina rano eraky ny « bidon »nefa natao fitaovana hangalarana vato. Araka ny and. faha-216 mikasika ny lalàna mifehy ny fifidianana dia mampigadra enina andro hatramin`ny herintaona ary arahana onitra am-polony tapitrisa ariary ny fanaovana hosoka sy fanaovana fanambarana hosoka raha tsy hilaza afa tsy izay. Tsikaritra ihany koa fa nangina ny kaonty tsy izy (compte fake) mpiaro fitondrana momba ity resaka “doublon” kara-panondrom-pirenena ity.

 

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana