Dans la mme rubrique

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...

Andavamamba Mpanendaka roa lahy indray no tratra

20/03/2020

Lehilahy roa, 23 sy 21 taona no voasambotry ny polisy miasa ao Isotry omaly 19 martsa 2 noho ny resaka fitondrana zava-maranitra teny an-dalambe sy fanafihana mitam-piadiana.

Andavamamba Mpanendaka roa lahy indray no tratra

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Aviation civile de Madagascar Ahiana hamotika ny orinasa ny fanavaozana natao

28/02/2020

Mbola sary ratsy sarotra kosehina teo amin’ny tantaran’ny fitaterana ana habakabaka eto Madagasikara ny nampiditra antsika tao anatin’ny “Annexe B” ny taona 2011 ary tsy nahafahana niala tao anatin’izany raha tsy ny taona 2016.

 

 


Niteraka fatiantoka ho antsika Malagasy iny toe-javatra iny. Ny tsy fahatomombanana sy ny tsy fahatrarana ny fenitra araka ny tokony ho izy eo amin’izay sehatry ny fitaterana ana habakabaka izay no tena antony nahatonga ireny. Eo ny lafiny “sécurité” fa eo ihany koa ny lafiny “sureté”. Ankehitriny, asa na hadinon’ny tompon’andraikitra ankehitriny na toe-javatra tsy niainany ka toa manao zavatra mila hampiverina indray any anatin’ny « annexe B » izy ireo. Izany indrindra no mahatonga ireo mpiasa mitonona ho sarotiny amin’ny fiaroavana ny tombontsoan’ny Aviation Civile de Madagascar (ACM), indrindra fa ny tombontsoa ambonin’ny firenena hanaitra ny sain’ny tompon’andraikitra hoe : « tsy ny fanavaozana no tsy ekena, tsy ny fanatsarana no lavina fa ny fialokalofana ao anatin’io teny io kanefa fihetsika mifanohitra amin’ny fenitra takina no aseho sy atranga ka tsy tantin’ny vavoninay ary isintonanay lakolosy fanairana ny amin’ny hoe tsy tokony hiverina amin’izany lalan-dratsy efa hita izany intsony isika. Ekena ny fanavaozana, fa raha misy ny famindran-toerana, fanoloana tompon’andraikitra dia aoka ho ny olona mahavita, mahafehy ny asa ampanaovina azy ary mahalala ny sehatra ampiandraiketina azy tokoa no hapetraka amin’izany fa tsy ny akamakama sy ny fifankahazoana manokana no hametrahana olona amin’ny andraikitra iray ». Araka ny fanononan’ireo mpiasa teknisianina manana traikefa azy eo anivon’ity orinasa natao hisahana ny lafiny fitaterana ana habakabaka ity eto amintsika dia tsy ny fahaiza-manao loatra na ny fahafehezana ny andraikitra ampisahanina no iaingana amin’ny famindrafindrana mpiasa amin’ny anjara toerany. Velom-panahiana ireo mpiasa eo anivon’ny ACM satria, tsy vitan’ny asan’izy ireo ihany fa ny fivelomany no ho voantohina raha rendrika tokoa io orinasa io fa ny tombontsoam-pirenena ihany koa mety ho tra-doza.

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana