Dans la mme rubrique

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...

Andavamamba Mpanendaka roa lahy indray no tratra

20/03/2020

Lehilahy roa, 23 sy 21 taona no voasambotry ny polisy miasa ao Isotry omaly 19 martsa 2 noho ny resaka fitondrana zava-maranitra teny an-dalambe sy fanafihana mitam-piadiana.

Andavamamba Mpanendaka roa lahy indray no tratra

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Toamasina Haraha-maso ireo mpandraharaha mpanafatra entana

28/02/2020

Hifarana anio ny atrikasa fanomanana ireo rafitra hanampiana ny fanondranana ara-barotra ao Toamasina na « Atelier de préparation de la mise en place des structure d’appui au exportateurs ( SAE ) ».

 

 

 

 Atrikasa izay nanomboka ny alarobia teo. Anton’izao atrikasa izao, hoy ny filohan’ny federasionin’ny tranoben’ny varotra sy ny indostria, Viviane Dewa Zafinandro, ny mba hamerenana indray ny satan’izay rafitra izay sy ny tanjany eo amin’ny sehatry ny fanondranana ireo vokatra maro isan-karazany misy eto Madagasikara. Antenimieran’ny varotra avy  amin’ny faritra maro manerana ny nosy no miatrika ity atrikasa ity, ankoatra ireo mpanondrana ny entana any ivelany.  Andrasana anio, araka izany, ny tsoa-kevitra mandritra ity atrikasa ity. Heverin’ny Filohan’ny tranoben’ ny varotra Atsinanana vaovao vao nandray ny asany ny 4 febroary teo, Dahy Leonard, fa tombondahiny ho an’ny tranoben’ny varotra ao an-toerana izao fifampizarana traikefa izao. Olana mantsy, hoy izy, ny tsy fahatomombanan’ny resaka kalitaon’ ny vokatra ahondran’i Madagasikara eo amin’ny tsena iraisampirenena ka tokony ho vain-dohan-draharaha, noho izany, izay fiarovana mafy ny kalitao izay mba tsy ho fatiantoka sy henatry ny firenena. Raha ho an’ny antenimiera ny varotra ao Toamasina manokana dia Nifarana ny volana  Janoary teo ny fe-potoana  voalohany nitantanan’ny filoha teo aloha. Fe-potoana izay miova isaky ny roa taona , mandritra ny efatra taona, hoy ny fanazavana. Tanjon’ny filoha vaovao, hoy izy, ny hamerina indray ny lazan’ny antenimieran’ ny varotra ao Toamasina fa eo ihany  koa ny fanaraha-maso ireo mpandraharaha eo amin’ny fanafarana entana avy any ivelany miditra eto Madagasikara .

J. Mirija

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana