Dans la mme rubrique

Olana atrehan’ny firenena Izao no tena ilàna ireo mpanefoefo sy matanjaka

31/03/2020

Tena mafy amin’ny Malagasy ny fepetra raisina mba tsy hiparitahan’ny valan’aretina coronavirus.

Olana atrehan’ny firenena Izao no tena ilàna ireo mpanefoefo sy matanjaka

Hamaky ny tohiny...

Rina Ranaivo-Harisoa Ratsy mpanolotsaina ny filoha

30/03/2020

Mitondra ny fahitàny ny fivoaran` ny toe-draharaha eto amintsika ny mpahay lalàna no sady mpamakafaka politika, Rina Ranaivo-Harisoa, amin` izao fiatrehana ny COVID-19 izao.

Rina Ranaivo-Harisoa Ratsy mpanolotsaina ny filoha

Hamaky ny tohiny...

Rivo Rakotovao « Aleo isika vahoaka hanaiky ny fepetra rehetra”

28/03/2020

Nitondra hafatra ho an` ny vahoaka Malagasy ny filohan` ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao, manoloana ny fiatrehana ny areti- mandoza entin’ny Covid-19.

Rivo Rakotovao « Aleo isika vahoaka hanaiky ny fepetra rehetra”

Hamaky ny tohiny...

Filohan’ny Za’gasy Nisy nanafika tao Toliara

28/03/2020

Nanao antsoavo amin’ireo tompon’andraikim-panjakana ao Toliara ny filohan’ny fikambanana Za’gasy sahy mandroso, Jean Navandahy Ratiharison,

Filohan’ny Za’gasy Nisy nanafika tao Toliara

Hamaky ny tohiny...

Vokatra tsy tafavoaka Lasa feno mpivarotra amoron-dalana eny Ambatomirahavavy

28/03/2020

Satria tsy misy ny fitaterana toy ny Taksiborosy dia maro amin’ireo tantsaha mpamokatra mpampiaka-bokatra eto Antananarivo monina eny amin’iny

Vokatra tsy tafavoaka Lasa feno mpivarotra amoron-dalana eny Ambatomirahavavy

Hamaky ny tohiny...

Fanjakana sy Sehatra tsy miankina Nifanaraka fa tsy hisy fandroahana mpiasa

26/03/2020

Tsy maintsy hisy fiantraikany maro amin’ireo sehatra ara-toekarena eto amin’ny firenena ny fanapahan-kevitra noraisina indrindra ny amin’ny tsy fivoahana ny trano intsony.

Fanjakana sy Sehatra tsy miankina Nifanaraka fa tsy hisy fandroahana mpiasa

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina “10 andro sisa ny ady…”

26/03/2020

Toa mampihorohoro sy mampatahotra ny olona maneran-tany ny Coronavirus. Raha mikasika an’i Madagasikara manokana, dia vaovao mahafaly fa ny olona

Andry Rajoelina “10 andro sisa ny ady…”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Lalàmpanorenana Maro ireo andininy miteraka adihevitra

28/02/2020

Voafaritra ao anivon`ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana (LFI) taona 2020 fa hiatrika fitsapan-kevi-bahoaka isika eto Madagasikara amin`ity taona ity.

 

 

Folo taona aty aoriana, hasiam-panitsiana ny lalàmpanorenana nateraky ny Repoblika fahefatra. Ny lalàmpanorenana nandritra ity Repoblika ity lany tamin`ny volana novambra 2010, no tena mampifanolana indrindra raha tamin`ny tantaran`i Madagasikara. Miteraka adihevitra tokoa mantsy, indrindra eo amin`ireo mpisehatra politika. Nandritra ny vela-kevitra nataon`ny HVM dia nilaza i Rivo Rakotovao fa tsy vahaolana ny fametrahana filoha vonjimaika hanolo ny filoham-pirenena, araka ny voafaritra ao amin`ny and. faha-46 hatramin`ny faha-52 ao anatin`ny lalàmpanorenana. Raha ny nambarany dia tsangan'olona fotsiny izy nandritra ny fotoana nisoloany toerana ny filoham-pirenena nametra-pialana. Tena nohamaivanina tanteraka, hoy izy ny fahefana eo am-pelatanana ka lasa mivangongo eo an-tanan'ny praiminisitra ny fahefana sy ny fitondrana ny baolina. Noho izany, mety ho indray mandeha tsy miverina izany ny fampiharana iny voalazan'ny lalampanorenana iny hoe “miala roa volana mialoha ny filoha am-perinasa raha mbola hilatsaka hofidiana”.  Raha nampihatra izany, dia efa milaza ny tsy fetezany ny teo amin`ny toerana. Raha tsiahivina dia nampifandraisana tamin`ny « Convention de Panorama » tamin'ny 31 oktobra 1991 ity andininy faha-46. Izany hoe filoham-boninahitra ny filoham-pirenena fa ny tetezamita no mitantana ny raharaham-panjakana. Marihana hatrany fa niteraka resabe nandritra ny fitondran`ny filoha Rajaonarimampianina ny and. 46 hatramin`ny faha-52, izay mitaky ny fametraham pialan`ny filoham-pirenena am-perinasa izay mirotsaka hofidiana ary nisy mihitsy ny fikasana hikitika lalàmpanorenana ny taona 2017. Etsy an-kilany kosa, maro ny fanehoan-kevitra fa mety io fialana mialoha io raha hilatsaka fa misoroka ny farafahakeliny amin'ny ahiahy amin'ny halabato. Tsy resaka olona na rafitra fotsiny no olana eto fa io tsy fahamarinana io no fototry ny ahiahy sy ny lonilony hatrizay.  Ny tranga-javatra toy izao no no mahatsara ny adihevitra politika fa tsy adilahy politika fotsiny mba ahafahana manamboatra miaraka amin'ny mety kokoa. Ka tokony dieny izao dia atomboka ny fandinihana azy fa tsy rehefa akaiky fifidianana indray dia izay heverina fa metimety indray nefa avy eo dia hoe tsy mety indray.

 

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana