Dans la mme rubrique

Olana atrehan’ny firenena Izao no tena ilàna ireo mpanefoefo sy matanjaka

31/03/2020

Tena mafy amin’ny Malagasy ny fepetra raisina mba tsy hiparitahan’ny valan’aretina coronavirus.

Olana atrehan’ny firenena Izao no tena ilàna ireo mpanefoefo sy matanjaka

Hamaky ny tohiny...

Rina Ranaivo-Harisoa Ratsy mpanolotsaina ny filoha

30/03/2020

Mitondra ny fahitàny ny fivoaran` ny toe-draharaha eto amintsika ny mpahay lalàna no sady mpamakafaka politika, Rina Ranaivo-Harisoa, amin` izao fiatrehana ny COVID-19 izao.

Rina Ranaivo-Harisoa Ratsy mpanolotsaina ny filoha

Hamaky ny tohiny...

Rivo Rakotovao « Aleo isika vahoaka hanaiky ny fepetra rehetra”

28/03/2020

Nitondra hafatra ho an` ny vahoaka Malagasy ny filohan` ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao, manoloana ny fiatrehana ny areti- mandoza entin’ny Covid-19.

Rivo Rakotovao « Aleo isika vahoaka hanaiky ny fepetra rehetra”

Hamaky ny tohiny...

Filohan’ny Za’gasy Nisy nanafika tao Toliara

28/03/2020

Nanao antsoavo amin’ireo tompon’andraikim-panjakana ao Toliara ny filohan’ny fikambanana Za’gasy sahy mandroso, Jean Navandahy Ratiharison,

Filohan’ny Za’gasy Nisy nanafika tao Toliara

Hamaky ny tohiny...

Vokatra tsy tafavoaka Lasa feno mpivarotra amoron-dalana eny Ambatomirahavavy

28/03/2020

Satria tsy misy ny fitaterana toy ny Taksiborosy dia maro amin’ireo tantsaha mpamokatra mpampiaka-bokatra eto Antananarivo monina eny amin’iny

Vokatra tsy tafavoaka Lasa feno mpivarotra amoron-dalana eny Ambatomirahavavy

Hamaky ny tohiny...

Fanjakana sy Sehatra tsy miankina Nifanaraka fa tsy hisy fandroahana mpiasa

26/03/2020

Tsy maintsy hisy fiantraikany maro amin’ireo sehatra ara-toekarena eto amin’ny firenena ny fanapahan-kevitra noraisina indrindra ny amin’ny tsy fivoahana ny trano intsony.

Fanjakana sy Sehatra tsy miankina Nifanaraka fa tsy hisy fandroahana mpiasa

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina “10 andro sisa ny ady…”

26/03/2020

Toa mampihorohoro sy mampatahotra ny olona maneran-tany ny Coronavirus. Raha mikasika an’i Madagasikara manokana, dia vaovao mahafaly fa ny olona

Andry Rajoelina “10 andro sisa ny ady…”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fanenjehana mpitondra ambony Manasarotra ny fampiharana lalàna ny depiote

28/02/2020

Miandry ny tena fanombohan’ny asan’ny Fitsarana Avo (HCJ) aloha ny olom-pirenena. Ny 20 febroary lasa teo ny lanonana ara-pitsarana fianianan`ireo mpikambana ao anatin`ny Fitsarana avo (HCJ).

 

 

Raha ny fanambarana nataon`ny sekretera jeneralin`ny ministeran`ny fitsarana dia miaiky ny fahasarotan` ny fanenjehana ara-pitsarana an`ireo olom-panjakana ambony ny eo anivon`ny minisiteran`ny fitsarana.  “Tokony ho efa eritreretina dieny izao ihany ny fomba entina manamboatra ny lalàna mifehy an`io fanenjehana an`ireo mpitondra ambony io. Olana mitoetra miteraka ny fiandrasan` ny HCJ an`ireo mpitondra ambony ny hevitr`ireo depiote amin`ny fanenjehana na tsia azy ireo. Ahoana ny hahafahan`ny Antenimieram-pirenena manana fijery mitanila na ihany koa tsy mijery olon`antoko na izany voalaza fa resaka malety izany ka hanaja ny tany tan-dalàna. Ahoana amin`izay ny fitsarana an`ireo olona ambony ireo satria raharaha iray ihany no tsaraina ?”. Manamafy ny fanambarana nataon`ny minisitry ny fitsarana teo aloha, Jacques Randrianasolo, mahakasika ny mampitarazoka ny fanenjehana ireo manampahefana ambony voakasika momba ny raharaha kolikoly sy ny halatra teo amin`ny firenena. Niaiky ity minisitra ity tamin`izany fa mila fanovana maika ny lalàna mahakasika ity HCJ ity. Mandringa na koa misy tsy mety ve ity lalàna mahakasika ny HCJ ? Toa manasarotra ny fampiharana ny lalàna ka rariny loatra raha foanana fotsiny izao ny HCJ, hoy ny SEhatra FAnaraha-maso ny FIainam-pirenena (SeFaFi) nandritra ny fanambarana nataony ny 25 aprily 2019. Amin’izay fotoana izay ny tompon’andraikitra ambony eto amin’ny firenena dia hitovy lenta amin’ny olom-pirenena tsotra... ary izay no tena rariny!”. Raha tsiahivina, raharaha 13 no efa eo am-pelatanan`ny Antenimieram-pirenena ka hiandrasana ny fanapahan-kevitr’ireo depiote. Amin`ny fiandohan`ny volana mey 2020 ho avy izao no handinika momba an`izany ry zareo eny Tsimbazaza.

 

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana